settings icon
share icon
Fanontaniana

Inona no ambaran'ny Baiboly mikasika ny firaisana ara-nofo alohan'ny fanambadiana?

Valiny


Tsy misy teny Hebreo na Grika ampiasain'ny Baiboly manokana ho amin'ny firaisana alohan'ny fanambadiana. Mazava fa manameloka ny fijangajangana sy ny filan-dratsy ny Baiboly, kanefa azo raisina ho isan'izany ve ny firaisana alohan'ny fanambadiana? Raha ny 1 Korintiana 7:2 no jerena dia ' eny ' no valiny: ' Fa noho ny fijangajangana dia aoka ny lehilahy rehetra samy hanana ny vadiny avy, ary aoka koa ny vehivavy rehetra samy hanana ny vadiny avy. ' Amin'ny alalan'ity andalan-tsoratra masina ity dia manazava i Paoly fa ny fanambadiana no ' vaha olana ' amin'ny fijangajangana. Manazava izany ny Koritiana voalohana 7:2, koa satria tsy afaka mifehy ny tenany ny olona ka mahatonga azy hijangajanga alohan'ny fanambadiana, dia tokony hanambady izy. Izany no ahafahany manao ny fanirian'ny vatany amin'ny fomba mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra.

Koa satria mampiseho mazava ny 1 Korintiana 7:2 fa fijangajangana ny firaisana alohan'ny fanambadiana, dia manameloka izany avy hatrany ny soratra masina rehetra izay manameloka ny fijangajangana sy ny filan-dratsy. Tafiditra ao anatin'ny fijangajangana, araka ny Baiboly, ny firaisana alohan'ny fanambadiana. Betsaka ny Soratra Masina mampiseho fa fahotana ny fanaovana firaisana alohan'ny fanambadiana (Asan'ny Apostoly 15:20; 1 Korintiana 5:1; 6:13, 18; 10:8; 2 Korintiana 12:21; Galatiana 5:19; Efesiana 5:3; Kolosiana 3:5; 1 Tesaloinana 4:3; Joda 7). Mampirisika ny fitandreman-tena alohan'ny fanambadiana ny Baiboly. Ny firaisana eo amin'ny mpivady ihany no firaisana ankatoavin'Andriamanitra (Hebreo 13:4).

Matetika mifantoka amin'ilay endrika fahafinaretan'ny firaisana isika ary manadino ilay antony hafa dia ny fanorenana taranaka. Mitondra fahafinaretana ny firaisana ao anatin'ny tokan-trano ary isan'ny nanaovan'Andriamanitra azy izany. Tian'Andriamanitra hakafy ny firaisana ny lahy sy ny vavy ao anatin'ny fefin'ny fanambadiana. Mampiseho miharihary ny fahafinaretan'ny firaisana ny bokin'ny Tonon-kiran'i Solomona sy ny andalan-tsoratra masina hafa (toy ny Ohabolana 5:19). Na izany aza anefa dia mila mahatsiaro isika fa isan'ny nanaovan'Andriamanitra ny firaisana ihany koa ny fanamboarana zaza. Araka izany, ny mpifankatia manao firaisana alohan'ny fanambadiana dia tsy mety satria maka fafinaretana tsy natao ho azy izy ary mety hanao zaza ivelan'ny rafitra natokan'Andriamanitra ho an'ny zaza rehetra dia ny tokan-trano.

Tsy ny fihevitry ny olona no mamaritra ny marina sy ny diso, kanefa raha toa ka mankatoa ny voalazan'ny Baiboly mikasika ny firaisana alohan'ny fanambadiana ny olona dia ho vitsy kokoa ny aretina mifindra, ny fanalan-jaza, ny vehivavy miteraka tsy manambady, ny vohoka tsy nirina ary ny zaza tsy manana ray aman-dreny. Ny fitandremana tokana ihany no vaha olana atolotr'Andriamanitra mikasika ny firaisana alohan'ny fanambadiana. Miaro aina; miaro ny zaza; manome lanja ny fahafinaretan'ny firaisana ara-nofo; ary ambonin'izany rehetra izany, manome voninahitra an'Andriamanitra ny fitandremana.

English



Miverina amin'ny pejy amin'ny teny Malagasy

Inona no ambaran'ny Baiboly mikasika ny firaisana ara-nofo alohan'ny fanambadiana?
© Copyright Got Questions Ministries