settings icon
share icon
Fanontaniana

Ara-tsoratra Masina ve ny fahazoana antoka mandrakizay?

Valiny


Rehefa mandray an'i Krisity ho mpamonjy azy ny olona iray dia tafiditra amin'ny fifandraisana amin'Andriamanitra izay mitondra antoka mandrakizay ho azy. Voasoratra ao amin'ny Joda 24 fa, ' ho an' izay maharo anareo mba tsy ho tafintohina, ary hametraka anareo tsy hanan-tsiny eo anoloan' ny voninahiny amin' ny firavoravoana. ' Afaka miaro ny mpino tsy ho lavo ny herin'Andriamanitra. Izy, fa tsy isika, no mitondra antsika manoloana ny voninahitry ny firavoravoana. Ny antoka mandrakizay hananantsika dia miankina amin'Andriamanitra mitazona antsika fa tsy miankina amintsika mitandrina ny famonjena nomeny antsika.

Jesosy Tompo no nilaza, ' ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin' ny tanako. Ny Raiko Izay nanome Ahy dia lehibe noho izy rehetra; ary tsy misy mahay mandrombaka amin' ny tanan' ny Ray. ' (Jaona 10:28-29b). Na Jesosy na ny Ray dia samy mitazona mafy antsika eo amin'ny tanany. Iza no afaka hanala antsika eo amin'ny tana-maherin'ny Ray sy ny Zanaka?

Efesiana 4:30 dia milaza amintsika fa ny mpino dia ' nasiana tombo-kase ho amin'ny andro fanavotana. ' Raha tsy manana antoka mandrakizay ny mpino dia tsy ho amin'ny andro fanavotana no handraisany ny tombo-kase fa ho amin'ny andro nanotana na amin'ny andron'ny tsy finoana. Ny bokin'ny Jaona 3:15-16 dia milaza amintsika fa izay rehetra mino an'i Jesosy Kristy dia hanana ' fiainana mandrakizay. ' Raha ampanatenaina fainana mandrakizay ny olona iray kanefa esorina aminy izany avy eo dia tsy misy maha ' mandrakizay ' ilay fiainana velively. Raha tsy marina ny antoka mandrakizay dia tsy marina ihany koa ny fampanantenana fiainana mandrakizay ao amin'ny Baiboly.

Ny porofo miharihary ny amin'ny antoka mandrakizay dia izay voasoratra ao amin'ny Romana 8:38-39, ' Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin' izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin' ny fitiavan' Andriamanitra izay ao amin' i Kristy Jesosy Tompontsika. ' Ny antoka mandrakizay izay hananantsika dia miorina eo amin'ny fitiavan'Andriamanitra an'ireo izay navotany. Ny antoka mandrakizay izay hananantsika dia nefain'i Kristy, nampanatenain'ny Ray, nasiana tombo-kase tamin'ny Fanahy Masina.

English



Miverina amin'ny pejy amin'ny teny Malagasy

Ara-tsoratra Masina ve ny fahazoana antoka mandrakizay?
© Copyright Got Questions Ministries