settings icon
share icon
Fanontaniana

Rehefa voavonjy ve dia voavonjy mandrakizay?

Valiny


Mijanona ho voavonjy mandrakizay ve ny olona iray raha vao nandray famonjena? Rehefa mandray an'i Krisity ho mpamonjy azy ny olona iray dia tafiditra amin'ny fifandraisana amin'Andriamanitra izay mitondra antoka mandrakizay ho amin'ny famonjena azy. Betsaka ny andalan-tsoratra masina manambara izany fahamarinana izany.

(a) Romana 8:30, ' Ary izay notendreny no nantsoiny koa; ary izay nantsoiny no nohamarininy koa; ary izay nohamarininy no nomeny voninahitra koa. ' Manambara antsika ity teny ity fa amin'ny fotoana nifidianan'Andriamanitra antsika dia toy ny efa nomeny voninahitra eo amin'ny fanatrehany any an-danitra sahady isika. Tsy misy zavatra mety hisakana ny mpino iray tsy omem-boninahitra satria efa fikasan'Andriamanitra any an-danitra rahateo izany. Raha vantany vao nohamarinina ny olona iray dia azo antoka ny famonjena azy - efa toy ny nomem-boninahitra any an-danitra sahady izy.

(b) Fanontaniana roa lehibe no apetrak'i Paoly ao amin'ny Romana 8:33-34 ' Iza no haimpanga ny olom-boafidin'Andriamanitra? Andriamanitra no manamarina azy. Iza no manameloka? Kristy Jesosy no efa maty, eny, sady nitsangana tamin'ny maty ikoa ka mitoetra eo amin'ny tanana ankavanan'Andriamanitra ary mifona ho antsika. ' Iza no hanameloka ny olom-boafidin'Andriamanitra? Tsy misy satria Kristy no mpisolovava antsika. Iza no hiampanga antsika? Tsy misy satria Kristy ilay maty ho antsika. Samy mpanavotra antsika avokoa na ny mpisolovava sy ny mpitsara.

(c) Nateraka indray ny mpino rehefa mino (Jaona 3:3; Titosy 3:5). Raha very ny famonjen'ny Krisitana dia midika izany fa foana indray ny fahaterahany. Tsy misy filazana mihintsy ao amin'ny Baiboly hoe azo hesorina amin'ny olona ny fahateraham-baovao.

(d) Mitoetra ao amin'ny mpino rehetra ny Fanahy Masina (Jaona 14:17; Romana 8:9) ary manao batisa azy ho isan'ny vatan'i Kristy (1 Korintiana 12:13). Mila esorina eo amin'ny vatan'i Kristy izany ny mpino raha toa ka afaka ny ho very ny famonjena azy.

(e) Jaona 3:15 dia milaza fa izay rehetra mino an'i Jesosy Kristy dia ' hanana fiainana mandrakizay. ' Raha mino an'i Kristy ianao anio ary nahazo ny fiainana mandrakizay kanefa ho very indray izany rahampitso dia tsy misy maha ' mandrakizay ' ilay fiainana azonao. Raha very ny famonjena, araka izany, dia tsy mitombona ny fampanantenana fiainana mandrakizay izay hita ao amin'ny Baiboly.

(f) Ho famaranana sy ho fanamafisana izay voalaza dia ny Soratra Masina no manambara azy tsara, ' Fa mahatoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony na ny ambany, na inona na inona amin'izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'Andriamanitra izay ao amin'ny Kristy Jesosy Tompontsika. ' (Romana 8:38-39). Tsarovy fa ilay Andriamanitra namonjy anao no mitazona anao. Rehefa voavonjy isika dia voavonjy mandrakizay. Tena azo antoka tanteraka ny famonjena antsika!

English



Miverina amin'ny pejy amin'ny teny Malagasy

Rehefa voavonjy ve dia voavonjy mandrakizay?
© Copyright Got Questions Ministries