settings icon
share icon
Fanontaniana

Nahazo fiainana mandrakizay?

Valiny


Ny Baiboly dia manoro l'lana mazava mankany amin'ny fiainana mandrakizay. Voalohany dia tsy maintsy miaiky isika fa nanota tamin'Andriamanitra: "Fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin' Andriamanitra," (Romana 3:23). Samy efa nahavita zavatra tsy ankasitrahan'Andriamanitra izay mahatonga antsika ho mendrika ny hosaziana avokoa isika rehetra. Koa satria manohitra Andriamanitra tsy manam-petra ny fahotantsika dia sazy tsy manam-petra no sahaza antsika. "Fa fahafatesana no tambin'ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika." (Romana 6:23).

Saingy, Jesosy Kristy, ilay tsy nanota (1 Petera 2:22), zanaka Lahitokan'Andriamanitra tsy manam-petra dia tonga olona (Jaona 1:1,14) ary nanolotra ny ainy hanefana ny sazintsika. "Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy" (Romana 5:8). Maty teo amin'ny hazo fijaliana Jesosy Kristy (Jaona 19:31-42), nandray ny sazy tokony ho antsika (2 Korintiana 5:21). Rehefa afaka telo andro dia nitsangana tamin'ny maty Izy (1 Korintiana 15:1-4), nanaporofo ny fandreseny ny ota sy fahafatesana. "Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay niteraka antsika indray araka ny haben'ny famindram-pony ho amin'ny fanantenana velona tamin'ny nitsanganan'i Jesosy Kristy tamin'ny maty" (1 Petera 1:3).

Amin'ny alalan'ny finoana dia tsy maintsy hovantsika ny fomba fijerintsika an'i Kristy - iza Izy, inona ny nataony, ary inona ny antony nanaovany izany - ho famonjena antsika (Asan'ny Apostoly 3:19). Raha mametraka ny finoantsika aminy isika, manaiky ny sorona nataony teo amin'ny hazo fijaliana ho solon'ny fahotantsika, dia ho voavela heloka isika ary handray ilay fiainana mandrakizay any an-danitra nampanatenainy. "Fa toy izao no nitiavan' Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay." (Jaona 3:16). "satria raha manaiky an' i Jesosy ho Tompo amin' ny vavanao hianao ary mino amin' ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin' ny maty, dia hovonjena hianao" (Romana 10:9). Ny finoana ilay asa vitan'i Kristy teo amin'ny hazo fijaliana irery ihany no hany l'lana marina mankany amin'ny fiainana mandrakizay! "Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra; tsy avy amin'ny asa, fandrao hisy hirehareha." (Efesiana 2:8-9).

Raha toa ianao ka te-hanaiky an'i Jesosy Kristy ho Mpamonjy anao dia ity misy singam-bavaka iray. Tsarovy fa ny fanaovana ity vavaka ity na vavaka hafa ihany koa dia tsy hamonjy anao. Ny fahatokiana an'i Kristy irery ihany no hany mamonjy anao amin'ny fahotanao. Ity vavaka ity dia fomba tsotra anehoanao amin'Andriamanitra ny finoanao Azy sy hisaoranao Azy ny amin'ny nanomezany anao famonjena. "Andriamanitra o, fantatro fa nanota teo anatrehanao aho ary mendrika ny ho voaheloka. Kanefa nentin'i Jesosy ny fanamelohana tokony ho ahy ary amin'ny alalan'ny finoako Azy dia afaka mandray famelan-keloka aho. Mametraka ny fahatokiako eo Aminao ho famonjena ahy aho. Misaotra ny amin'ny fahasoavana sy famindram-po lehibe - ny fanomezana fiainana mandrakizay! Amena!"

Nandray fanampahan-kevitra hanaraka an'I Kristy noho ny zavatra novakianao tato ve ianao? Raha izany dia tsindrio ny 'Nandray an'I Jesosy aho androany' etsy ambany.

English



Miverina amin'ny pejy amin'ny teny Malagasy

Nahazo fiainana mandrakizay?
© Copyright Got Questions Ministries