settings icon
share icon
Fanontaniana

Ara-tsoratra masina ve ny maha Andriamanitra an'i Kristy?

Valiny


Ankoatry ny fanambaran'i Jesosy mikasika ny tenany dia nanaiky ihany koa ny mpianatra fa Andriamanitra Izy. Nanambara izy ireo fa manana zo hamela heloka Jesosy'Andriamanitra tokana no hany manana zo hamela'satria Andriamanitra no voakasiky ny fahotana (Asan'ny Apostoly 5:31; Kolosiana 3:13; Salamo 130:4; Jeremia 31:34). Mifandraika amin'io fanambarana farany io ihany koa dia nambara fa Jesosy no hitsara ny velona sy ny maty (2 Timoty 4:1). ' Tompoko sy Andriamanitro, ' hoy Tomasy (Jaona 20:28). ' Andriamanitra lehibe sady mpamonjy antsika ' hoy kosa Paoly momba an'i Jesosy (Titosy 2:13) izay manambara ihany koa fa talohan'ny nahatongavany tety an-tany dia efa nisy Izy ary nitovy tamin'Andriamanitra (Filipiana 2:5-8). Andriamanitra Ray rehefa miteny ny momban'i Jesosy dia manambara hoe: ' Ny seza fiandriananao, Andriamanitra ', dia mandrakizay doria ' (Hebreo 1:8). Hoy Jaona, ' Tamin' ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny [Jesosy] dia Andriamanitra. ' (Jaona 1:1). Maro ny Soratra Masina mampianatra ny maha Andriamanitra an'i Kristy (jereo ao amin'ny Apokalypsy 1:17, 2:8, 22:13; 1 Korintiana 10:4; 1 Petera 2:6-8; Salamo 18:2, 95:1; 1 Petera 5:4; Hebreo 13:20), kanefa na ny iray amin'ireo aza dia ampy hanehoana fa nanaiky ny maha Andriamanitra an'i Kristy ireo mpanara-dia azy.

Nosalorana ny anarana manokana YHWH (anarana ofisialin'Andriamanitra ao amin'ny Testamenta Taloha) ihany koa Jesosy. Ny anarana ' mpamonjy ' tany amin'ny Testamenta Taloha (Salamo 130:7; Hosea 13:14) dia nomena an'i Jesosy ihany koa ao amin'ny Testamenta Vaovao (Titosy 2:13; Apokalypsy 5:9). Ao amin'ny Matio 1 dia natsoina hoe Imanoela'' amintsika Andriamanitra ''i Jesosy. I YHWH no miteny ao amin'ny Zakaria 12:10, manao hoe, ' ka hijery Ahy Izay nolefoniny izy. ' Kanefa ny fanomboana an'i Jesosy no lazain'izany ao amin'ny Testamenta Vaovao (Jaona 19:37; Apokalypsy 1:7). Raha i YHWH no nolefonina sy nojerena, ary i Jesosy no nolefonina sy nojerena dia mazava fa YHWH i Jesosy. Ny fampianaran'i Paoly dia mampifandray ny Isaia 45:22-23 sy ny Filipiana 2:10-11 ao amin'i Jesosy. Fanampin'izany dia ampiasaina miaraka amin'ny fivavahana amin'Andrimanitra ny anaran'i Jesosy, ' ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin' Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo ' (Galatiana 1:3; Efesiana 1:2). Fitenenan-dratsy ny fanaovana izany raha tsy Andriamaintra i Krisity. Miaraka amin'ny anaran'Andriamanitra ny anaran'i Kristy ao amin'ny didy hanao batisa amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina' (Matio 28:19; jereo ihany koa 2 Korintiana 13:14).

Notolorana asa izay tsy misy mahavita afa tsy Andriamanitra tokana ihany koa i Jesosy. Tsy vitan'ny hoe nanangana tamin'ny maty (Jaona 5:21, 11:38-44) sy namela heloka Jesosy (Asa 5:31, 13:38), fa namorona sy nitazona izao tontolo izao ihany koa (Jaona 1:2; Kolosiana 1:16-17). Manamafy izany rehetra izany ny fanambaran'i YHWH fa izy irery no namorona izao tontolo izao (Isaia 44:24). Fanampin'izany rehetra izany dia nanana toetra izay tsy ananan'iza na n'iza afa tsy Andriamanitra irery ihany Jesosy, toy ny faharetana mandrakizay (Jaona 8:58), ny fahafahana miseho amin'ny toerana roa samy hafa (Matio 18:20, 28:20), ny fahalalana ny zavatra rehetra (Matio 16:21), ary ny fananana ny hery rehetra (Jaona 11:38-44).

Ny rehetra dia afaka mitonon-tena ho Andriamanitra ary mamitaka ny manodidina azy, kanefa tsy ny rehetra no afaka maneho izany amin'ny alalan'ny fiainany. Nampiseho fahagagana maro ho profo ny maha Andriamanitra azy Kristy. Anisan'izany fahagagana nataon'i Jesosy izany ny fanov'na ny rano ho divay (Jaona 2:7), fandehanana ambonin'ny rano (Matio 14:25), fampitomboina zavatra (Jaona 6:11), fampahiratana ny jamba (Jaona 9:7), fanasitranana ny malemy (Marka 2:3), sy ny marary (Matio 9:35; Marka 1:40-42), eny hatramin'ny fananganana ny maty (Jaona 11:43-44; Lioka 7:11-15; Marka 5:35). Farany, i Kristy ihany koa dia nitsangana tamin'ny maty. Tsy mitovy velively amin'ny andriamanitry ny mpanompo sampy izay lazainy fa maty ary nitsangana tamin'ny maty velively izany. Tsy misy antokom-pivavahana sahy manambara fitsanganana tamin'ny maty ka manana porofo ara-panahy mazava toy izany.

Misy fahamarinana ara-tantara roa ambin'ny folo momban'i Jesosy, farafahakeliny, izay eken'ny mpandinika rehetra, eny fa na dia ireo izay tsy Krisitiana aza:

1. Maty nohombona tamin'ny hazo fijaliana Jesosy.
2. Nalevina Izy.
3. Nitondra alahelo sy fahakiviana tamin'ny mpianany ny fahafatesany.
4. Hita fa foana ny fasan'i Jesosy andro vitsivitsy taty aoriana.
5. Nahita ary nifangaro tamin'ny Jesosy ny mpianany taorian'ny fitsanganany tamin'ny maty.
6. Taorian'izany dia niova tanteraka ny mpianatra ka lasa mpino tena sahy raha olona feno fanahiana teo aloha.
7. Ity hafatra ity no fototry ny fampianarana tamin'ny fiangonana voalohany.
8. Notoriana tao Jerosalema ity fampianarana ity.
9. Vokatr'ity fampianarana ity dia teraka ary nitombo ny fiangonana.
10. Niova ho Alahady, andro nitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty, ny andro fanompoana izay Sabata (Sabotsy) teo aloha.
11. Jakoba ilay tsy nino dia niova fo ihany koa rehefa nahita ny fitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty.
12. I Paoly, ilay mpanenjika Kristiana dia niova fo taorian'ny fahitany an'i Jesosy izay maty ka velona indray.

Na dia misy sahy hanohitra aza ireo voalaza tetsy ambony ireo, dia zavatra tsotra ihany no ilaina hanamarinana ny fitsanganana tamin'ny maty ary hanaporofoina ny filazan-tsara: ny fahafatesan'i Jesosy, ny fitsanganany tamin'ny maty, ary ny fisehoany (1 Korintiana 15:1-5). Na dia misy fanazavana teorika azo omena aza ny sasany amin'ireo volaza etsy ambony ireo dia ampy hanazavana sy hanamarinana ny zavatra rehetra ny fitsanganany tamin'ny maty. Ny mpitsikera dia manaiky fa ny mpianatra dia nilaza ho nahita an'i Jesosy taorian'ny nitsanganany tamin'ny maty. Ny lainga sy fahitana manjavozavo dia samy tsy afaka manova olona toy ny nataon'ny fitsanganan'i Kristy tamin'ny teo amin'ny fiainan'ireo olona ireo. Inona moa, voalohany indrindra, no tombontsoan'izy ireo raha mandainga izy? Tsy fivavahana nalaza ny fivavahana Kristiana ka ho azony natao fitadiavam-bola. Manaraka izay, ny mpandainga tsy manolotra ny ainy ho amin'ny laingany. Tsy misy fanazavana mari-pototra ny fitsanganana tamin'ny maty noho ny fahavononan'ny mpianatra ho faty amin'ny fomba mahatsiravina noho ny finoany. Marina fa betsaka ny olona mahafoy aina ho amin'ny lainga izay heveriny ho fahamarinana, fa tsy misy olona hanaiky ho faty ho an'ny zavatra izay fantany fa tsy marina.

Ho famaranana, i Kristy dia nilaza tena ho YHWH, Andriamanitra velona (ilay Andriamanitra tokana sy marina); ny mpanaraka azy (izay Jiosy matahotra fatratra ny fanompoan-tsampy) dia nino ary nanaiky azy ho Andriamanitra. Nasehon'i Kristy tamin'ny alalan'ny fahagagana ny maha Andriamanitra azy, ary anisan'izany ny fitsanganany tamin'ny maty izay nanova ny fiainan'izao tontolo izao. Tsy misy zavatra hafa azo hanazavana izany fahamarinana izany. Eny, ara-tsoratra masina ny maha Andriamanitra an'i Kristy.

English



Miverina amin'ny pejy amin'ny teny Malagasy

Ara-tsoratra masina ve ny maha Andriamanitra an'i Kristy?
© Copyright Got Questions Ministries