settings icon
share icon
Fanontaniana

Inona no atao hoe Kristianina?

Valiny


Ny famaritana rakibolana ny teny hoe Kristiana dia, 'olona mino an'I Jesosy ho toy ny Kristy na ny fomba fivavahana mifototra amin'ny fampianaran'I Jesosy.' Na dia misy mahamarina izany aza dia tahaka ny famaritana rehetra izay tsy maneho tsara ny fahamarinana mifototra amin'ny Baiboly ny atao hoe Kristiana. In-telo nampiasaina tao amin'ny testamenta Vaovao ny teny hoe 'Kristiana' (Asan'ny Apostoly 11:26; 26:28: 1 Petera 4:16). Tany Antioka no niantsoana ny mpanara-dia an'i Kristy voalohany hoe Kristiana (Asan'ny Apostoly 11:26) satria nitovy tamin'I Kristy ny fihetsiny, ny zavatra nataony ary ny teny teneniny. Ny teny hoe "Kristiana' dia midika ara-bakiteny hoe 'ao amin'ny antoko misy an'I Kristy' na ihany koa 'mpanaraka an'I Kristy.'

Ny mampalahelo anefa dia very ny hevitry ny teny hoe 'Kristiana' taty aoriana ary lasa ampiasaina hilazana olona mpanaraka fombafomba sy manaraka fihevitra tsara fotsiny na dia tsy tena manaraka an'I Kristy aza. Betsaka ny olona tsy mino na mametraka ny fahatokiany amin'I Kristy no miantso ny tenany ho Krisitianina satria mandeha miangona na mipetraka amin'ny firenena Krisitianina. Kanefa ny fandehanana miangona sy ny fanampiana ireo mahantra na ny fanaovana asa soa dia tsy mahatonga anao ho Krisitianina. Ny fandehanana miangona dia tsy mahatonga anao ho Kristiana tahaka ny tsy mahatonga anao ho lasa fiara rehefa makany amin'ny garazy. Ny maha mpikambana anao amin'ny fiangonana, fanatrehana fivoriana, fanomezana ho amin'ny asan'Andriamanitra dia tsy mahatonga anao ho Kristiana.

Mampianatra ny baiboly fa ny asa soa ataontsika dia tsy mahatonga antsika ho mendrika eo anatrehan'Andriamanitra. Titosy 3:5 'tsy avy tamin'ny asa amin'ny fahamarinana izay nataontsika, fa araka ny famindram-po kosa no namonjeny antsika, tamin'ny fanasan'ny fiterahana indray sy ny fanavaozan'ny Fanahy Masina". Ny Krisitianina dia olona naterak'Andriamanitra indray (Jaona 3:3; Jaona 3:7; 1 Petera 1:23) nametraka ny finoany sy ny fahatokiany tamin'I Jesosy Kristy. Milaza amintsika ny Efesiana 2:8 "Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra".

Ny atao hoe Kristianina marina dia olona iray mametraka ny finoany sy ny fitokiany amin'ny tenan'i Jesosy Kristy sy ny asany, anisan'izany ny fahafatesany teo amin'ny hazo fijaliana ho fanefana ny tambin'ny otantsika sy ny fitsanganany tamin'ny maty rehefa afaka hateloana. Jaona 1:12 "Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny fahefana ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany." Ny mariky ny Kristianina marina dia fitiavana ny hafa sy fankatoavana ny Tenin'Andriamanitra (1 Jaona 2:4, 2:10). Ny Kristianina tena izy dia zanak'Andriamanitra tokoa, olona iray ao amin'ny tena fianankavian'Andriamanitra, ary olona iray nomena fiainam-baovao ao amin'i Jesosy Kristy.

Nandray fanampahan-kevitra hanaraka an'I Kristy noho ny zavatra novakianao tato ve ianao? Raha izany dia tsindrio ny 'Nandray an'I Jesosy aho androany' etsy ambany.

English



Miverina amin'ny pejy amin'ny teny Malagasy

Inona no atao hoe Kristianina?
© Copyright Got Questions Ministries