settings icon
share icon
Fanontaniana

Ahoana no hamerenako ny fifandraisako amin'Andriamanitra?

Valiny


Alohan'ny "hamerenana ny fifandraisana" amin'Andriamanitra dia mila fantarina izay "nandrava ilay fifandraisana". Ny valiny dia fahotana. "Samy efa nivily izy rehetra ka tonga vetaveta avokoa; tsy misy manao ny tsara, na dia iray akory aza" (Salamo 14:3) Nanohitra ny didin'Andriamanitra isika; "Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry" (Isaia 53:6).

Ny vaovao ratsy dia fahafatesana no tambin'ny ota. "Ny fanahy izay manota no ho faty" (Ezekiela 18:4). Ny vaovao mahafaly dia mitady ary te-hanome famonjena antsika ilay Andriamanitra fitiavana. Nanambara Jesosy fa ny antondiany dia, "hitady sy hamonjy ny very" (Lioka 19:10), ary nambarany fa vitany ny antondiany teo amin'ny fahafatesany teo amin'ny hazo fijaliana tamin'ny fitenenany hoe "vita!" (Jaona 19:30).

Ny famerenana ny fifandraisana amin'Andriamanitra dia manomboka amin'ny fanekena fa mpanota ianao. Manaraka izany dia manaiky izany fahotany izany amin'ny fanetren-tena eo anatrehan'Andriamanitra (Isaia 57:15) sady mivonona ny hiala amin'izany. "Fa amin' ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin' ny vava no anekena hahazoana famonjena" (Romana 10:10).

Izany fibebahana izany dia tsy maintsy arahina finoana - finoana mazava fa ny nanoloran'i Jesosy ny ainy sy ny nitsanganany tamin'ny maty tamin'ny fomba mahagaga dia mahatonga Azy ho mendrika ny ho mpamonjy anao. "satria raha manaiky an' i Jesosy ho Tompo amin' ny vavanao hianao ary mino amin' ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin' ny maty, dia hovonjena hianao" (Romana 10:9). Betsaka ny Soratra Masina milaza ny maha zava-dehibe ny finoana toy ny Jaona 20:27; Asan'ny Apostoly 16:31; Galatiana 2:16; 3:11, 26 ary Efesiana 2:8.

Ny fanekenao ny zavatra nataon'Andriamanitra anao no antoka hiverenan'ny fifandraisanao Aminy. Nalefany ny mpamonjy, natolony ny fanatitra hanesorana ny fahotanao (Jaona 1:29), ary nomeny anao ny fampanantenana: "Ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran' i Jehovah dia hovonjena" (Asan'ny Apostoly 2:21).

Fanehoana ny akanton'ny fibebahana sy famindram-po ny fanoharana momba ilay zanaka adala (Lioka 15:11-32). Nolanian'ilay zandriny tamin'ny fahotana sy adalana ny fanomezan'ny rainy (and 13). Rehefa nekeny ny tsy nety nataony dia nanapan-kevitra izy hiverina amin'ny rainy (and 18). Nekeny ny tsy ho raisina tahaka ny zanaka intsony (and 19), kanefa diso izy. Tsy niova fa nihalalina ny fitiavan'ilay ray ilay zanaka maditra tonga saina (and 20). Voavela ny zavatra rehetra dia nanomboka ny fankalazana (and 24). Tsara Andriamanitra ary tanany ny fampanantenany, eny fa na dia ny fampanantenana hamela heloka aza. "Akaikin' izay manana fo mangorakoraka Jehovah Ary mamonjy izay torotoro fanahy" (Salamo 34:18).

Raha te-hamerina ny fifandraisana amin'Andriamanitra ianao dia misy vavaka azonao ato ity. Tsarovy fa ny fanaovana ity vavaka ity na vavaka hafa ihany koa dia tsy hamonjy anao. Ny fahatokiana an'i Kristy irery ihany no hany mamonjy anao amin'ny fahotanao. Ity vavaka ity dia fomba tsotra anehoanao amin'Andriamanitra ny finoanao Azy sy hisaoranao Azy ny amin'ny nanomezany anao famonjena. "Andriamanitra o, fantantro fa nanota teo anatrehanao aho ary mendrika ny ho voaheloka. Kanefa nentin'i Jesosy ny fanamelohana tokony ho ahy ary amin'ny alalan'ny finoako Azy dia afaka mandray famelan-keloka aho. Mametraka ny fahatokiako eo Aminao ho famonjena ahy aho. Misaotra ny amin'ny fahasoavana sy famindram-po lehibe - ny fanomezana fiainana mandrakizay! Amena!"

Nandray fanampahan-kevitra hanaraka an'I Kristy noho ny zavatra novakianao tato ve ianao? Raha izany dia tsindrio ny 'Nandray an'I Jesosy aho androany' etsy ambany.

English



Miverina amin'ny pejy amin'ny teny Malagasy

Ahoana no hamerenako ny fifandraisako amin'Andriamanitra?
© Copyright Got Questions Ministries