settings icon
share icon
Fanontaniana

Ampy ho amin'ny famonjena ve ny finoana sa mila arahana asa?

Valiny


Iray amin'ny fanontaniana lehibe indrindra eo amin'ny fampianarana Kristiana ity foto-kevitra ity. Ity fanontaniana ity no niteraka ny fisarahana teo amin'ny fiangonana ka nahatonga ny fiangonana protestanta sy ny fiangonana katolika. Ity fanontaniana ity no mampiavaka ny fivavahana Kristiana ara-tsoratra masina sy ny fivavahana Kristiana sekta. Ampy ho amin'ny famonjena ve ny finoana sa mila arahana asa? Maha voavonjy ahy ve ny finoako an'i Jesosy, sa mila manao zavatra hafa akoatry ny finoana aho ahazoako famonjena?

Ny fanontaniana manodidina ny finoana sy ny finoana mila arahana asa dia vao maika miha-sarotra noho ny Soratra Masina izay toa mifanohitra ary sarotra hampifandraisina. Raha jerena ohatra ny fahasamihafana misy eo amin'ny Romana 3:28, 5:1 sy Galatiana 3:24 sy izay voasoratra ao amin'ny Jakoba 2:24. Misy ny mahita fahasamihafana eo amin'ny fampianaran'i Paoly (avy amin'ny finoana ny famonjena) sy ny fampianaran'i Jakoba (finoana arahina asa no ahazoana famonjena). Resy lahatra tanteraka i Paoly rehefa manambara fa ampy ho amin'ny famonjena ny finoana (Efesiana 2:8-9), kanefa i Jakoba toa manambara fa mila arahana asa ny finoana ahazoana fanamarinana. Azo atao ny mamaha ity olana ity amin'ny fandinihina tsara izay tian'i Jakoba hambara. Araka ny fijerin'i Jakoba dia tsy afaka manana finoana ny olona iray kanefa tsy miteraka asa tsara eo amin'ny fiainany izany (Jakoba 2:17-18). Manamafy Jakoba fa ny finoana marina an'i Kristy dia tsy maintsy miteraka fiovam-piainana sy asa tsara eo amin'ny fiainan'ny olona (Jakoba 2:20-26). Tsy finoana arahina asa velively no miteraka fanamarinana araka ny fijerin'i Jakoba. Ny olona izay tena nandray ny fanamarinana marina avy amin'ny finoana dia hamokatra asa tsara eo amin'ny fiainany. Raha misy olona milaza tena ho mpino kanefa tsy miseho eo amin'ny fiainany amin'ny alalan'ny asa tsara izany dia azo heverina ho tsy tena manana finoana marina ao amin'i Kristy izy (Jakoba 2:14, 17, 20, 26).

Toy izany ihany koa ny zavatra ambaran'i Paoly ao amin'ny fampianarany. Ny vokatra tsara tokony ho hita eo amin'ny fiainan'ny olona dia tanisaina ao amin'ny Galatiana 5:22-23. Raha vantany vao niteny Paoly fa amin'ny finoana no hamonjena antsika fa tsy avy amin'ny asa (Efesiana 2:8-9), dia manamafy avy hatrany izy fa namboarina ho amin'ny asa tsara isika (Efesiana 2:10). Na i Paoly na i Jakoba dia samy miandry fiovan-toetra: ' Koa raha misy olona ao amin' i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo. ' (2 Korintiana 5:17). Tsy mifanohitra velively ny fampianaran'i Jakoba sy Paoly mikasika ny famonjena. Lalana roa samy hafa fotsiny no nitondrany ny fampianarany. I Paoly manamafy fa ampy ho amin'ny famonjena ny finoana, raha toa ka manamafy ny fiovana tsara entin'ny finoana marina i Jakoba.

English



Miverina amin'ny pejy amin'ny teny Malagasy

Ampy ho amin'ny famonjena ve ny finoana sa mila arahana asa?
© Copyright Got Questions Ministries