settings icon
share icon
Fanontaniana

Makany an-danitra ve ny biby? Manana fanahy ve ny biby?

Valiny


Tsy misy fampianarana mazava momba ny biby sy ny fananany fanahy na ny fandehanany makany an-danitra ao Baiboly. Na izany aza anefa dia afaka mandinika ny Soratra Masina isika hitondrana fanazavana. Mampianatra ny Baiboly fa samy manana ' fofon'aina ' na ny olona (Genesisy 2:7) na ny biby (Genesisy 1:30; 6:17; 7:15, 22); midika izany fa samy zava-manan'aina izy roa. Ny fahasamihafana lehibe indrindra eo amin'ny olona sy ny biby dia ny fitovian'ny olona amin'ny endrik'Andriamanitra (Genesisy 1:26-27), fitoviana izay tsy ananan'ny biby. Koa satria natao araka ny endrik'Andriamanitra ny olona dia mitovy amin'Andriamanitra izy; izany hoe, manana fahafahana ara-panahy, ara-tsaina, ara-fihetseham-po, ary sitra-po. Fanampin'izany dia manana singa mitohy miaina izy aorian'ny fahafatesana. Raha manana fanahy na singa hafa akoatry ny vatany ny biby dia tsy mitovy amin'ny olona. Manamafy izany fahasamihafana izany ny tsy fitohizan'ny fiainan'ny biby intsony aorian'ny fahafatesana.

Ny zavatra iray tsara jerena ihany koa dia ny maha zava-manan'aina noforin'Andriamanitra ny biby araka izay voalaza ao amin'ny Genesisy. Namorona ny biby Andriamanitra ary hitany fa tsara izany (Genesisy 1:25). Noho izany dia tsy misy tokony hieritreretana hoe tsy hisy biby any amin'ny tany vaovao (Apokalypsy 21:1). Azo antoka izany ny fisian'ny biby any amin'ilay fanjakana vaovao (Isaia 11:6; 65:25). Tsy misy ahafahana milaza mazava nefa raha ireo biby fiompintsika tety ambonin'ny tany ireo tonga any ireo. Fantantsika fa Andriamanitra marina Andriamanitra ary rehefa tonga any an-danitra isika dia hanana fiadanam-po tanteraka manoloana ny fanapaha-kevitra izay raisiny manolona izany resaka izany.

English



Miverina amin'ny pejy amin'ny teny Malagasy

Makany an-danitra ve ny biby? Manana fanahy ve ny biby?
© Copyright Got Questions Ministries