settings icon
share icon
Fanontaniana

Avy nametraka ny finoako tamin'I Jesosy aho' inona ny manaraka?

Valiny


Avy nametraka ny finoako tamin'I Jesosy aho' inona ny manaraka?

Arabaina ianao! Fanapahan-kevitra manova fiainana no noraisinao! Manontany tena angamba ianao hoe 'inona indray no manaraka?' Aiza no iantombohin'ny fiarahako amin'Andriamanitra?' Ireto dingana dimy manaraka ireto dia tari-dalana ho anao avy ao amin'ny Baiboly. Raha misy fanontaniana manitikitika anao dia tsidiho ny www.GotQuestions.org/Malagasy.

1. Aoka ho azonao tsara ny famonjena.

1 John 5:13 Dia milaza amintsika 'Izany no nosoratako aminareo, izay mino ny anaran'ny Zanak'Andriamanitra, mba ho fantatrareo fa manana fiainana mandrakizay ianareo' Tian'Andriamanitra hazava amintsika ny famonjena. Tian'Andriamanitra ho fantantsika mazava fa voavonjy isika. Andao averina jerena fohy ireo drafitry ny famonjena:

(a) Samy efa nanota isika rehetra. Samy efa nanao zavatra tsy mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra isika rehetra (Romana 3:23).

(b) Vokatry ny fahotana dia mendrika ny hosaziana amin'ny fisarahana tanteraka amin'Andriamanitra isika (Romana 6:23).

(c) Maty teo amin'ny hazo fijaliana hanefa ny trosan'ny fahotantsika Jesosy (Romana 5:8, 2 Korintiana 5:21). Maty nisolo antsika Jesosy, nandray ny sazy tokony ho antsika. Ny fitsanganany tamin'ny maty dia manambara fa ampy hanefana ny trosan'ny fahotantsika ny fahafatesany.

(d) Manome famindram-po sy famonjena ho an'izay rehetra mametraka ny finoany amin'I Jesosy Andriamanitra ' manaiky ny fahafatesany ho solon'ny fahotantsika (Jaona 3:16; Romana 5:1; Romana 8:1).

Izay ilay hafatry ny famonjena! Raha nametraka ny finoanao tamin'ny Jesosy ianao dia voavonjy! Voavela avokoa ny fahotanao rehetra ary Andriamanitra dia nampanatena tsy handao anao na ahafohy anao akory (Romana 8:38-39; Matio 28:20). Tsarovy fa azo antoka ao amin'ny Jesosy Krisity ny famonjena anao (Jaona 10:28-29). Raha mahatoky an'I Jesosy irery ihany ho amin'ny famonjena anao ianao dia afaka manana antoka fa hiaraka amin'ny mandrakizay any an-danitra!

2. Mitadiava fiangonana tsara mampianatra ny Baiboly.

Aza mihevitra fa ilay trano no atao hoe fiangonana. Ireo olona no atao hoe fiangonana. Tena zava-dehibe ny fiarahan'ny mpino an'I Jesosy Kristy miaraka. Izany no antom-pisiana voalohan'ny fiangonana. Ankehitriny satria nametraka ny finoanao tamin'I Jesosy Kristy ianao dia mampahery anao izahay hitady fiangonana miorina amin'ny Baiboly eo amin'ny toerana manodidina anao ary miresaha amin'ny Pastora. Ampafataro azy ny finoana vao noraisinao ao amin'I Jesosy Kristy.

Ny antom-piasana faharoan'ny fiangonana dia mampianatra ny Baiboly. Afaka mianatra mampihatra ny tari-dalan'Andriamanitra eo amin'ny fiainanao ianao. Ny fahazoana ny Baiboly dia fototry ny fiainana Kristiana mahomby sy mahery. 2 Timoty 3:16-17 dia milaza 'Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon'Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin'ny asa tsara rehetra'

Ny anton'ny fiangonana fahatelo dia ny fanompoana. Ny fanompoana dia fisaorana an'Andriamanitra ny amin'izay rehetra nataony! Namonjy antsika Andriamanitra. Tia antsika Andriamanitra. Miahy antsika Andriamanitra. Mitarika sy manoro lalana antsika Andriamanitra. Ahoana no tsy hisaorantsika Azy? Masina, marina, be fitiavana, be famindram-po ary feno fahasoavana Andriamanitra. Apokalypsy 4:11 'Hianao, Tomponay sy Andriamanitray, no miendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery; Fa Hianao no nahary ny zavatra rehetra, Ary noho ny sitraponao no nahanisy sy nahary azy.'

3. Manokana fotoana isan'andro hifatohana amin'Andriamanitra.

Zava-dehibe ny fandanihantsika fotoana isan'andro hifantohana amin'Andriamanitra. 'Fotoana mangina' no hiantsoan'ny olona sasany ity fotoana ity. Ny sasany miantso izany hoe 'fanokanan-tena', satria fotoana anokanantsika ny tenantsika ho an'Andriamanitra izany. Misy manao izany amin'ny maraina ary misy manao izany mandritra ny hariva. Mety avokoa izay hiantsoanao izany fotoana izany sy ny fotoana hanaovanao azy. Ny tena zava-dehibe dia ny fandanianao fotoana matetika miaraka amin'Andriamanitra. Inona avy no atao rehefa miaraka amin'Andriamanitra?

(a) Vavaka. Ny vavaka dia firesahana amin'Andriamanitra. Resaho aminy izay mampanahy sy manahirana anao. Angataho fahendrena sy tari-dalana izy. Angataho aminy izay ilainao eo amin'ny fiainana. Lazao azy ny fitiavanao Azy sy ny fankasitrahanao ny zavatra ataony anao. Zany rehetra izany no atao hoe vavaka.

(b) Famakiana Baiboly. Fanampin'ny fampianarana Baiboly any am-piangonana, mandritra ny sekoly Alahady sy ny fiaraha-mandinika Baiboly dia mila mamaky ny Baiboly ho an'ny tenanao ianao. Mirakitra ny zavatra rehetra ilainao hiainana fiainana Krisitiana mahomby ny Baiboly. Mirakitra ny tari-dalan'Andriamanitra ahafahana mandray fanampahan-kevitra amin'ny fahendrena izany; hamantarana ny sitrapon'Andriamanitra; ny fomba hitoriana amin'ny hafa; sy ny fomba hitombona ara-panahy. Tenin'Andriamanitra ho antsika ny Baiboly. Ny Baiboly no tari-dalana avy amin'Andriamanitra mikasika ny fomba fiainana mifanaraka amin'Andriamanitra sady mitondra fahafaham-po ho antsika.

4. Mifandraisa amin'ny olona mety afaka hanampy anao hitombo ara-panahy.

1 koritianina 15:33 Dia milaza amintsika hoe, 'Aza mety hofitahina ianareo; ny fikambanana amin'ny ratsy manimba ny fitondran-tena tsara." Feno fampitandremana ny amin'ny mety ho fitariana amin'ny lalana diso avy amin'ny olona 'ratsy' ny Baiboly. Ny fandaniana fotoana miaraka amin'olona manota dia miteraka fakam-panahy hanao izany fahotana izany ihany koa eo amin'ny fiainantsika. Ny toetran'ny manodidina antsika dia 'hifindra' amintsika. Izay no maha zava-dehibe ny hodidinin'ny olona tia ny Tompo sy manokan-tena ho Azy.

Mitadiava namana iray na roa, avy ao amin'ny fiangonanao ohatra, hanampy sy hifampahery aminao (Hebreo 3:13; 10:24). Namana afaka manara-maso sy mampahery anao amin'ny fotoana miaraka amin'ny Tompo, zavatra ataonao, ary ny fiarahanao amin'Andriamanitra. Anontanio raha afaka manao izany ho azy ireo ihany koa ianao. Tsy midika akory izany hoe tsy maintsy ilaozanao avokoa ireo namanao rehetra tsy mahalala ny Tompo. Tohizo ny fifandraisanao amin'izy ireo ary tiavo izy. Ampahafantaro azy fotsiny fa novain'I Jesosy ny fiainanao ary tsy afaka hanoy ny zavatra rehetra niarahana nanao taloha ianao. Mangataha an'Andriamanitra hanome fahafahana anao hizara an'I Jesosy amin'ireo namanao.

5. Meteza atao batisa.

Betsaka ny olona tsy mahazo ny batisa. Ny teny hoe 'batisa' dia midika hoe alentika anaty rano. Ny batisa no fomba hanehoana ampahibemaso ny finoanao an'I Krisity sy ny fanokananao tena hanaraka Azy. Ny filetehana anaty rano dia maneho ny fiarahana nalevina tamin'I Kristy. Ny fivoahana ny rano dia maneho ny fitsanganana tamin'ny maty. Ny fanaovana batisa dia fanekenao ny fahafatesana, fandevenana ary fitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty (Romana 6:3-4).

Tsy ny batisa no mamonjy anao. Tsy manasa ny fahotanao ny batisa. Dingana fankatoavana fotsiny ihany ny batisa; fanambarana ampahibemaso ny finoana an'I Kristy irery ihany ho famonjena. Zava-dehibe ny batisa satria fankatoavana izany ' fanehoana ampahibemaso ny finoanao an'I Kristy sy ny fanokananao tena ho Azy. Raha vonona atao batisa ianao dia miresaha amin'ny mpitandrina ny fiangonanao.

English



Miverina amin'ny pejy amin'ny teny Malagasy

Avy nametraka ny finoako tamin'I Jesosy aho' inona ny manaraka?
© Copyright Got Questions Ministries