settings icon
share icon
Fanontaniana

Nahazo famelan-keloka? Ahoana no ahazoako famelan-keloka avy amin'Andriamanitra?

Valiny


Fanontaniana: Nahazo famelan-keloka? Ahoana no ahazoako famelan-keloka avy amin'Andriamanitra?

Valiny:
Ny Asan'ny Apostoly 13:38 dia milaza: 'Ary aoka ho fantatrareo, ry rahalahy, fa izany Lehilahy izany no itoriana famelan-keloka aminareo.'

Inona ny famelan-keloka ary maninona no mila izany aho?

Ny teny hoe "mamela" dia midika hoe mamafa madio, mamindra fo, manafoana trosa. Rehefa manao ny tsy mety amin'ny olona iray isika dia mangata-pamelana aminy mba hiverenan'ny fihavanana simba amin'ny laoniny. Ny famelan-keloka dia tsy omena satria mendrika ny handray izany ilay olona iray. Tsy misy olona mendrika handray famelan-keloka. Ny famelan-keloka dia porofom-pitiavana, famindram-po sy fahasoavana. Ny famelan-keloka dia fanapahan-kevitra tsy hitana am-po ny ratsy nataon'ny hafa, na inona na inona nataony taminao.

Ny Baiboly dia milaza amintsika fa mila famelan-keloka avy amin'Andriamanitra avokoa isika rehetra. Samy efa nanota isika rehetra. Mpitoriteny 7:20 dia manambara, 'Fa tsy misy olona marina ambonin'ny tany izay manao tsara ka tsy manota.' Hoy ny 1 Jaona 1:8, 'Raha hoy isika: Tsy manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato anatintsika'. Ny fahotana rehetra dia fikomiana amin'Andriamanitra avokoa. (Salamo 51:4). Noho izany dia tena ilaintsika fatratra ny famindram-pon'Andriamanitra. Raha toa ka tsy voavela ny helotsika dia hiaina am-pijaliana mandrakizay noho ny fahotantsika isika (Matio 25:46; Jaona 3:36).

Famelan-keloka - Ahoana ny fomba ahazoako izany?

Soa ihany fa be fitiavana sy be indrafo Andriamanitra ' vonona mandrakariva hamela heloka antsika! Manambara amintsika ny 2 Petera 3:9 ''fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin'ny fibebahana izy rehetra. Maniry ny hamela heloka antsika Andriamanitra, ka dia nanome famelan-keloka ho antsika Izy.

Ny hany sazy mendrika ny fahotantsika dia ny fahafatesana. Ny tapany voalohany amin'ny Romana 6:23 dia manambara 'Fa fahafatesana no tambin'ny ota...'. Ny fahafatesana mandrakizay no azontsika amin'ny fahotana vitantsika. Ao amin'ny drafitr'asany tonga lafatra dia tonga olombelona Andriamanitra, dia i Jesosy Kristy (Jaona 1:1,14). Maty teo amin'ny hazo fijaliana i Jesosy, nanefa ilay sazy mendrika antsika dia ny fahafatesana. Mampianatra antsika ny 2 Korintiana 5:21 'Izay tsy nahalala ota dia efa nataony ota hamonjy antsika, mba ho tonga fahamarinan'Andriamanitra ao aminy kosa isika'. Maty teo amin'ny hazo fijaliana i Jesosy, nanefa ilay sazy mendrika antsika! Amin'ny maha-Andriamanitra Azy, ny fahafatesan'i Jesosy dia mitondra famelan-keloka ho an'ny olon-drehetra manerana izao tontolo izao. Manambara ny 1 Jaona 2:2, 'Izy no fanatitra fampiononam-pahatezerana noho ny fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an'izao tontolo izao koa". Nitsangana tamin'ny maty Jesosy, naneho ny fandreseny ny ota sy ny fahafatesana (1 Korintiana 15:1-28). Derao ny Tompo fa tamin'ny alalan'ny fahafatesan'i Jesosy sy ny fitsanganany tamin'ny maty dia marina ny tapany faharoa amin'ny Romana 6:23, ''ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika".

Tianao ve ny handray famelan-keloka? Misy fanamelohan-tena manelingelina sy tsy mety miala ve eo amin'ny fiainanao? Azonao raisina ny famelan-keloky ny fahotanao raha toa ianao ka mametraka ny fitokianao amin'i Jesosy Kristy ka mandray Azy ho Mpamonjy Anao. Hoy ny Efesiana 1:7 'Izy no ananantsika fanavotana amin'ny r'ny, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren'ny fahasoavany". Nanefa ny trosantsika Jesosy mba ho voavela heloka isika. Ny hany mila ataonao dia ny mangataka amin'Andriamanitra hamela ny helokao amin'ny alalan'i Jesosy, mino fa maty nanefa ny trosan'ny fahotanao Jesosy, dia havelany ny helokao! Jaona 3:16-17 dia mitondra hafatra lehibe manao hoe "Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay. Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin'izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao".

Famelan-keloka - mora tahak'izany tokoa ve izy io?

Eny, mora tahak'izany! Tsy azo vidiana ny famelan-keloka avy amin'Andriamanitra. Tsy azo efaina ny famelan-keloka avy amin'Andriamanitra. Finoana sy famindram-po avy amin'Andriamanitra irery ihany no fomba tokana handraisana izany. Raha tianao ny hanaiky an'i Jesosy Kristy ho Mpamonjy anao sy handray famelan-keloka avy amin'Andriamanitra dia misy vavaka azonao atao ity. Ny fanaovana ity vavaka ity na vavaka hafa tsy hahavoavonjy anao. Ny finoana an'i Jesosy Kristy ihany no ahazoana famelan-keloka. Ity vavaka ity dia fomba iray fotsiny entinao manambara amin'Andriamanitra ny finoanao Azy sy entinao misaotra Azy noho ny famelan-keloka omeny anao. "Andriamanitra o, fantantro fa nanota teo anatrehanao aho ary mendrika ny ho voaheloka. Kanefa nentin'i Jesosy ny fanamelohana tokony ho ahy ary amin'ny alalan'ny finoako Azy dia afaka mandray famelan-keloka aho. Mametraka ny fahatokiako eo Aminao ho famonjena ahy aho. Misaotra ny amin'ny fahasoavana sy famindram-po lehibe - ny fanomezana fiainana mandrakizay! Amena!"

Nandray fanampahan-kevitra hanaraka an'I Kristy noho ny zavatra novakianao tato ve ianao? Raha izany dia tsindrio ny 'Nandray an'I Jesosy aho androany' etsy ambany.

English



Miverina amin'ny pejy amin'ny teny Malagasy

Nahazo famelan-keloka? Ahoana no ahazoako famelan-keloka avy amin'Andriamanitra?
© Copyright Got Questions Ministries