settings icon
share icon
Fanontaniana

Misy ve Andriamanitra? Misy porofo manamarina ny fisian'Andriamanitra ve?

Valiny


Ny fisian'Andriamanitra dia tsy azo porofoina na toherina amin'ny alalan'ny porofo. Ny Baiboly dia milaza fa tsy maintsy manaiky am-pinoana ny fisian'Andriamanitra isika: "Fa raha tsy amin'ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy; fa izay manantona an'Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy" (Hebreo 11:6). Raha tian'Andriamanitra dia azony natao ny niseho tamin'izao tontolo izao sy naneho tamin'olon-drehetra ny fisiany. Nefa raha toa nanao izany Izy dia tsy ho nilaina akory ny finoana. "Hoy Jesosy taminy: Satria nahita Ahy ianao, dia nino; sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino" (Jaona 20:29).

Tsy midika anefa izany fa tsy misy porofo manamarina ny fisian'Andriamanitra. Ny Baiboly dia milaza fa "Ny lanitra mitory ny voninahitr'Andriamanitra; ary ny habakabaka manambara ny asan'ny t'nany. Ny andro samy miteny amin'ny andro mandimby azy, ary ny alina samy manolo-pahalalana amin'ny alina mandimby azy. Tsy misy teny na fiteny izay tsy andrenesana ny feony. Efa nivoaka ho any amin'ny tany rehetra ny feony, ary ny teniny dia mihatra amin'ny faran'izao rehetra izao." (Salamo 19:1-4). Ny fijerena ireo kintana, ny fandinihana ny fidadasiky ny tany aman-danitra, ny fibanjinana ny hakanton'ny natiora, ny fahitana ny hatsaran'ny filentehan'ny masoandro ' izany rehetra izany dia maneho ny fisian'Andriamanitra Mpahary. Raha toa ka tsy ampy ireo, dia mbola misy porofon'ny fisian'Andriamanitra ihany koa ao am-pontsika ao. Mpitoriteny 3:11 dia milaza amintsika fa "...ny mandrakizay dia efa nataony tao am-pon'ny olona." Misy fandresen-dahatra ao anatintsika lalaina fa misy zavatra ankoatr'izao fiainana izao ary misy aina ivelan'izao tontolo hita maso izao. Afaka mand' io fahalalana io ao an-tsaina isika, kanefa dia mbola miharihary ihany ny fisian'Andriamanitra ao anatintsika sy manodidina antsika. Na dia eo aza izany dia mampitandrina ny Baiboly fa mbola hisy hand' ny fisian'Andriamanitra. "Ny adala manao anankampo hoe: tsy misy Andriamanitra" (Salamo 14:1). Misy zavatra (na olona) mitondra izany finoana izany satria ny ankabeazan'ny olona teo amin'ny tantaran'ny zanak'olombelona, ny firenena rehetra, ny vanim-potoana rehetra, ary amin'ny kaontinanta rehetra dia mino ny fisiana andriamanitra avokoa.

Fanampin'ireo tsangankevitra avy ao amin'ny Baiboly momba ny fisian'Andriamanitra ireo dia misy ireo tsangankevitra laojika. Voalohany ny tsangankevitry ny fahalavorariana na ontolaojika. Ny endrika isehoan'ny tsangankevitra ontolaojika be mpampiasa ny filazalazana ny momba an'Andriamanitra hanehoana ny fisian'Andriamanitra. Manomboka amin'ny famaritana an'Andriamanitra ho toy ny 'aina lehibe indrindra noforonina' izany. Avy eo dia mampiseho izany fa ny misy dia lehibe noho ny tsy misy, manamafy fa ilay aina lehibe indrindra dia misy. Raha toa ka tsy nisy Andriamanitra dia tsy ho nisy arak'izany ilay aina lehibe indrindra ary miteraka fifanoherana amin'ilay famaritana an'Andriamanitra.

Ny tsangankevitra faharoa dia ny tsangankevitry ny fanaperana na teleolaojika. Ny tsangankevitra teleolaojika dia manambara fa ny endrika mampitolagagan'ny tany aman-danitra dia manamafy ny fisian'ny Mpahary mahay, nomorona izany. Raha toa ka nanakaiky na nanalavitra kilometatra vitsivitsy ny masoandro fotsiny ny tany ohatra, dia maro amin'ireo zavamananaina eto an-tany no tsy ho afaka hivelona. Raha toa ireo singa amin'ny atmosifera misy antsika miova na dia kely fotsiny aza, dia hitondra fahafatesana ho an'ny ankamaroan'ny zavamananaina rehetra ety ambonin'ny tany izany. Ny vina maha-hafahafa ny molekiolan'ny proteina iray izay miforona kisendrasendra dia 1 ao anatin'ny 10243 (izany hoe 10 arahana aotra miisa 243). Ny sela iray dia misy molekiolana proteina iray tapitrisa.

Ny tsangankevitra laojika fahatelo manaporofo ny fisian'Andriamanitra dia antsoina hoe kosmolaojika. Ny zavatra rehetra dia misy fiantraikany. Izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy dia avy amin-javatra. Tsy maintsy nisy zavatra niteraka ny zavatra rehetra misy. Tsy maintsy nisy zavatra "tsy noforonina" mahatonga ny zavatra hafa rehetra hiforona. Andriamanitra izany loharano 'tsy noforonina' izany.

Ny tsangankevitra fahaefatra dia fantatra amin'ny hoe tsangankevitra moraly. Ny kolontsaina tsirairay eo amin'ny tantaran'ny zanak'olombelona dia manana karazana lal'na. Ny olona tsirairay dia mahalala ny mety sy ny tsy mety. Ny vono, ny lainga, ny halatra, ny fijangajangana dia saika lavina manerana izao tontolo izao avokoa. Avy aiza no niporian'ny fahatsapana ny mety sy ny tsy mety raha tsy avy amin'ilay Andriamanitra masina?

Na eo aza izany rehetra izany, ny Baiboly dia manambara fa holavin'ny olona ny fahalalana an'Andriamanitra izay mazava sy tsy azo lavina ary hino lainga kosa izy ireo. Romana 1:25 dia milaza fa, "Ary ny fahamarinan'Andriamanitra dia nosoloany lainga, ka nanaja sy nanompo ny zavatra natao izy, fa tsy ny Mpanao, Izay isaorana mandrakizay. Amena". Ambaran'ny Baiboly ihany koa fa ny olona dia tsy manan-kalahatra hialany fondro tsy hino an'Andriamanitra: "Fa ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny maha'Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin'ny zavatra nataony; ka dia tsy hanan-kalahatra ireo" (Ramana 1:20).

Manambara ny olona fa ny tsy fisian'ny fanazavana "ara-tsiansa" na "porofo" no mahatonga azy handa ny fisian'Andriamanitra. Ny tena anton'ilay fandavana anefa dia ny fahalalany fa raha vao miaiky ny fisian'Andriamanitra izy dia tsy maintsy miaiky ny andraikiny eo anatrehan'Andriamanitra ihany koa ary mila miaiky fa mila famelan-keloka avy Aminy (Romana 3:23, 6:23). Ny fisian'Andriamanitra dia mahatonga antsika ho tompon'andraikitra eo anatrehany amin'izay rehetra ataontsika. Raha toa ka tsy misy Andriamanitra dia afaka manao izay rehetra tiantsika isika, tsy mila mihevitra ny fitsarany. Izany no mahatonga ny ankamaroan'ireo mand' ny fisian'Andriamanitra hifikitra mafy amin'ny teorian'ny fivoaran'ny zavaboahary - raisiny ho solon'ny finoana ilay Andriamanitra Mpahary tokana izany. Misy Andriamanitra ary ny rehetra mahalala fa misy Izy. Ny fihezahan'ny sasany hanohitra mafy ny fisian'Andriamantra dia porofo manamafy ny fisiany.

Ahoana no ahalalantsika fa misy Andriamanitra? Amin'ny maha-Kristianina antsika dia fantatsika fa misy Andriamanitra satria miresaka aminy isan'andro isika. Tsy maheno mivantana ny feony isika, saingy tsapantsika kosa ny fanatrehany, tsapantsika ny fitantanany, fantatsika ny fitiavany ary irintsika ny fahasoavany. Maro ireo zavatra mitranga eo amin'ny fiainantsika izay tsy misy fanazavana afa-tsy Andriamanitra. Andriamanitra dia namonjy antsika tamin'ny fomba mahagaga ary nanova ny fiainantsika ka tsy misy haintsika atao afa-tsy ny miaiky sy midera ny fisiany. Tsy misy na iray amin'ireo tsangankevitra ireo afaka handresy lahatra izay mifidy ny hand' izay efa miharihary. Amin'ny farany dia tsy maintsy ekena am-pinoana ny fisian'Andriamanitra (Hebreo 11:6). Ny finoana an'Andriamanitra dia tsy vikina jamba mankany amin'ny haizina fa dingana mankao amin'ny efitrano mazava tsara efa hijoroan'ny olona maro.

English



Miverina amin'ny pejy amin'ny teny Malagasy

Misy ve Andriamanitra? Misy porofo manamarina ny fisian'Andriamanitra ve?
© Copyright Got Questions Ministries