settings icon
share icon
Fanontaniana

Inona no ambaran'ny Baiboly mikasika ny fanambadian'olona roa samy hafa firenena?

Valiny


Ny Testamenta Taloha dia nandrara ny Israelita tsy hanambady olona hafa firenena (Deoteronomy 7:3'4). Tsara nefa no manamarika fa ny anton'izany fandrarana izany dia tsy misy hidiran'ny volon-koditra na fihaviana. Antony ara-pivavahana no anton'izany. Ny antony nandraran'Andriamanitra ny Jiosy tsy hanambady olona avy amin'ny firenena hafa dia noho ireo firenena hafa manompo andriamantra diso. Ho voasarika hanalavitra an'Andriamanitra ny Israelita raha manambady olona manompo sampy na jentilisa. Ary izany indrindra no nitranga araka izay voasoratra ao amin'ny Malakia 2:11.

Misy fampianarana fiarovana ny fahadiovana ara-panahy toy izany ihany koa ao amin'ny Testamenta Vaovao, kanefa tsy misy hifandraisany amin'ny fihaviana izany: ' Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin' ny tsy mino. Fa inona no iraisan' ny fahamarinana sy ny fahotana? Ary inona no iombonan' ny mazava sy ny maizina? ' (2 Korintiana 6:14). Tahaka ny nandrarana ny Israelita (mpino an'Andriamanitra tokana sady marina) tsy hanambady mpanompo sampy, no handrana ny Kristiana (mpino an'Andriamanitra tokana sady marina) tsy hanambady tsy mpino. Tsy manaratsy ny fanambadian'olona roa samy hafa firenena velively Andriamanitra. Ny rehetra mandrara ny fanambadian'ny samy hafa firenena dia tsy mahazo ny foto-kevitra tian'ny Soratra Masina ampitaina.

Araka izay nolazain'i Martin Luther King, Jr., dia tokony ho ny toetra no hitsarana olona fa tsy ny volo-kodiny velively. Tsy misy toerana ho amin'ny fanavakavaham-bolo-koditra eo amin'ny fiainana Kristiana (Jakoba 2:1'10). Raha ny marina, araka izay ambaran'ny Baiboly, dia tsy misy afatsy ' fihaviana' tokana'dia ny olombelona rehetra taranak'i Adama sy Eva. Raha haka vady ny Kristiana dia tokony hanadihady raha olona efa nateraka indray tamin'ny alalan'ny finoany an'i Jesosy Kristy ilay olona kasainy na tsia (Jaona 3:3'5). Finoana an'i Kristy fa tsy ny volo-koditra no fenitra apetraky ny Baiboly rehefa mifidy izay ho vadiana. Tsy Fanontaniana mipetraka ao anatin'ny fanambadian'olona samy hafa firenena ny hoe mety sa tsy mety. Ny hany tokony hatao dia mitady fahendrena, mandinika tsara ary vavaka.

Ny mpifankatia mikasa hiroso amin'ny fanambadiana dia mila mandinika zavatra maro. Tsy azo atao ambanin-javatra ny fahasamihafan'ny volon-koditra, kanefa tsy tokony ho singa iray handrav'na na hanorenana ny tokantrano izany. Ny mpivady samy hafa firenena dia mety handalo fanenjehana sy fanambaniana, ary mila miomana hiatrika izany fanenjehana izany amin'ny fahendrena ara-tsoratra masina izy ireo. ' Fa tsy misy hafa, na Jiosy na jentilisa, fa iray ihany no Tompon' izy rehetra, sady manan-karena homeny izay rehetra miantso Azy Izy. ' (Romana 10:12). Ny fiangonana tsy manavaka volon-koditra sy/na fanambadiana olona roa samy hafa firenena dia mety ho fanehoana miharihary ny fitoviantsika izay samy ao amin'i Kristy.

English



Miverina amin'ny pejy amin'ny teny Malagasy

Inona no ambaran'ny Baiboly mikasika ny fanambadian'olona roa samy hafa firenena?
© Copyright Got Questions Ministries