settings icon
share icon
Fanontaniana

Inona ny rafi-pamonjena / lalan'ny famonjena?

Valiny


Noana ve ianao? Tsy noana ara-nofo akory fa mila zavatra mihoatra izay hiainanao izao ve ianao? Misy zavatra lalina ve any anatinao izay toa tsy mety hafa-po? Raha izany dia Jesosy no vaha-olana! Hoy Jesosy hoe 'Izaho no mofon'ny fiainana. izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony.' (Jaona 6:35).

Maizina aminao ve ny tany? Toa tsy mety mahita lalana sy antom-pisiana ve ianao? Toa nisy namono ve ny jiro ary tsy hitanao izay fomba hamelomana azy? Raha izany dia Jesosy no vaha-olana! Jesosy dia milaza fa 'Izy no fahazavan'izao tontolo izao. izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin'ny maizina, fa hanana ny fahazavan'aina.' (Jaona 8:12).

Mahatsiaro ho toy ny vohagejan'ny fiainana ve ianao? Efa nanandrana varavarana maro ve ianao kanefa toa foana sy zava-poana avokoa izy ireny? Mitady varavarana hidirana amina fiainana mitondra fahafaham-po ve ianao? Raha izany dia Jesosy no vaha-olana! Jesosy dia milaza fa 'Izy no varavarana. raha Izaho no hidiran'ny olona, dia hovonjena izy, ka hiditra sy hivoaka sady hahazo hanina' (Jaona 10:9).

Mandiso fanantenana anao mandrakariva ve ny olona? Marivo sy foana ve ny fifandraisanao amin'ny hafa? Toa mitady ny hanararaotra anao avokoa ve ny rehetra manodidina anao? Raha izany dia Jesosy no vaha-olana! Hoy Jesosy hoe 'Izaho no mpiandry tsara. ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry. Izaho no Mpiandry Tsara; ary fantatro ny Ahy, sady fantany Aho' (Jaona 10:11, 14).

Manotany tena ve ianao ny amin'ny mety hitranga aorian'ny fahafatesana? Reraka miaina ho an'ny zavatra lo sy simba ve ianao? Manotany tena ve ianao indraindray raha mba misy dikany ny fiainana? Te-hitohy miaina ve ianao aorian'ny fahafatesana? Raha izany dia Jesosy no vaha-olana! Hoy Jesosy hoe 'Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay' (Jaona 11:25-26).

Inona ny lalana? Inona ny fahamarinana? Inona ny fiainana? Jesosy mamaly hoe, 'Izaho no fiainana sy fahamarinana ary fiainana. Tsy misy makany amin'ny Ray raha tsy amin'ny alalako" (Jaona 14:6).

Ny hanohanana misy ao anatinao dia hanohanana ara-panahy, ary Jesosy tokana ihany no afaka mameno izany. Jesosy irery ihany no afaka manala ny aizina. Jesosy no varavarana mitondra makany amin'ny fiainana mahafa-po. Jesosy ilay namana sy mpiandry tsara notadiavinao. Jesosy no fiainana-amin'ity fiainana ity sy ny ao aoriana. Jesosy ihany no lalana ho amin'ny famonjena!

Ny antony mahanoana anao sy mahatonga anao mahatsiaro ho maizina, ny mahatonga anao mahatsiaro ho foana dia ny fisarahanao amin'Andriamanitra. Ny baiboly dia milaza fa samy nanota isika ary tafasaraka amin'Andriamanitra (Mpitoriteny 7:20; Romana 3:23). Ilay fahatsapana foana eo amin'ny fiainanao dia ilay Andriamanitra tsy ampy eo amin'ny fiainanao. Noforonina hanana fifandraisana amin'Andriamanitra isika. Noho ny fahotantsika dia tafasaraka amin'izany fifandraisana izany isika. Mbola ratsy noho izany aza ny fahotantsika dia hampisaraka antsika amin'Andriamanitra mandrakizay, amin'izao fiainana izao sy ny ao aoriana (Romana 6:23; Jaona 3:36).

Ahoana no hamahana izany olana izany? Jesosy no lalana! Noraisin'I Jesosy teo aminy ny fahotantsika (2 Korintiana 5:21). Maty nisolo antsika Jesosy (Romana 5:8), nandray ny sazy tokony ho antsika. Telo andro taty aoriana dia nitsangana tamin'ny maty Jesosy naneho ny fandreseny ny fahotana sy ny fahafatesana (Romana 6:4-5). Inona no nanaovany izany? Namaly izany fanotaniana izany Jesosy: 'Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.' (Jaona 15:13). Maty Jesosy mba ahavelona antsika. Raha mametraka ny finoantsika amin'ny Jesosy isika, mahatoky ny fahafatesany sy ny honitry ny fahotana nefainy dia ho voavela ny helontsika rehetra ary ho dioviny madio. Dia ho feno araka izany ny hanohanana ara-panahy misy eo amintsika. Ho avy ny hazavana. Hanana fiainana mitondra fahafaham-po isika. Ho fantantsika ilay tena sakaiza tsara sy ilay mpiandry tsara. Ho fantantsika fa manana fiainana isika aorian'ny fahafatesana ' fiainana mitsangana miaraka amin'I Jesosy mandrakizay!

"Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay." (Jaona 3:16).

Nandray fanampahan-kevitra hanaraka an'I Kristy noho ny zavatra novakianao tato ve ianao? Raha izany dia tsindrio ny 'Nandray an'I Jesosy aho androany' etsy ambany.

English



Miverina amin'ny pejy amin'ny teny Malagasy

Inona ny rafi-pamonjena / lalan'ny famonjena?
© Copyright Got Questions Ministries