settings icon
share icon
Fanontaniana

Iza moa ny Fanahy Masina?

Valiny


Betsaka ny hadisoan-kevitra mikasika ny momba ny Fanahy Masina. Misy mahita ny Fanahy Masina toy ny hery miafina. Misy koa ny mahita ny Fanahy Masina toy ny hery tsotra omen'Andriamanitra ny mpanara-dia an'i Kristy. Inona no ambaran'ny Baiboly mikasika ny Fanahy Masina? Raha tsorina dia ambaran'ny Baiboly ho Andriamanitra ny Fanahy Masina. Ny Baiboly ihany koa dia milaza amintsika fa manana saina sy fihetseham-po ary sitra-po ny Fanahy Masina.

Ny maha Andriamanitra ny Fanahy Masina dia hita amin'ny andalan-tsoratra masina maro, ary anisan'izany izay hita ao amin'ny Asan'ny Apostoly 5:3-4. Nanadihady an'i Ananiasy amin'ny antony nandaingany tamin'ny Fanahy Masina Petera amin'ity andalana ity raha niteny taminy fa ' tsy nandainga tamin'olona izy fa tamin'Andriamanitra. ' Mazava be ny fanambarana fa ny fandaingana amin'ny Fanahy Masina dia fandaingana amin'Andriamanitra. Azontsika fantarina ihany koa ny maha Andriamanitra ny Fanahy Masina noho izy manana ny toetra izay natokana ho an'Andriamanitra irery ihany. Ohatra amin'izany ny fahafahany miseho amin'ny toerana rehetra araka izay hita ao amin'ny Salamo 139:7-8, ' Aiza no hialako amin' ny Fanahinao? Aiza no handosirako tsy ho eo anatrehanao? Na dia miakatra any an-danitra aza aho dia any Hianao; Ary na dia manao ny fiainan-tsi-hita ho fandriako aza aho, indro, any Hianao. ' Ao amin'ny 1 Korintiana 2:10-11 indray kosa dia hitantsika ny fahalalany ny zavatra rehetra. ' dia isika no nanambaran' Andriamanitra izany tamin' ny Fanahy; fa ny Fanahy mamantatra ny zavatra rehetra, na dia ny saina lalina izay an' Andriamanitra aza. Fa iza no olona mahalala ny ao am-pon' olona, afa-tsy ny fanahin' ny olona izay ao anatiny ihany? Ary toy izany koa, tsy misy mahalala ny ao am-pon' Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin' Andriamanitra ihany. '

Azontsika fantarina fa Andriamanitra ny Fanahy Masina satria manana saina, fihetseham-po ary sitra-po Izy. Misaina ary mahafantatra ny Fanahy Masina (1 Korintiana 2:10). Mety malahelo ny Fanahy Masina (Efesiana 4:30). Mivavaka ho antsika ny Fanahy (Romana 8:26-27). Mandray fanampahan-kevitra araka ny sitrapony Izy (1 Korintiana 12:7-11). Andriamanitra ny Fanahy Masina ary ilay singa fahatelo ao amin'ny Telo Izay Iray. Amin'ny maha Andriamanitra Azy dia afaka manao ny asa maha mampahery sy mpanolo-tsaina azy Izy araka izay efa nampanantenain'i Jesosy rahateo (Jaona 14:16, 26, 15:26).

English



Miverina amin'ny pejy amin'ny teny Malagasy

Iza moa ny Fanahy Masina?
© Copyright Got Questions Ministries