settings icon
share icon
Fanontaniana

Inona no atao hoe miteny amin'ny fiteny tsy fantatra?

Valiny


Tamin'ny andron'ny Pantekosta no nisehoan'ny fitenenana amin'ny fiteny tsy fantatra voalohany teo amin'ny bokin'ny Asan'ny Apostoly 2:1-4. Nitory ny filazan-tsara tamin'ny olona tamin'ny tenin'izy ireo ny apostoly: ' Koa ahoana no handrenesantsika ireo miteny amin'ny fitenintsika avy ny asa lehibe ataon'Andriamanitra? ' (Acts 2:11). ' Tenim-pirenena ' no hilazan'ny teny Grika izany. Noho izany ny fanomezam-pahasoavana miteny amin'ny fiteny tsy fantatra dia nomena ny olona mba ahafahany mitory amin'ny olona hafa amin'ny teny izay azony. Miresaka fanomezam-pahasoavana isan-karazany Paoly ao amin'ny 1 Korintiana toko faha 12'14 ary manambara hoe, ' Nefa, ry rahalahy, raha mankeo aminareo aho ka miteny amin'ny fiteny tsy fantatra, inona moa no soa ho vitako aminareo amin'izany, raha tsy fanambarana, na fahalalana, na faminaniana, na fampianarana, no hitenenako aminareo? ' (1 Korintiana 14:6). Araka ny filazan'i Paoly, ary ihany koa araka izay hita ao amin'ny Asan'ny Apostoly, dia natao ho an'ny olona mandray ny hafatra avy amin'Andriamanitra amin'ny teniny ny fitenenana amin'ny teny tsy fantatra fa kosa tsy mitondra soa na ho an'iza na ho an'iza raha tsy misy mandika.

Ny olona manana fanomezam-pahasoavana handika (1 Korintiana 12:30) dia afaka mahafantatra izay lazain'ilay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra na dia tsy fantany aza ilay teny notenenina. Afaka manambara ny hafatr'ilay niteny tamin'ny fiteny tsy fantatra ho an'ny rehetra ilay mpandika mba handraisan'ny rehetra izany. ' koa aoka izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra hangataka mba hahay mandika teny koa. ' (1 Korintiana 14:13). Mahery vaika ny fomba namaranan'i Paoly ny resaka momba ny fitenenana amin'ny fiteny tsy fantatra: ' Nefa raha ao am-piangonana, dia aleoko manao teny dimy fantatry ny saiko mba hampianarako ny sasany koa, toy izay hanao teny iray alina amin'ny fiteny tsy fantatra. ' (1 Korintiana 14:19).

Natao ho antsika ankehitriny ve ny fitenenana amin'ny fiteny tsy fantatra? Ny Korintiana voalohany 13:8 dia milaza fa hitsahatra ny fitenenana amin'ny fiteny tsy fantatra ary tohizany amin'ny filazana fa ho avy ny ' tanteraka ' ao 1 Korintiana 13:10. Misy ireo izay manao fanamarihana mikasika ny fahasamihafan'ny fotoana ao amin'ny teny Grika izay milaza fa ' hitsahatra ' ny faminaniana sy ny fahalalana ary ny fitenenana amin'ny teny tsy fantatra kosa dia ' efa nitsahatra '; ho porofon'ny fitsaharan'ny teny tsy fantatra alohan'ny fahatongavan'ny ' tanteraka.' Na dia mety hitombona aza izany dia tsy volaza mazava ao amin'ity andalana ity. Misy ihany koa ny mampiasa ny teny voasoratra ao amin'ny Isaia 28:11 sy Joela 2:28-29 hanaporofoina fa ny fitenenana amin'ny fiteny tsy fantatra dia mariky ny fahatongavan'ny fitsaran'Andriamanitra. Ny Korintiana voalohany 14:22 dia mamaritra ny teny tsy fantatra ho ' marika ho an'ny tsy mino.' Raha izay foto-kevitra izay no jerena dia fampitandreman'Andriamanitra ny amin'ny fitsarana ny Jiosy noho ny nandavany an'i Jesosy Kristy ilay Mesia ny fanomezam-pahasoavan'ny fitenenana amin'ny fiteny tsy fantatra. Noho izany, rehefa nitsara ny Israely Andriamanitra (tamin'ny nandravan'ny Romana an'i Jerosalema tamin'ny 70 AD) dia tsy nilaina intsony ny fitenenana amin'ny fiteny tsy fantatra. Na dia azo heverina aza izany fijery izany ary ekena fa vita ny nilana azy tany ampiandohana dia tsy manery ny fitsaharany velively izany. Tsy milaza mazava ny Soratra Masina fa efa nitsahatra ny fitenenana amin'ny fiteny tsy fantatra.

Fanampin'izany raha ampiasaina any am-piangonana ny fiteny amin'ny fiteny tsy fantatra ankehitriny ka atao araka ny torolalana omen'ny Soratra Masina dia ho teny mazava sy azon'ny rehetra izany (1 Korintiana 14:10). Ny tanjona dia ny hitoriana ny tenin'Andriamanitra amin'ny tenim-pirenena hafa (Asa 2:6-12). Atao mifanaraka amin'ny torolalana nomen'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny apostoly Paoly, ' Raha misy miteny amin'ny fiteny tsy fantatra, dia avelao ho roa na telo, fa aza atao mihoatra noho izay, ka ampifanarakarahina; ary avelao hisy iray mandika teny. Fa raha tsy misy mpandika teny, dia aoka izy hangiana eo amin'ny fiangonana; fa aoka hiteny amin'ny tenany sy amin'Andriamanitra ihany izy. ' (1 Korintiana 14:27-28). Hatao mifanaraka amin'ny 1 Korintiana 14:33 ihany koa izany, ' Fa Andriamanitra tsy tompon'ny fikotranana, fa tompon'ny fiadanana. Araka ny fanaon'ny fiangonan'ny olona masina rehetra. '

Tena azon'Andriamanitra atao mihintsy ny manome ny fanomezam-pahasoavana hiteny amin'ny fiteny tsy fantatra ahafahany mifandray amin'ny olona miteny tenim-pirenena hafa. Tompon'ny teny farany ny Fanahy Masina amin'ny fizarana ny fanomezam-pahasoavana (1 Korintiana 12:11). Akory ny fahombiazan'ny misionera raha tsy mila mianatra tenim-pirenena hafa izy fa avy hatrany dia afaka mifandray amin'ny olona amin'ny teniny. Na izany aza anefa dia toa tsy manao izany Andriamanitra. Toa tsy mitranga tahaka ny tamin'ny andron'ny Testamenta Taloha ny fitenana amin'ny fiteny tsy fantatra ankehitriny na dia tena ilaina sy manampy aza izany. Ny ankamaroan'ny mpino mitonon-tena ho miteny amin'ny fiteny tsy fantatra dia tsy manaraka ny toro-lalan'ny Soratra Masina voalaza etsy ambony. Ny zava-misy dia ahafahana manambara fa nitsahatra ny fitenenana amin'ny fiteny tsy fantatra. Azo atao ihany koa ny milaza fa mahalana ny hanomezan'Andriamanitra izany fanomezam-pahasoavana izany eo amin'ny fiangonana ankehitriny.

English



Miverina amin'ny pejy amin'ny teny Malagasy

Inona no atao hoe miteny amin'ny fiteny tsy fantatra?
© Copyright Got Questions Ministries