settings icon
share icon
Fanontaniana

Iza moa i Jesosy Kristy?

Valiny


Tsy tahaka ilay fanontaniana manao hoe "Misy ve Andriamanitra", vitsy dia vitsy ny olona manontany raha nisy tokoa i Jesosy Kristy. Eken'ny rehetra fa Jesosy dia lehilahy nisy marina ary nandia tany, tany Israely, 2000 taona lasa izay. Manomboka ny adi-hevitra raha vao ny mombamomba an'i Jesosy manontolo no anton-dresaka. Saika mampianatra avokoa ny ankamaroan'ny fivavahana lehibe fa Jesosy dia mpaminany na mpampianatra tsara na lehilahy fatra-mpanompo an'Andriamanitra. Ny olona dia izao: milaza amintsika ny Baiboly fa Jesosy dia ambony lavitra tsy hita pesipesenina noho ny mpaminany, mpampianatra tsara na lehilahy fatra-mpanompo an'Andriamanitra.

C.S. Lewis, ao amin'ny bokiny atao hoe Mere Christianity (Kristianina tsotra) dia manoratra toa izao: "Eto aho dia miezaka ny mandrara ny olon-drehetra tsy hiteny ilay hadalana be matetika tenenin'ny olona momba Azy [Jesosy Kristy]: "Vonona aho ny hanaiky an'i Jesosy ho toy ny mpampianatra moraly lehibe, saingy tsy ekeko kosa ilay filazany ny tenany ho Andriamanitra". Izay ilay zavatra iray tsy tokony hotenenintsika mihitsy. Ny lehilahy iray izay lehilaly tsotra ary nilaza ireo karazan-javatra nolazain'i Jesosy dia tsy mpampianatra moraly lehibe. Na izy adala mitovy amin'ny lehilahy iray izay milaza fa atody nandrahoina tamin'akorany ny tenany, na raha tsy izany dia devolin'ny helo izy. Tsy maintsy misafidy ianao. Na io lehilahy io Zanak'Andriamanitra, na raha tsy izany dia lehilahy adala izy na zavatra ratsy noho izany. Azonao atao ny manidy azy toy ny adala, azonao atao ny mandrora aminy sy mamono azy toy ny devoly; na azonao atao koa ny miankohoka eo an-tongony ary miantso azy Tompo sy Andriamanitra. Nefa aoka isika tsy hiresaka zava-poana manasefosefo momba ny maha-olona mpampianatra lehibe azy. Tsy namelany izany safidy izany isika. Tsy nikasa hanao izany izy.

Koa, iza ary no nilazan'i Jesosy ny tenany? Iza Izy hoy ny Baiboly? Voalohany, ndeha hojerentsika ny tenin'i Jesosy ao amin'ny Jaona 10:30: "Izaho sy ny Ray dia iray ihany". Raha vao topazana maso io dia toa tsy midika fa filazana ny tenany ho Andriamanitra. Saingy, jereo ny nasetrin'ny Jiosy ny teniny, "Ny Jiosy namaly Azy hoe: Tsy asa tsara no itorahanay vato Anao, fa fitenenan-dratsy, satria olona ihany Hianao, nefa manao ny tenanao ho Andriamanitra" (Jaona 10:33). Ny nahazoan'ny Jiosy ny tenin'i Jesosy dia filazana ny tenany ho Andriamanitra. Ao amin'ireto andininy manaraka ireto, Jesosy dia tsy nanitsy ny Jiosy mihitsy ka nilaza hoe "Tsy nilaza ny tenako ho Andriamanitra aho". Maneho izany fa niteny marina i Jesosy fa Andriamanitra Izy raha nilaza hoe "Izaho sy ny Ray dia iray ihany" (Jaona 10:30). Ohatra iray hafa momba izany ny Jaona 8:58: Hoy navalin'i Jesosy: " Lazaiko aminareo marina tokoa: Fony tsy mbola ary Abrahama, dia Izy Aho!". Ho setrin'izany, dia iny indray ary ny Jiosy, fa naka vato saika hitoraka an'i Jesosy (Jaona 8:59). Ny fanambaran'i Jesosy ny mombamomba Azy hoe "Izy Aho" dia fampiasana avy hatrany ilay anaran'Andriamanitra ao amin'ny Testamenta Taloha (Eksodosy 3:14). Nahoana no naniry hitoraka an'i Jesosy indray ny Jiosy raha toa ka tsy nilaza zavatra heverin'izy ireo ho faniratsirana Izy, dia ny filazany ny tenany ho Andriamanitra izany?

Hoy ny Jaona 1:1 " Ny Teny dia Andriamanitra". Hoy ny Jaona 1:14 " Ny Teny dia tonga nofo". Ireo andininy ireo dia manambara mazava tsara fa Jesosy dia Andriamanitra manana nofo. Hoy i Tomasy mpianany tamin'i Jesosy "Tompoko sy Andriamanitro!" (Jaona 20:28). Tsy nahitsin'i Jesosy izy. Milaza ny mombamomba Azy ny Apostoly Paoly manao hoe "... Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika, dia Jesosy Kristy" (Titosy 2:13). Tahak'izay koa no lazain'ny Apostoly Petera manao hoe"... Jesosy Kristy, Andriamanitsika sy Mpamonjy antsika" (2 Petera 1:1). Andriamanitra Ray dia vavolombelon'ny mombamomba an'i Jesosy manontolo ihany koa, "Fa ny Zanaka kosa dia nilazany hoe: "Ny seza fiandriananao, Andriamanitra ', dia mandrakizay doria; ary ny tehim-pahitsiana no tehim-panjakanao". Ireo faminanian'ny Testamenta Taloha momba an'i Kristy dia manambara ny maha-Andriamanitra Azy, "Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany hatao hoe Mpanolo-tsaina Mahagaga, Andriamanitra Mahery, Rain'ny mandrakizay, Andrian'ny fiadanana" (Isaia 9:5).

Koa, araka ny hevitra naroson'i C.S Lewis, ny finoana an'i Jesosy ho mpampianatra tsara fotsiny dia tsy safidy. Mazava sy tsy azo lavina ny nolazain'i Jesosy fa Andriamanitra Izy. Raha toa ka tsy Andriamanitra Izy, dia mpandainga Izy izany, ary noho izany Izy dia tsy mpaminany, tsy mpampianatra tsara, na lehilahy fatra-mpanompo an'Andriamanitra. Ireo "manam-pahaizana" maoderina izay manandrana manazava ny tenin'i Jesosy dia milaza fa ilay "tena Jesosy raketin'ny tantara" dia tsy niteny ny ankamaroan'ireo zavatra lazain'ny Baiboly fa noteneniny. Fa iza isika no hiady hevitra ny Tenin'Andriamanitra momba izay nolazain'i Jesosy na tsy nolazainy? Amin'ny fomba ahoana no ahafahan'ny "manam-pahaizana" iray, roa arivo taona aty aorian'i nahaterahan'i Jesosy, mahalala tsara kokoa izay nolazain'i Jesosy sy tsy nolazainy noho ireo niara-niaina tamin'i Jesosy Izy Tenany, nanompo Azy sy nampianariny (Jaona 14:26)?

Maninona no zava-dehibe toa izany ilay fanontaniana mikasika ny mombamomba marina an'i Jesosy? Maninona no zava-dehibe ny maha-Andriamanitra na tsia an'i Jesosy? Ny antony faran'ny manan-danja tsy maintsy maha-Andriamanitra an'i Jesosy dia izao: raha toa ka tsy Andriamanitra Izy, ny fahafatesany dia tsy ampy hanefana ilay sazy tambin'ny otan'izao tontolo izao iray manontolo (1 Jaona 2:2). Andriamanitra irery ihany no afaka nanefa sazy tsy manam-petra toa izany (Romana 5:8; 2 Korintiana 5:21). Tsy maintsy Andriamanitra i Jesosy, fa izay no nahafahany nanefa ny trosantsika. Tsy maintsy olombelona i Jesosy, fa izay no nahafahany ho faty. Ny finoana an'i Jesosy Kristy irery ihany no mampisy famonjena. Ny maha-Andriamanitra an'i Jesosy ihany no antony maha-l'lana tokan'ny famonjena Azy. Ny maha-Andriamanitra an'i Jesosy no antony nanambarany am-pahibemaso hoe "Izaho no l'lana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako' (Jaona 14:6).

English



Miverina amin'ny pejy amin'ny teny Malagasy

Iza moa i Jesosy Kristy?
© Copyright Got Questions Ministries