settings icon
share icon
Fanontaniana

Vehivavy mpitandrina/mpitory teny? Inona no ambaran'ny Baiboly mikasika ny vehivay manao asan'Andriamanitra?

Valiny


Anisan'ny ady hevitra mafy any any am-piangonana ankehitriny ny mikasika ny vehivavy mpitandrina/mpitory teny. Noho izany dia zava-dehibe ny miala amin'ny fijery fa adin'ny lehilahy sy vehivavy ity fanontaniana ity. Misy vehivavy mino fa tsy tokony hanao ny asan'ny mpitandrina ny vehivavy satria misy fandrarana napetraky ny Baiboly; ary misy ihany koa ny lehilahy mino fa afaka mitory teny ny vehivavy ary tsy misy fetra ny fahafahan'ny vehivavy manao ny asan'Andriamaintra. Tsy resaka fanavakavana na fanilikilihina velively ity resaka ity. Fahasamihafan'ny fandikana ny hevitry ny Baiboly no mahatonga ity ady hevitra ity.

Manambara ny tenin'Andriamanitra hoe, ' Aoka ny vehivavy hianatra mangina ka hanaiky tsara. Fa ny vehivavy tsy avelako hampianatra na hanapaka ny lehilahy fa hangina ihany. ' (1 Timoty 2:11'12). Manome anjara asa samihafa ho an'ny lahy sy ny vavy Andriamanitra ao am-piangonana. Avy amin'ny fomba namoronana ny zanak'olombelona sy nidiran'ny fahotana teto an-tany no nahatonga izany (1 Timoty 2:13'14). Tamin'ny alalan'i apostoly Paoly dia nandrara ny fandraisan'ny vehivavy asa fanompoana amin'ny fampianarana sy/na fahefana ara-panahy eo amin'ny lehilahy Andriamanitra. Tafiditra ao anatin'izany ny vehivavy mpitandrina izay manana fahefana amin'ny lehilahy. Anisan'izany mazava ho azy ny fitoriana teny, fampianarana ary ny fampiharana fahefana ara-panahy.

Betsaka ny fanoherana mikasika ny vehivavy manao ny asan'ny mpitandrina. Nandrara ny vehivavy tsy hampianatra i Paoly, araka ny hevitry ny maro, satria tsy nianatra ny vehivavy tamin'ny taon-jato voalohany. Na izany aza anefa dia tsy misy resaka fari-pahaizana ao amin'ny 1 Timoty 2:11'14. Raha zavatra takiana amin'ny fanaovana ny asan'Andriamanitra ny fari-pahaizana dia tsy ho voaray ny ankamaroan'ny mpianatr'i Jesosy. Ny faharoa dia ny filazana fa ny vehivavy tany Efesosy ihany no noferan'i Paoly tsy hampianatra lehilahy (nosoratana ho an'i Timoty, ilay mpitandrina ny Efesosy ny bokin'ny Timoty voalohany). Ny tempolin'i Artemis no tena nahafatarana an'i Efesosy, ary vehivavy no manam-pahefana amin'izany fivavahana izany. Izay no nivoahan'ny hevitra fa, ilay fomban'ny mpanompo sampy izay tarihin'ny vehivavy no tena tian'i Paoly ho rar'na satria mila miavaka ny fiangonana. Hita nefa fa tsy misy resaka momban'ny Artemis na filazana fa ny fomban'ny Artemis no mahatonga ilay fandrarana ao amin'ny 1 Timoty 2:11'12.

Ny fahatelo dia ny filazana fa mpivady no noresahin'i Paoly fa tsy ny lehilahy sy ny vehivavy amin'ny ankapobeny. Ny teny ' vehivay ' sy ' lehilahy ' ao amin'ny 1 Timoty 2 dia afaka miresaka ny mpivady kanefa mbola mihoatra lavitra noho izany ny hevitra fototr'ilay teny. Fanampin'izany, mitovy ny teny Grika ampiasaina ao amin'ny andininy faha 8 ka hatramin'ny faha 10. Ny lehilahy manam-bady irery ve no tokony hanandra-tanana masina tsy amin'ny fahatezerana sy fifandirana (andininy faha 8)? Ny vehivavy manambady irery ve no tokony hiravaka amin'ny fitafiana mendrika mbamin'ny fahamaontinana, hanao asa tsara ary hivavaka amin'Andriamanitra (andininy faha 9 ka hatramin'ny 10)? Mazava ho azy fa tsia ny valiny. Ny andininy faha 8 ka hatramin'ny faha 10 dia mikasika ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra fa tsy ny lehilahy na vehivavy manam-bady irery ihany. Tsy misy zavatra mampiseho mihitsy ao amin'ny andininy faha 11 ka hatramin'ny faha 14 milaza fa lehilahy sy vehivavy manambady no resahina.

Ny zavatra iray ambara koa rehefa miresaka vehivavy manao ny asan'ny mpitandrina dia ny fisian'ny vehivavy toy ny Miriama, Debora sy Holda ao amin'ny Testamenta Taloha izay nandray ny asa fitandramana na fitarihana. Tena marina fa nofidian'Andriamanitra hanao asa manokana ho Azy ary mijoro ho modelin'ny finoana, fahasahiana ary fitandremana ireny vehivavy ireny. Kanefa ny fahefan'ny vehivavy tamin'ny Testamenta Taloha dia tsy mifandraika amin'ny asa fitandremana fiangonana. Ny Epistilin'ny Testamenta Vaovao dia mampiseho ny firafitry ny olon'Andiramanitra'ny fiangonana na ny vatan'i Kristy'ary mampiseho izany rafitra manokana izany izay tsy misy hifandraisany mihitsy amin'ny firenena hafa na ny Testamenta Taloha.

Hevitra mitovy amin'izay ihany koa ny momban'i Prisila sy Foiby ao amin'ny Testamenta Vaovao. Ambaran'ny Asa 18 fa mpanompo mahatokin'i Kristy i Prisila sy Akoila. Ny anaran'i Prisila no voatonona mialoha hanehoana fa mety ho mafana fo kokoa tamin'ny asa izy noho ny vadiny. Nampianatra ny filazan-tsaran'i Jesosy Jesosy Kristy manerana ny Apolosy ve i Prisila sy ny vadiny? Eny, tao an-tranony dia ' nampianatra azy marimarina kokoa ny amin'ny lalan'Andriamanitra ' izy ireo (Asa 18:26). Milaza ve ny Baiboly fa lasa mpitandrina ny fiangonana na mpampianatra na ihany koa lasa ray aman-dreny am-panahin'ny olo-masina i Prisila? Tsia. Araka ny fantatra dia tsy nanao ny asan'Andriamanitra ivelan'ny toro-lalana nomen'ny 1 Timoty 2:11-14 i Prisila.

Nantsoina ho ' diakona ' (na ' mpanompo ') ao amin'ny fiangonana i Foiby ao amin'ny Romana 16:1 ary midera azy fatratra i Paoly. Kanefa tahakan'i Prisila, dia tsy misy andinin-tsoratra masina milaza fa nitandriana fiangonana na nampianatra lehilahy tany am-piangonanan i Foiby. Takiana amin'ny mpitandrina fa tsy amin'ny diakona ny fahaizana mampianatra (1 Timoty 3:1'13; Titosy 1:6'9).

Ny rafitra ao amin'ny 1 Timoty 2:11'14 dia mampiseho mazava ny antony tsy ahafahan'ny vehivavy mitandrina fiangonana. Manomboka amin'ny teny hoe ' fa ' ny andininy faha 13, mampiseho ny anton'izay tian'i Paoly hambara ao amin'ny andininy faha 11-12. Inona no antony tsy hamelana ny vehivavy hampianatra na hanana fahefana eo amin'ny lehilahy? Satria ' Adama no natao voalohany, vao Eva. Ary tsy Adama no voafitaka fa ny vehivavy no voafitaka ' (andininy 13'14). Adama no noforonin'Andriamanitra voalohany vao i Eva ho ' mpanampy ' an'i Adama. Ny firafitry ny famoronana dia mihatra maneran-tany na eo amin'ny ankohonana (Efesiana 5:22'33) na eo amin'ny fiangoanana.

Ny naha voafitaka ny vehivavy dia resahin'ny 1 Timoty 2:14 ihany koa ho antony handrarana ny vehivavy tsy hitandrina fiangonana na hanana fahefana eo amin'ny lehilahy. Tsy midika akory izany fa mora resena lahatra na fitahina noho ny lehilahy ny vehivavy. Ahoana moa no hamelana ny vehivavy hampianatra ny ankizy (izay mora resena lahatra) sy ireo vehivavy hafa (izay lazaina fa mora fitahina ihany koa) raha toa izy ireo tena more fitahiana marina? Milaza tsotra ilay andalana fa tsy mahazo mampianatra lehilahy na manana fahefana amin'ny lehilahy ny vehivavy satria voafitaka i Eva. Ny lehilahy no nofidian'Andriamanitra hanana ny andraikitra hampianatra voalohany ao amin'ny fiangonana.

Betsaka ny vehivavy no miroborobo amin'ny fanomezam-pahasoavana amin'ny fandraisan'olona, fihantrana, fampianarana, fitoriana ny filazan-tsara ary ny fanampiana. Betsaka amin'ny asan'Andriamanitra eo anivon'ny fiangonana no miakina amin'ny vehivavy. Tsy voarara tsy hivavaka na haminany ao amin'ny fiangonana ny vehivavy (1 Korintiana 11:5). Ny hany voarara dia ny fananany fahefana ara-panahy amin'ny lehilahy. Tsy mandrara ny fampiharan'ny vehivavy ny fanomezam-pahasoavan'ny Fanahy mihitsy ny Baiboly (1 Korintiana 12). Tahaka ny lehilahy dia nantsoina hanasoa ny hafa ihany koa ny vehivavy; Nantsoina haneho ny vokatry ny Fanahy (Galatiana 5:22'23), ary hanambara ny filazantsara ho an'ny very (Matio 28:18'20; Asa 1:8; 1 Petera 3:15).

Ny fandrindran'Andriamanitra dia ny lehilahy irery no mandray ny andraikitra fampianarana ara-panahy ao amin'ny fiangonana. Tsy midika izany fa mahay mampianatra kokoa ny lehilahy na sanatria milaza fa ambany na vendrana kokoa ny vehivavy (satria tsy marina izany). Izay fotsiny ny fomba nandrindran'Andriamanitra ny firafitry ny fiangonana. Mila mampiseho ny fitandremana ara-panahy ny lehilahy'amin'ny alalan'ny fiainany sy ny teniny. Ny anjaran'ny vehivavy dia andraikitra tsy dia misy fahefana be. Ampaherezina ny vehivavy hampianatra vehivavy hafa (Titosy 2:3'5). Tsy mandrara ny vehivavy hampianatra ankizy ihany koa ny Baiboly. Ny hany handrarana ny vehivavy dia ny fampianarana na ny fananana fahefana amin'ny lehilahy. Tafiditra ao anatin'izany ny vehivavy manao ny asan'ny mpitandrina. Tsy manambany ny toeran'ny vehivavy izany sanatria fa kosa manome azy asa izay mifanaraka amin'ny drafitr'Andriamanitra sy ny fanomezam-pahasoavana nomen'Andriamanitra azy.

English



Miverina amin'ny pejy amin'ny teny Malagasy

Vehivavy mpitandrina/mpitory teny? Inona no ambaran'ny Baiboly mikasika ny vehivay manao asan'Andriamanitra?
© Copyright Got Questions Ministries