settings icon
share icon
Fanontaniana

Fahotana ve ny manao masturbation araka izay ambaran'ny Baiboly?

Valiny


Tsy misy fanambarana mazava momba ny masturbation ao amin'ny Baiboly ary tsy mametraka ny maha fahotana izany na tsia. Ny Soratra Masina ampiasain'ny maro mikasika ny masturbation matetika dia ny tantaran'i Onan izay hita ao amin'ny Genesisy 38:9-10. Ny fandraisan'ny sasany ity andalan-tsoratra masina ity dia hoe, fahotana ny ' mandraraka ny ranonaina ' amin'ny tany. Tsy izay velively anefa no tena tian'ity andalana ity lazaina. Ny nanamelohan'Andriamanitra an'i Onan dia ny tsy nanekeny hanome taranaka ho an'ny rahalahiny fa tsy ny ' nandrarahany ny ranonainy tamin'ny tany ' velively. Ny fanatanterahana ny adidy amin'ny fianakaviana no fotrotr'ity fampianarana ity fa tsy masturbation. Ny Soratra Masina hafa ampiasaina ho amin'ny masturabation ihany koa dia izay hita ao amin'ny Matio 5:27-30. Mampianatra ny maha ratsy ny fisainan-dratsy Jesosy raha niteny hoe, ' Ary raha ny tananao ankavanana no manafintohina anao, dia tapaho izy, ka ario ho afaka aminao. ' Na dia azo raisina ho mifandraika amin'ny masturbation aza ity andalana ity dia azo heverina tsara fa tsy izay no zavatra tian'i Jesosy noresahana.

Na dia tsy misy fitenenana mazava aza ao amin'ny Baiboly ny maha fahotana ny fanaovana masturbation, dia tsy azo lavina fa ny zavatra nahatonga ny olona hanao masturbation dia fahotana. Saika avy amin'ny fisainana maloto sy mifandraika amin'ny fil'na ara-nofo ary sary pornografika matetika no mitarika ny olona hanao masturbation. Ireo olana fototra ireo no mila jerena. Raha resy ny filan-drasy, ny fisainana maloto ary ny pornografia dia ho foana ho azy ny olan'ny masturbation. Betsaka ny olona no manamelo-tena amin'ny fanaovana masturbation kanefa ny marina dia ilay zavatra nitondra azy ho amin'ny fanaovana izany no tena tokony hibebahana.

Misy tari-dalana mifanaraka amin'ny Soratra Masina izay azo ampiharina manoloana ny olan'ny masturbation. Toy izao ny ambaran'ny Efesiana 5:3, ' Fa ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fieremana, dia aza avela ho tononina eo aminareo akory aza. ' Tsy tafiditra eo amin'ny fiainana ny masturbation raha io teny io no ampiasaina ho sivana. Ny Tenin'Andriamanitra dia mampianatra antsika fa, ' na mihinana na misotro hianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr'Andriamanitra izany rehetra izany. ' (1 Korintiana 10:31). Rehefa tsy manome voninahiatra an'Andriamanitra dia tsy tokony hatao. Rehefa tsy tena resy lahatra ny olona iray fa mitondra fifaliana ho an'Andriamanitra ny zavatra iray dia fahotana izany: ' fa ota izay rehetra tsy avy amin'ny finoana. ' (Romana 14:23). Manaraka izany dia mila mahatsiaro mandrakariva isika fa efa novonjen'Andriamanitra ny vatantsika ary efa lasa fananan'Andriamanitra. ' Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin'ny Fanahy Masina, izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin'Andriamanitra? Ka tsy tompon'ny tenanareo hianareo. Fa olom-boavidy hianareo. Koa mankalaz' an'Andriamanitra amin'ny tenanareo. ' (1 Korintiana 6:19-20). Ity fahamarinana lehibe ity dia tokony hametra izay zavatra ataontsika amin'ny vatantsika. Raha ireo zavatra voalaza ireo no jerena dia azo lazaina fa fahotana ny fanaovana masturbation. Tsy misy ady hevitra fa tsy manome voninahitra an'Andriamanitra ny fanaovana masturbation; tsy mitondra any amin'ny fisainana madio ary tsy mampiseho fa efa an'Andriamanitra ny vatantsika.

English



Miverina amin'ny pejy amin'ny teny Malagasy

Fahotana ve ny manao masturbation araka izay ambaran'ny Baiboly?
© Copyright Got Questions Ministries