settings icon
share icon
Fanontaniana

Inona no ambaran'ny Baiboly mikasika ny din'zoro? Misy filazana momba ny din'zoro ve ao amin'ny Baiboly?

Valiny


Ny resaka din'zoro ao amin'ny Baiboly dia ady hevitra tsy mety lany eo anivon'ny vondrona Kristana. Ny taonan'ny tany, ny fanazavana marina ny bokin'ny Genesisy sy ireo porofo hita isan-karazany no miteraka ilay fanontaniana. Ireo izay mino ny fahanteran'ny tany dia manaiky sy milaza fa tsy niresaka din'zoro ny Baiboly satria araka ny finoan'izy ireo dia maty taona maro talohan'ny nahatongan'ny olona ny din'zoro. Tsy afaka nahita din'zoro ny olona nanoratra ny Baiboly.

Ireo izay mino kosa ny fahatanoran'ny tany dia manaiky fa ny Baiboly dia miresaka momba ny din'zoro na dia tsy mampiasa mivantana ny teny ' din'zoro ' aza. Ny teny Hebreo tanniyn, no ampiasainy izay manana dikan-teny samy hafa ao amin'ny Baiboly ampiasaintsika ankehitriny. ' Bibin-drano, ' na ' bibilava ' no handikana izany teny izany. Amin'ny ankapobeny dia ' dragona ' no andikana izany. Toy ny biby mandady lehibe ny hevitr'ilay tanniyn. Voalaza in-telo polo tao amin'ny Testamenta Taloha io biby io ary samy nahitana azy na tany anaty rano na tety ambonin'ny tany.

Ho fanampin'ireo biby lehibe voalaza ireo dia miresaka zava-manan'aina hafa ihany koa ny Baiboly izay mahatonga ny mpandinika hino fa nahita din'zoro ny mpanoratra. Voalaza fa behemota no biby mahery indrindra amin'ny biby namboarin'Andriamanitra. Biby lehibe izay mitovy amin'ny hazo sedara ny rambony (Joba 40:15). Ny mpanidinika dia milaza fa elefanta na hip'p'tama ny behemota. Ny hafa anefa miady hevitra manambara fa na ny elefanta na ny hip'p'tama dia kely rambo ary tsy misy hitovizany mihintsy amin'ny sedara. Ny din'zoro toy ny ' brachiosaurus ' sy ny ' diplodocus ' kosa dia manana rambo lehibe izay tena azo ampitahaina mihintsy amin'ny hazo sedara.

Saika mampiseho ny fisian'ny biby lehiby avokoa ny sivilizasiona nisy taloha. Ny petroglyf sy sary vongana hita tany Amerika Avaratra dia mampiseho sarina din'zoro. Ny sary sikotra hita tany Amerika Atsimo dia mampiseho lehilahy mitaingina ' diplodocus '-biby misy hitovizany lehibe amin'ny triceratops-toy ny pterodactyl-toy ny tyrannosaurus rex. Ny mozaika Romana, asa-tanana Mayan, ary ireo rindrina hita tany Babilona dia mampiseho fa nahitana karazam-biby mitovy tamin'ny toerana sy kolon-tsaina samy hafa. Ny tantara nosoratan'i Maco Polo Il Milione dia mifangaro amin'ny tantara noforonina momba ny biby mpiaro harena miafina. Fanampin'ny porofo ara-tantara izay mampiseho ny fiarahan'ny olona sy ny din'zoro niaina dia misy ihany koa ireo porofo mivantana hafa toy ny taolana sy ny dia tongotry ny olona sy ny din'zoro hita miaraka tany Amerika Avaratra sy tany Avaratr'Andrefan'i Azia.

Koa voasoratra ao amin'ny Baiboly ary ve ny din'zoro? Tsy mbola misy fanazavana mazava aloha hatreto. Miankina amin'ny fomba handraisanao ny porofo misy sy ny fomba fijerinao ny tontolo manodidina anao izany. Raha hadika mivantana ny Baiboly dia azo raisina fa tsy dia mbola antitra ny tany ary azo ekena ny hevitra fa niara-nonina ny olona sy ny din'zoro. Inona no nitranga tamin'ny din'zoro raha niara-nonina tamin'ny olona izy ireo? Na dia tsy miresaka mivantana izany aza ny Baiboly dia hinoana fa mety ho foana taorian'ny safo-drano ny din'zoro vokatry ny fiovana lehibe nisy teo amin'ny toetr'andro sy ny fihazana ataon'ny olona azy ireo.

English



Miverina amin'ny pejy amin'ny teny Malagasy

Inona no ambaran'ny Baiboly mikasika ny din'zoro? Misy filazana momba ny din'zoro ve ao amin'ny Baiboly?
© Copyright Got Questions Ministries