settings icon
share icon
Fanontaniana

Inona no antony tsy hamonoana tena?

Valiny


Malahelo ireo rehetra nieritreritra ny hamono tena izahay. Raha isan'izany ianao dia mety ho betsaka ny fihetseham-po mandalo ao anatinao amin'izao fotoana izao toy ny fahaverezan-kevitra sy ny fahakiviana. Mety ho mahatsiaro tena ho any anaty lavaka lalina ianao ary tsy mahita fanantenana ho amin'ny ho avy. Mahatsiaro ho tsy misy miraharaha na mahafantatra ny zavatra lalovanao. Tsy misy dikany ny fiainana... kanefa marina ve izany?

Raha omenao fahafahana Andriamanitra ho Andriamanitra eo amin'ny fiainanao dia hasehony anao ny halebiazany, ' fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon'Andriamanitra. ' (Lioka 1:37). Mety ho ratra tamin'ny lasa no mahatonga fahatsapana ho ankila-bao na irery. Izany fahatsapana izany no mitondra alahelon-tena, fahatezerana, fangidiana, faniriana hamalifaty, na tahotra tsy mitondra soa izay mety mitondra olana teo amin'ny lafim-pifandraisana hafa.

Inona no antony tsy hamonoana tena? Ry namako, na dia lalina aza ny hamafin'ny zavatra mitranga eo amin'ny fiainanao dia misy Andriamanitra fitiavana izay miandry anao hamela azy hitarika anao ao anatin'ny fahakiviana izay lalovanao, ary hitondra anao ho amin'ilay lalan'ny fahazavany. Izy no fanantenana azo antoka indrindra eo amin'ny fiainanao. Jesosy no anarany.

Ilay Jesosy tsy nanan'ota dia afaka mahazo tsara ny zavatra lalovanao ao anatin'ny fanilihana sy fanambaniana mahazo anao. Milaza momba Azy ny mpaminany Isaia ao amin'ny Isaia 53:2-6, ka niteny fa ' natao tsinotsinona sy nolavin'ny olona ' rehetra Izy. Feno fahorina sy fijaliana ny fiainany. Kanefa ny fahoriana nentiny dia tsy ny Azy fa ny antsika. Nombohona, noratraina ary nopotehina noho ny fahotantsika Izy. Vokatry ny fahoriany dia afaka ho vonjena sy hiverina amin'ny laoniny ny fiainantsika.

Niafy izany rehetra izany Kristy, ry namako, mba hamel'na ny fahotanao rehetra. Na mavesatra aza ny lanjan'ny fanamelohana entinao dia havelany izany raha manaiky Azy ho Mpamonjy ianao. '...Antsoy Aho amin'ny andro fahoriana, dia hamonjy anao Aho'' (Salamo 50:15). Afaka mamela anao foana Jesosy na ratsy toa inona aza ny zavatra vitanao. Ny olona nampiasainy matetika dia nahavita fahotana goavana toy ny famonoan'olona (Mosesy), vono olona sy fijangajangana (Davida mpanjaka), ary fampahoriana ara-batana sy ara-pihetseham-po (ny apositaoly Paoly). Na teo aza anefa izany dia nahita famindram-po sy fiainana be dia be tao amin'ny Tompo izy ireo. ' Koa raha misy olona ao amin'i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo! ' (2 Korintiana 5:17).

Inona no antony tsy hamonoana tena? Efa vonona hanamboatra izay ' simba ' Andriamanitra, ary isan'izany ny fiainanao, ilay fiainana tianao ho faranana amin'ny famonoan-tena. Izao no nosoratan'ny mpaminany ao amin'i Isaia 61:1-3 ' Satria JEHOVAH nanositra Ahy hitory teny soa mahafaly amin'ny mpandefitra, efa naniraka Ahy hanasitrana ny torotoro fo Izy, ary hitory fahafahana amin'ny babo sy hamoaka ny ao an-trano-maizina ho amin'ny mazava. Hitory taona fankasitran'i Jehovah...hampionona ny malahelo rehetra...eny hanome azy namana ho solon'ny lavenona, sy diloilon'ny fifaliana ho solon'ny fahalahelovana, ary fitafiana fiderana ho solon'ny fanahy reradreraka. '

Manatona an'i Jesosy ary minoa Azy hamerina indray ny fifalianao sy ny antom-piainanao eo ary mahatokia Azy hanomboka asa vaovao indray eo amin'ny fiainanao. Nampanantena Izy fa hamerina ny fifaliana izay very, ary hanome anao indray fanahy vaovao izay mihazona anao. Saro-bidy aminy ny fonoa izay maratra: ' Ny fanatitra ho an'Andriamanitra dia fanahy torotoro; ny fo torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra ', tsy mba ataonao tsinotsinona. ' (Salamo 51:12, 15-17).

Vonona hanaiky ny Tompo ho Mpamonjy sy Mpiandry anao ve ianao? Hitarika ny fisainanao sy ny lalanao andavan'andro Izy amin'ny alalan'ny Teniny dia ny Baiboly. ' Hanome saina anao sy mampianatra anao izay l'lan-kalehanao Aho; Hitsinjo anao ny masoko ka hanolon-tsaina anao Aho. ' (Salamo 32:8). ' Ary ho andro tsy manam-piovana ho anao, eny, haren'ny famonjena sy ny fahendrena ary ny fahalalana; Ny fahatahorana an'i JEHOVAH no rakitrao. ' (Isaia 33:6). Mbola handalo olana ianao na ao amin'i Kristy aza, kanefa manana fanantenana kosa ankehitriny. Izy ilay ' sakaiza tia, izay mifikitra noho ny rahalahy aza ' (Ohabolana 18:24). Ny fahasoavan'ny Jesosy Tompo anie hiaraka aminao ao anatin'izao fotoana handraisanao fanapahan-kevitra izao.

Raha maniry ny hatoky an'i Jesosy Kristy ho Mpamonjy anao ianao dia tonony ao am-ponao ho an'Andriamanitra ireto teny ireto: ' Andriamanitra ', mila anao aho eo amin'ny fiainako. Mamel' ahy amin'izay rehetra nataoko. Mino an'i Jesosy Kristy aho izao ary mahatoky Azy ho Mpamonjy ahy. Diovy, sitrano ary avereno ny fifaliana eo amin'ny fiainako. Misaotra anao aho amin'ny fitiavanao ahy sy ny fahafatesan'i Jesosy teo amin'ny toerako. '

Nandray fanampahan-kevitra hanaraka an'I Kristy noho ny zavatra novakianao tato ve ianao? Raha izany dia tsindrio ny 'Nandray an'I Jesosy aho androany' etsy ambany.

English



Miverina amin'ny pejy amin'ny teny Malagasy

Inona no antony tsy hamonoana tena?
© Copyright Got Questions Ministries