settings icon
share icon
Fanontaniana

Ahoana no hamantarako ny sitrapon'Andriamanitra eo amin'ny fiainako? Inona no hambaran'ny Baiboly momba ny famantarana ny sitrapon'Andriamanitra?

Valiny


Zava-dehibe ny mamantatra ny sitrapon'Andriamanitra. Izay mahalala sy manao ny sitrapon'ny Raiko, hoy Jesosy, no tena reniko sy rahalahiko ary anabaviko: ' Fa na iza na iza no manao ny sitrapon'Andriamanitra, dia izy no rahalihiko sy anabaviko ary reniko. ' (Marka 3:35). Tamin'ny alalan'ny fanoharana ny amin'ny zanaka roa no nananaran'i Jesosy ny lohan'ny mpisorona sy ny mpitarika noho ny tsy fanaovan'izy ireo ny sitrapon'ny Ray; Tsy ' nibebaka sy nino ' izy ireo (Matio 21:32). Ny fototry ny sitrapon'Andriamanitra dia ny fibebahana sy ny fatokiana an'i Kristy. Raha tsy mbola nandray izay dingana voalohana izay isika dia ho tsy mbola nanaiky ny sitrapon'ny Ray.

Raha vantany vao mandray an'i Kristy amin'ny finoana isika dia tonga zanak'Andiramanitra (Jaona 1:12), ary faniriany ny hitondra antsika amin'ny lalany (Salamo 143:10). Mitady ny fomba hanehoany ny sitrapony amintsika Andriamanitra fa tsy manafina izany velively. Raha ny marina aza dia betsaka ny toro-lalana efa nomeny antsika ao amin'ny teniny. Mila ' misaotra amin'ny zavatra rehetra isika fa izany no sitrapon'ny Ray ao amin'ny Kristy Jesosy ' (1 Tesaloniana 5:18). Mila manao asa soa isika (1 Petera 2:15). Ary ' izao no sitrapon'Andriamanitra, dia ny hanamasinana anareo, hifadianareo ny fijangajangana ' (1 Tesaloniana 4:3).

Azo fantarina ary azo porofoina ny sitrapon'Andriamanitra. Hoy ny Romana 12:2 says, ' Ary aza manaraka ny fanaon'izao tontolo izao fa miov' amin'ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon'Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina. ' Manom' antsika drafitra mazava tsara ity andalana ity: tsy manaiky hanaraka ny fanaon'izao tontolo izao ny zanak'Andriamanitra fa kosa miova amin'ny fanavaozana ny saina. Rehefa miova mifanaraka amin'ny fijerin'Andiramanitra ny sainy dia azo atao ny mamantatra ny sitrapon'Andriamanitra izay tsara.

Rehefa mitady ny sitrapon'Andriamanitra isika dia mila mahazo antoka fa tsy zavatra mifanohitra amin'izay voasoratra amin'ny Baiboly no katsahitsika. Rar'n'Andriamanitra ny mangalatra, ohatra; koa satria efa nambarany mazava tsara izany dia fantantsika fa tsy sitrapony ho antsika ny ho lasa mpamaky trano'ary tsy ilaina akory ny mivavaka ny momba izany. Mila mahazo antoka koa isika fa zavatra manome voninahitra an'Andriamanitra sy manampy ny hafa hitombo ara-panahy ny zavatra katsahintsika.

Sarotra ny mamantatra ny sitrapon'Andriamanitra indraindray satria mitaky faharetana izany. Amin'ny maha olombelona antsika dia te hamantatra ny sitrapon'Andriamanitra rehetra eo amin'ny fiainantsika isika kanefa tsy toy izay ny fiasan'Andriamanitra. Dingana iray isaky ny mandeha no hasehony antsika mba hatokisantsika azy hatrany'hitomboantsika amin'ny finoana isaky ny dingana raisina. Zava-dehibe ny hoe mitohy manao ny tsara izay fantatsika fa tokony hataontsika isika mandritra ny fotoana hiandrasana ny tari-dalana fanampiny avy amin'Andriamanitra (Jakoba 4:17).

Mitaky an'Andriamanitra isika hanambara amintsika mivantana momba ny asa tokony ho ataontsika; tan'na hipetrahana; izay olona tokony ho vadiana; karazana fiara ho vidiana, sns. Manome safidy antsika Andriamanitra ary raha manaiky Azy isika dia manana fomba hanampiana antsika tsy handray fanampahan-kevitra diso Izy (jereo ny Asa 16:6-7).

Arakakaraky ny hamantaratsika olona iray no hitomboan'ny fahalalantsika ny zavatra mahafinaritra azy. Raha lasa eny amin'ny arabe ny baolin'ny zaza iray, ohatra, dia tsy mihazakazaka maka izany avy hatrany izy satria fantany fa tsy sitraky ny rainy ny handehanany eny ampovoan-dalana mety hampidi-doza. Tsy voatery manotany ny rainy isaky ny trangan-javatra misy ilay zaza; fantany izay mety ho lazain'ny rainy satria fantany ny rainy. Dia toy izany ihany koa ny fifandraisantsika amin'Andriamanitra. Arakaraky ny hiarahantsika amin'ny Tompo sy hankatoavantsika ny teniny ary hiankinantsika amin'ny Fanahiny dia mitombo ihany koa ny fananantsika ny sain'i Kristy (1 Korintiana 2:16). Mahafantatra azy isika ary mahatonga antsika hamantatra ny sitrapony ihany koa izany. Ho hitantsika fa misokatra ho antsika ny tari-dalan'Andriamanitra. ' Ny fahamarinan'ny marina mandamina ny alehany; Fa ny ratsy fanahy lavon'ny haratsiany ihany. ' (Ohabolan 11:5).

Raha miara-mamindra amin'ny Tompo isika ary tena maniry ny hamantatra ny sitrapony eo amin'ny fiainantsika dia hapetrany ao am-pontsika ny faniriany. Ny faniriana hamantatra ny sitrapon'Andriamanitra fa tsy ny sitrapontsika no fomba tsotra indrindra. ' Ary miravoravoa amin'i Jehovah hianao, dia homeny anao izay irin'ny fonao. ' (Salamo 37:4).

English



Miverina amin'ny pejy amin'ny teny Malagasy

Ahoana no hamantarako ny sitrapon'Andriamanitra eo amin'ny fiainako? Inona no hambaran'ny Baiboly momba ny famantarana ny sitrapon'Andriamanitra?
© Copyright Got Questions Ministries