settings icon
share icon
Fanontaniana

Ahoana no handreseko ny fahotana amin'ny maha Kristiana ahy?

Valiny


Manome lalana maro ny Baiboly hanampiana antsika ao anatin'ny ezaka handresena fahotana. Raha mbola eto an-tany isika dia tsy handresy ny fahotana tanteraka (1 Jaona 1:8), kanefa mila miezaka hanatratra izany tanjona izany hatrany isika. Amin'ny alalan'ny fanampian'Andriamanitra sy amin'ny fanarahana ny toro-lalana omeny dia afaka mandresy ny fahotana tsikelikely isika ary mitombo amin'ny fitoviana amin'i Kristy.

Ny lalana voalohany atolotry ny Baiboly ho amin'ny fandresena ny fahotana dia ny Fanahy Masina. Nomen'Andriamanitra ny Fanahy Masina isika mba hitondra fandresena ho antsika eo amin'ny fiainantsika ny fiainana Kristiana. Ampitahain'Andriamanitra ny asan'ny nofo sy ny vokatry ny fanahy ao amin'ny Galatiana 5:16-25. Entanina isika mba handeha araka ny Fanahy ao amin'ity andalan-tsoratra masina ity. Ny mpino rehetra dia manana ny Fanahy Masina, kanefa kosa mandrisika antsika handeha araka ny Fanahy sy hanaiky ny fitarihiny ity andalana ity. Ny hevitr'izany dia ny fanarahana mandrakariva ny fitarihan'ny Fanahy Masina fa tsy ny nofo.

Ny fiovana entin'ny Fanahy Masina dia hita eo amin'ny fiainan'i Petera izay nand' an'i Jesosy in-telo talohan'ny naha feno ny Fanahy azy'na dia nampanantena hanaraka an'i Kristy hatramin'ny fahafatesana aza izy. Nitory malalaka sy tamin-kery tamin'ireo Jiosy izy tamin'ny andron'ny Pantekosta rehefa feno ny Fanahy.

Rehefa miezaka ny tsy hampalahelo ny Fanahy amin'ny tsy fanaovana tsinotsinona Azy isika (araka izay hita ao amin'ny 1 Tesaloniana 5:19) ary mitady ny ho feno ny Fanahy (Efesiana 5:18-21) dia mandeha ao amin'ny Fanahy. Inona no atao ahafeno ny Fanahy? Voalohany indrindra dia safidin'Andriamanitra tahaka ny tamin'ny Testamenta Taloha izany. Mampiasa olona Izy hanatanteraka ny asa kasainy hatao ary fenoiny ny Fanahiny izy ireny (Genesisy 41:38; Eksodosy 31:3; Nomery 24:2; 1 Samoela 10:10). Misy profo mivaingana ao amin'ny Efesiana 5:18-21 sy Kolosiana 3:16 fa mameno izay rehetra mameno ny tenany amin'ny teniny Andriamanitra. Izay no mitondra antsika any amin'ilay lalana faharoa.

Ny Tenin'Andriamanitra: ny Baiboly dia milaza fa nomena antsika ny Teny ahatonga antsika ho vonona tsara ho amin'ny asa tsara rehetra (2 Timoty 3:16-17). Mampianatra antsika ny fomba fiainana sy ny tokony hinoana izany; Mampiseho antsika izany raha sendra diso ny lalana hizorantsika; Manampy antsika hiverina amin'ny lala-marina sy hijanona amin'izany lalana izany ihany koa ny Teny. Mampianatra antsika ny Hebreo 4:12 fa velona sy mahery ny Tenin'Andriamanitra, ka manindrona hatramin'ny fampisarahina ny aina sy ny fanahy ary mandresy ny fahotana farak'izay lalina any anatin'ny fo. Miresaka amin'ny antsipiriainy momba ny hery entiny manova fiainana ny mpanao Salamo ao amin'ny Salamo 119. Nomena toro-lalana ho amin'ny fahombiazana Josoa dia ny tsy fanadinoana sy fisaintsainana ity l'lana iray ity ary ny fankatoavana izany na andro na alina. Izany no nataony na dia tsy nitombona amin'ny fomba fijery ara-miaramila aza ny toro-lalana nomen'Andriamanitra azy, ka nahafahany nandresy sy nahazoany ny tany nampanatenaina.

Hamaivainintsika, matetika, ny herin'ny Baiboly. Omentsika toerana kely ny Baiboly amin'ny fitondrana azy any am-piangonana, famakiana fampianarana fohy momba azy na toko iray isan'andro fa tsy vitantsika ny mitadidy, misaintsaina, na mampihatra azy eo amin'ny fianantsika; tsy vitantsika ny mibebaka amin'ny fahotana asehony antsika na midera an'Andriamanitra amin'ny fanomezana izay entiny eo amin'ny fiainantsika. Raha ny Baiboly no resehina dia tsy mahery mihinana na mirangorango loatra isika. Na zara fa mihinana ahafahana mivelona ara-panahy fotsiny isika (kanefa tsy mihinana ampy hitondrana fahasalamana sy ahatonga antsika hivelatra amin'ny maha Krisitana), na mihinana matetika kanefa tsy mandany fotoana hisaintsainana izany mba handraisana ny singa rehetra izay mitondra ny aina mamelona avy aminy.

Raha tsy mbola fahazarana eo amin'ny fiainanao ny fianarana sy fisaintsainana ny Tenin'Andriamanitra dia tena hahasoa anao raha manomboka manao izany ianao izao. Mety hanampy anao ny mandray an-tsoratra. Fehezo ny tenanao tsy hiala eo amin'ny Teny raha tsy efa nahazo zavatra avy aminy izay azonao raisina an-tsoratra. Misy ihany koa ny mandray an-tsoratra ny zavatra entiny am-bavaka mikasika ny teny voarainy sy ny fiovana takiany. Fitaovana entiny Fanahy miasa eo amin'ny fiainantsika ny Baiboly (Efesiana 6:17), singa iray lehibe ao amin'ny fiadian'Andriamanitra hiadiantsika ny adintsika ara-panahy ihany koa izany (Efesiana 6:12-18).

Lalana iray, manaraka, entina miady amin'ny fahotana ny vavaka. Iray amin'ireo fitaovana tsy dia ampiasain'ny Krisitana ihany koa ity lalana iray ity. Manana fotoam-bavaka sy vondrom-bavaka isika fa tsy mampiasa ny vavaka tahaka ny nampiasan'ny fiangonana taloha azy (Asa 3:1; 4:31; 6:4; 13:1-3). Matetika i Paoly no milaza fa mivavaka ho an'izay olona nitoriany ny filazantsara. Nanome fampanatenana mahafinaritra momba ny vavaka Andriamanitra (Matio 7:7-11; Lioka 18:1-8; Jaona 6:23-27; 1 Jaona 5:14-15), ary tafiditra ao anatin'ny andalan-tsoratra masina nosoratan'i Paoly momba ny ady ara-panahy ny vavaka (Efesiana 6:18).

Aiza ho aiza ny toerana misy ny vavaka eo amin'ny fandresentsika ny fahotana eo amin'ny fiainantsika? Manana ny teny notenenin'i Kristy tamin'ny Petera tao amin'ny zaridainan'ny Getsemane talohan'ny nandavan'i Petera Azy isika. Jesosy nivavaka kanefa i Petera natory. Hoy Jesosy taminy rehefa namoha azy, ' Miareta tory sy mivavaha, mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy fa ny nofo no tsy manan-kery. ' (Matio 26:41). Tahakan'i Petera dia maniry mafy ny hanao izay mety isika kanefa tsy manana hery entina manatanteraka izany. Mila manaraka ny toro-lalana omen'Andriamanitra isika ary mila mitohy mitady, mandondona, ary mangataka'ary dia homeny antsika ny hery izay ilaintsika (Matio 7:7). Tsy teny mahagaga akory ny vavaka. Fanekena tsotra fotsiny ny tsy fatanterahantsika sy ny hery tsy misy fetran'Andriamanitra ny vavaka, ary fanatonana Azy hanome antsika ny hery ahafahantsika hanao izay tiany hataontsika, fa tsy izay tiantsika hatao (1 Jaona 5:14-15).

Ny fiangonana, ny fihombonan'ny samy mpino, no lalana faha-efatra handresentsika ny fahotana. Rehefa naniraka ny mpianatra Jesosy dia nalefany tsiroa roa ireo (Matio 10:1). Ny misionera ao amin'ny bokin'ny Asan'ny Apostoly dia tsy nandeha irery fa niaraka tsiroaroa na mihoatra. Nanome didy Jesosy mba tsy hanadinoana ny fiarahana miangona ary hampiasa izany fotoana izany hifananarana amin'ny fitiavana sy ny asa tsara (Hebreo 10:24). Nampianatra antsika Izy mba hifanaiky heloka (Jakoba 5:16). Ao amin'ny bokin'ny fahendrena ao amin'ny Testamenta Taloha dia ampianarina isika fa tahaka ny vy maranitra ny vy, ny olona maranitra ny tarehin'ny sakaizany (Ohabolan 27:17). Mitombo ny hery rehefa miaraka (Mpitoriteny 4:11-12).

Betsaka no mahita fa ny fananana olona miara-miatrika dia tombony lehibe eo amin'ny fialana amin'ny fahotana mamatotra. Ny fananana olona afaka mifampiresaka, miara-mivavaka, mampahery ary koa mananatra dia tena mitondra soa lehibe. Mahazo antsika rehetra ny fakam-panahy (1 Korintiana 10:13). Ny fananana olona na vondron'olona miara-mamindra aminao dia afaka manome ilay fampaherezana sy fampirisihana farany ilaintsika handresena, eny fa na dia ny fahotana farak'izay madidy aza.

Misy karazana fahotana mora ialana. Misy fotoana kosa maharitraritra ny ady. Nampanantena Andriamanitra fa rehefa mampiasa ireo fitaovana nomeny ireo isika dia hitondra fiovana tsikelikely eo amin'ny fianantsika Izy. Afaka mikiry amin'ny ady amin'ny fahotana isika satria fantatsika fa mitazona ny teny fampanatenany Izy.

English



Miverina amin'ny pejy amin'ny teny Malagasy

Ahoana no handreseko ny fahotana amin'ny maha Kristiana ahy?
© Copyright Got Questions Ministries