| |
Misy ve Andriamanitra? Moa ve misy porofo manamarina ny fisian'Andriamanitra?
Fanontaniana: Misy ve Andriamanitra? Moa ve misy porofo manamarina ny fisian'Andriamanitra?
Valiny:
Ny fisian'Andriamanitra dia tsy hay porofoina na toherina amin'ny alalan'ny porofo. Milaza ny Baiboly fa isika dia tsy maintsy manaiky am-pinoana fa misy Andriamanitra: "Fa raha tsy amin'ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy; fa izay manatona an'Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy" (Hebreo 11:6). Raha naniry izany Andriamanitra dia azony natao fotsiny ny niseho tamin'izao tontolo izao sy nanaporofo tamin'olon-drehetra fa misy Izy. Nefa raha toa ka nanao izany Izy dia tsy ho nilaina akory ny finoana. "Hoy Jesosy taminy: Satria nahita Ahy ianao, dia nino; sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino" (Jaona 20:29).
Tsy midika anefa izany fa tsy misy porofo manamarina ny fisian'Andriamanitra. Manambara ny Baiboly fa "Ny lanitra mitory ny voninahitr'Andriamanitra; ary ny habakabaka manambara ny asan'ny tànany. Ny andro samy miteny amin'ny andro mandimby azy, ary ny alina samy manolo-pahalalana amin'ny alina mandimby azy. Tsy misy teny na fiteny izay tsy andrenesana ny feony. Efa nivoaka ho any amin'ny tany rehetra ny feony, ary ny teniny dia mihatra amin'ny faran'izao rehetra izao." (Salamo 19:1-4). Ny fijerena ireo kintana, ny fandinihana ny fidadasiky ny tany aman-danitra, ny fibanjinana ireo zava-mahagagan'ny natiora, ny fahitana ny hatsaran'ny filentehan'ny masoandro - ireo rehetra ireo dia maneho ny fisian'Andriamanitra Mpahary iray. Raha toa ka tsy ampy ireo, dia mbola misy porofon'ny fisian'Andriamanitra ihany koa ao am-pontsika ao. Lazain'ny Mpitoriteny amintsika ao amin'ny 3:11 fa "...ny mandrakizay dia efa nataony tao am-pon'ny olona." Ao anatintsika lalina ao dia misy fanekena fa misy zavatra any ankoatr'ity fiainana ity ary misy olona any ankoatr'izao tontolo izao. Afaka mandà io fahalalana io amin'ny alalan'ny lafiny ara-tsaina isika, nefa dia mbola miharihary ihany ny fisian'Andriamanitra ao anatintsika sy eny amin'ny manodidina antsika rehetra eny. Na eo aza izany, mampitandrina ny Baiboly fa mbola handà ny fisian'Andriamanitra ihany ny olona sasany. "Ny adala manao anakampo hoe: tsy misy Andriamanitra" (Salamo 14:1). Satria ny ankabeazan'ny olona eo amin'ny tantaran'ny zanak'olombelona, amin'ny firenena rehetra, amin'ny sivilizasiona rehetra ary amin'ny kaontinanta rehetra mino ny fisiana karazana Andriamanitra, dia tsy maintsy misy zavatra (na olona) mahatonga izany finoana izany.
Fanampin'ireo tsangankevitra avy ao amin'ny Baiboly momba ny fisian'Andriamanitra ireo dia misy ireo tsangankevitra laojika. Voalohany, misy ny tsangankevitra ara-laojikan'ny fahalavorariana na ontolaojika. Ny endrika isehoan'ny tsangankevitra ontolaojika faran'izay ijoroan'ny olona maro indrindra dia mampiasa ny filazalazana ny momba an'Andriamanitra hanaporofoana ny fisian'Andriamanitra. Izany dia manomboka amin'ny famaritana ny atao hoe Andriamanitra ho "zava-misy iray ary raha mbola zavatra azo heverina dia tsy misy lehibe mihoatra Azy". Ary dia aroso amin'izay ny hevitra manao hoe ny misy dia zava-dehibe noho ny tsy misy, ka noho izany dia tsy maintsy misy ilay zava-misy farany lehibe indrindra azo heverina. Raha toa ka tsy nisy Andriamanitra dia tsy ho nisy arak'izany ilay zava-misy farany lehibe indrindra azo heverina, ary ho nifanohitra amin'ilay famaritana an'Andriamanitra indrindra izany.
Ny tsangankevitra faharoa dia ny tsangankevitra ara-laojikan'ny fanaperana na teleolaojika. Ny tsangankevitra teleolaojika dia manambara fa satria ny tany aman-danitra manana endrika voakaly mampitolagaga, dia tsy maintsy nisy ary misy Mpikaly iray tsy olombelona tsotra nanamboatra izany. Ohatra, raha toa fotsiny ka teo amin'ny enimpolo amizato kilaometatra nanakaiky na nanalavitra ny masoandro no nisy ny tany dia tsy ho nahavelona ny ankamaroan'ireo zavamananaina misy eo aminy ankehitriny ireo ny tany. Raha toa ireo singa misy manodidina antsika ka hafahafa na dia amin'ny isan-jatony kely fotsiny aza, dia saika maty avokoa ny zavamananaina rehetra ety ambonin'ny tany. Ny vina maha-hafahafa ny molekiolan'ny proteina iray izay miforona kisendrasendra dia 1 ao anatin'ny 10243 (izany hoe 10 arahana aotra miisa 243). Ny sela iray dia misy molekiolana proteina iray tapitrisa.
Ny tsangankevitra laojika fahatelo manaporofo ny fisian'Andriamanitra dia antsoina hoe tsangankevitra ara-laojikan'ny habakabaka na kosmolaojika. Rehefa voka-javatra dia tsy maintsy manana antony iray. Izao tany aman-danitra izao sy izay rehetra misy eo aminy dia voka-javatra iray. Tsy maintsy misy zavatra nampisy ny zavatra rehetra. Ny ahatongavana amin'izany dia hoe tsy maintsy misy zavatra "tsy manana antony nampisy azy" mahatonga ny zavatra rehetra hafa hisy. Izany anton-javatra "tsy manana antony nampisy azy" izany dia Andriamanitra.
Ny tsangankevitra fahaefatra dia fantatra amin'ny hoe tsangankevitra moraly. Ny kolontsaina tsirairay eo amin'ny tantaran'ny zanak'olombelona dia manana karazana lalàna. Ny olona tsirairay dia mahalala ny mety sy ny tsy mety. Ny vono, ny lainga, ny halatra, ny fijangajangana dia saika lavina manerana izao tontolo izao avokoa. Avy aiza ary no niporian'ny fahatsapana ny mety sy ny tsy mety raha tsy avy amin'Andriamanitra masina iray?
Na eo aza izany rehetra izany, ny Baiboly dia manambara amintsika fa holavin'ny olona ny fahalalana an'Andriamanitra izay mazava sy tsy azo lavina ary hino lainga kosa izy ireo. Manambara ny Romana 1:25, "Ary ny fahamarinan'Andriamanitra dia nosoloany lainga, ka nanaja sy nanompo ny zavatra natao izy, fa tsy ny Mpanao, Izay isaorana mandrakizay. Amena". Ambaran'ny Baiboly ihany koa fa ny olona dia tsy manan-kalahatra hialany fondro tsy hino an'Andriamanitra: "Fa ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny mah'Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin'ny zavatra nataony; ka dia tsy hanan-kalahatra ireo" (Ramana 1:20).
Milaza ho mandà ny fisian'Andriamanitra ny olona satria izany "tsy ara-tsiansa" na "satria tsy misy porofo". Raha ny marina dia izao ny antony: raha vao miaiky izy ireo fa misy Andriamanitra, dia tsy maintsy tsapany ihany koa fa tompon'andraikitra eo anatrehan'Andriamanitra ny tenany ary mila famelan-keloka avy aminy (Romana 3:23, 6:23). Raha toa ka misy Andriamanitra dia tompon'andraikitra amin'ny ataontsika eo anatrehan'Andriamanitra izany isika. Raha toa ka tsy misy Andriamanitra dia afaka manao izay rehetra tiantsika isika, tsy mila manahy ny hotsarain'Andriamanitra isika. Izany no mahatonga ny ankamaroan'ireo mandà ny fisian'Andriamanitra hifikitra mafy amin'ny teorian'ny fivoaran'ny zavaboahary, io no manome azy ireo safidy hafa hino Andriamanitra Mpahary iray. Misy Andriamanitra ary mahalala noho izany ny tsirairay fa misy Izy. Ilay zava-misy entin'ny sasany hanoherana mafy ny fisian'Andriamantra iny indrindra hay tsangan-kevitra iray manaporofo ny fisiany ihany.
Ahoana no ahalalantsika fa misy Andriamanitra? Amin'ny maha-Kristianina antsika dia fantatsika fa misy Andriamanitra satria miresaka aminy isan'andro isika. Tsy maheno ny feony miresaka amintsika isika, saingy tsapantsika kosa ny fisiany, tsapantsika ny fitantanany, fantatsika ny fitiavany, irintsika ny fitahiany. Maro ireo zavatra mitranga eo amin'ny fiainantsika izay tsy misy antony mety hanazavana azy afa-tsy Andriamanitra. Andriamanitra dia namonjy antsika tamin'ny fomba tena mahagaga tokoa ary nanova ny fiainantsika ka tsy misy haintsika atao afa-tsy ny miaiky sy midera ny fisiany. Tsy misy na iray amin'ireo tsangankevitra ireo ka afaka handresy lahatra izay mandà ny hiaiky izay efa miharihary. Amin'ny farany dia tsy maintsy ekena am-pinoana ny fisian'Andriamanitra (Hebreo 11:6). Ny finoana an'Andriamanitra dia tsy vikina jamba mankany amin'ny haizina fa dingana azo antoka mankao amin'ny efitrano iray mazava tsara ary efa mijoro ao ny ankamaroan'ny olona.
Hiverina amin'ny renipejy Malagasy
Misy ve Andriamanitra? Moa ve misy porofo manamarina ny fisian'Andriamanitra?
|
|