settings icon
share icon
Fanontaniana

Iza no vadin'i Kaina? Anabavin'i Kaina ihany ve ny vadiny?

Valiny


Tsy manambara mazava ny fihavian'ny vadin'i Kaina ny Baiboly. Ny hany valiny mety azo hatolotra dia anabaviny, zana-drahalahiny na zafiny ny vadiny. Tsy milaza ny taonan'i Kaina ny Baiboly tamin'ny fotoana namonoany an'i Abela (Genesisy 4:8). Koa satria samy tantsaha izy mirahalahy dia azo heverina fa samy efa olon-dehibe nanana ny vady aman-janany izy ireo tamin'izany. Azo antoka fa mety efa niteraka ankoatran'i Kaina sy Abela Adama sy Eva tamin'ny fotoana nahafatesan'i Abela. Mety mbola niteraka fanampiny ihany koa izy ireo taorian'izany (Genesisy 5:4). Ny tahotr'i Kaina taorian'ny namonony an'i Abela (Genesisy 4:14) dia mampiseho antsika fa mety efa nisy zanaka hafa na zafin'i Adama sy Eva tamin'io fotoana io. Zanaka na zafin'i Adama sy Eva ny vadin'i Kaina (Genesisy 4:17).

Satria Adama sy Eva irery ny olombelona tamin'izany fotoana izany dia tsy maintsy nifanambady ny zanany. Tsy nandrara ny fifanambadian'ny mpihavana Andriamanitra raha tsy efa taty aoriana, tamin'ny fotoana efa naha betsaka ny olona ka nahatonga izany fifanambadiana izany ho tsy nilaina (Levitikosy 18:6-18). Ny mahatonga ny fanambadian'ny mpiray tampoho hiteraka fahasamponana ankehitriny dia ny fitovian'ny r' ao amin'izy ireo. Ambony kokoa ny fahasamihafana rehefa olona roa avy amin'ny fianakaviana roa samihafa no mivady sy miteraka. Miha ' maloto ' ny firafitry ny ran'ny zanak'olom-belona taty aoriana ary mitombo sy miha mahery ny fahasamponana izay mifindra amin'ny taranaka manaraka. Tsy mbola nisy fahasembanana ny firafitry ny ran'i Adama sy Eva ka izany no nahafahany sy ireo taranaka vitsivitsy taty aoriana niaina tao anatin'ny fahasalamana bebe kokoa noho ny olona amin'izao fotoana izao. Vitsy ary mety ho tsy nisy mihitsy ny fahasembanana tao amin'ny firafitry ny ran'i Adama sy Eva. Vokatr'izany dia tsy nitondra loza ho azy ireo ny nifanambady na dia teo amin'ny samy mpihavana aza.

English



Miverina amin'ny pejy amin'ny teny Malagasy

Iza no vadin'i Kaina? Anabavin'i Kaina ihany ve ny vadiny?
© Copyright Got Questions Ministries