settings icon
share icon
Fanontaniana

Inona no ambaran'ny Baiboly mikasika ny fanomezana ny ampahafolony?

Valiny


Betsaka ny Kristiana mangetaheta fanazavana mikasika ny fanomezana ny ampahafolony. Ny fiangoanana sasany manamafy be loatra ny fanomezana ampahafolony. Etsy andaniny kosa betsaka ny Kristiana mand' ny tsy hankatoa ny fampirisihan'ny Tenin'Andriamanitra mikasika ny fanomezana ho an'ny Tompo. Ny fanomezana ny ampahafolony dia tokony ho fifaliana sy fitahiana ho an'izay manao azy. Ny mampalahelo anefa dia tsy izany mihintsy ny zava-misy any amin'ny fiangonana ankehitriny.

Fampianaran'ny Testamenta Taloha ny fanomezana ny ampahafolony. Didy tokony harahin'ny Israelita ny fanomezana ny folo isan-jaton'ny vokatra avy amin'ny fambolena sy ny fiompiana any amin'ny taberinakely/tempoly (Levitikosy 27:30; Nomery 18:26; Deotoronomy 14:24; 2 Tantara 31:5). Raha ny marina dia mitaky ampahafolony maromaro ny lal'n'ny Testamenta Taloha'ho an'ny Levita, ho an'ny tempoly sy ny andro firavoravoana, ary ho an'ny olona mahantra eo amin'ny firenena'izay miafara amin'ny 23,3 isan-jato. Ny fahazoan'ny sasany ny ampahafolony tamin'ny andron'ny Testamenta Taloha dia toy ny hetra izay natao mba hikarakarana ny fiainan'ny mpisorona sy ny Levita izay misahana ny fanaovana sorona.

Tsy misy fanerena na fanamelohana hanome ny ampahafolony toy ny didy mamatotra ny Testamenta Vaovao. Tsy mametra mari-bola tokony homen'ny olona avy amin'ny karamany velively ny Testamenta Vaovao. Ny hany hambarany dia tokony hifanaraka amin'ny ' nanambinana azy ny fanomezany ' (1 Korintiana 16:2). Ny fiangonana Kristiana sasany dia mandray ny 10 isan-jato voasoratra tao amin'ny Testamenta Taloha ary mametraka izany ho fenitra farany ambany indrindra ho an'ny fanomezan'ny mpiangona.

Ny maha zava-dehibe sy ny tombon-tsoa azo avy amin'ny fanomezana no resahin'ny Testamenta Vaovao. Arak'izay fahafahantsika no hanomezantsika. Mety ho mihoatra ny 10 isan-jato izany indraindray ary mety ho latsak'izany ihany koa. Arakaraky ny fahafahan'ny Kristiana sy ny fil'na misy eo amin'ny vatan'i Kristy no hanaovana izany. Ny Kristiana tsirairay dia tompon'andraikitra amin'ny fivavahana sy fitadiavana an'Andriamanitra mikasika ny fanomezana ny ampahafolony sy/na habetsak'izay homeny (Jakoba 1:5). Ambonin'izany rehetra izany dia tokony hatolotra amin'ny fo madio sy amin'ny fanajana an'Andriamanitra ary ho fanohanana ny vatan'i Kristy ny ampahafolony sy ny fanatitra omena. ' Aoka ny olona rehetra samy hanao araka izay inian'ny fony avy, tsy amin'ny alahelo, na amin'ny faneriterena; fa ny mpanome amin' ny fifaliana no tian'Andriamanitra. ' (2 Korintiana 9:7).

English



Miverina amin'ny pejy amin'ny teny Malagasy

Inona no ambaran'ny Baiboly mikasika ny fanomezana ny ampahafolony?
© Copyright Got Questions Ministries