settings icon
share icon
Fanontaniana

Fahotana ve ny miloka? Inona no ambaran'ny Baiboly mikasika ny filokana?

Valiny


Tsy misy fanamelohana mivantana ao amin'ny Soratra Masina mikasika ny filokana, sy ny fanaovana lotery. Na izany na tsy izany aza anefa dia mampitandrina antsika ny amin'ny fitiavam-bola ny Baiboly (1 Timoty 6:10; Hebreo 13:5). Ny Soratra Masina ihany koa dia mampitandrina antsika hanalavitra ny fakam-panahy ' te-hanan-karena tampoka ' (Ohabolana 13:11; 23:5; Mpitoriteny 5:10). Tsy azo lavina fa mifototra amin'ny fitiavam-bola ny loka ary maka fanahy olona amin'ny fampanantenana harena azo haingana sy tsy misy fasahiranana.

Inona no tsy mety amin'ny loka? Sarotra ny miady hevitra momba ny loka satria raha tsy matetika no hanaovan'ny olona izany dia tsy voatery ho ratsy, kanefa kosa tena fandaniam-poana. Betsaka ny zavatra mandany vola ataon'ny olona. Mitovy amin'ny fandaniana amin'ny fijerena horonan-tsary, fividianana sakafo lafo loatra, na fifidianana zavatra lafo tsy ilaina ny filokana. Tsy manamarina ny filokana mihitsy akory ny filazana fa misy fomba hafa ataon'ny olona hanariana vola. Tsy natao ho lanilaniana fahatany ny vola. Ny vola mihoatra dia tokony ho tahirizina ho amin'izay il'na azy amin'ny ho avy, na omena ho amin'ny asan'Andriamanitra fa tsy natao ho laniana amin'ny filokana.

Na dia tsy milaza mazava ny teny loka aza ny Baiboly, dia miresaka momba ny ' vintana ' sy ny ' kisendrasendra '. Ny hakitsapaka ohatra dia ampiasaina ao amin'ny bokin'ny Levitikosy hifidianana ny fanatitra atao. Nampiasa hakitsapaka Josoa hamaritana ny tany ho an'ny foko tsirairay avy. Nampiasa ankitsapaka Nehemia hamantarana izay hitoetra ao amin'ny rindrin'i Jerosalema. Nampiasa hakitsapaka ny apostoly hifidianana izay ho solon'i Jodasy. Izao no voasoratra ao amin'ny Ohabolana 16:33, ' Ny filokana dia atsipy ao am-pofoany; Fa avy amin'i Jehovah ihany no isehoan'ny fitsarany. '

Inona no lazain'ny Baiboly mikasika ny casino sy ny filokana? Mampiasa fomba maro isan-karazany ny casino hamporisihina ny olona hiloka vola betsaka araka izay tratra. Manome zava-pisotro misy alk'la mora na maimaimpoana izy ireny matetika mba ahatonga ny olona ho tsy afaka handray fanampaha-kevitra matotra. Ny zavatra rehetra any amin'ny casino dia natao mba hangalana vola betsaka indrindra araka izay tratra ary tsy manome na inona na inona afatsy fifaliana tsy maharitra sy tsy lalim-paka. Ny orinasa mpanao lotery dia mitonon-tena ho fomba fanohanana fianarana sy/na asa sosialy. Ny fanadihadiana anefa dia mampiseho fa ny olona mividy ireny karatra lotery ireny dia olona tsy manana ny fahafahana hanao izany velively. Mafy amin'ireo izay latsaka anaty fahasahiranana ny manohitra ilay fakam-panahy ny ' hanan-karena tampoka. ' Ny tahan'ny olona mahazo amin'izy ireny nefa dia kely dia kely ary mahatonga ny olona maro ho lany vola.

Mety hitondra fifaliana an'Andriamanitra ve ny filokana sy ny lotery? Betsaka ny olona miloka sy manao lotery no mampanantena fa hanome ny vola azo amin'ny fiangonana na asa soa hafa. Ny zava-misy dia vitsy ny olona mampiasa ny vola azo tamin'ny loka ho amin'ny asan'Andriamanitra. Ny fanadihadiana dia mampiseho fa ny ankamaroan'ny olona nahazo tamin'ny loka dia vao maika tafalatsaka lalindalina kokoa amin'ny fahantrana raha mihoatra amin'ny fiainany teo aloha'taona vitsivitsy aty aoriana. Vitsy ary mety tsy misy mihintsy aza manome ny vola azo amin'ny asa fanasoavana. Fanampin'izany rehetra izany, Andriamanitra tsy mila ny vola avy aty amintsika hanohanana ny asa misiona tiany ho tanteraka eto an-tany. Ny Ohabolana 13:11 dia milaza hoe, ' Ny harena azoazo foana dia mihena lalandava; Fa izay mahavatra mitsimpona no mampitombo. ' Andriamanitra dia tsitoha ary azony atao ny manom' ny vola rehetra ilain'ny fiangonana amin'ny alalan'ny fomba madio. Mety mahatsiaro fifaliana ve ianao raha misy manome vola avy amin'ny fivarotana zava-mahadomelina na vola avy nangalarina tany amin'ny banky? Mazava ho azy fa tsia. Dia toy izany koa, Andriamanitra tsy mila na mitady ny vola ' nangalarina ' tamin'ny mahantra avy amin'ny fankampanahy te-hanan-karena.

Timoty voalohany 6:10 dia mampianatra antsika fa, ' ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin' ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin' ny alahelo be. ' Hebreo 13:5 dia miteny hoe, ' Aoka tsy ho amin' ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianina amin' izay anananareo; fa hoy Izy: ' Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory. ' Matio 6:24 dia manambara hoe, ' Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an' Andriamanitra sy Mam'na hianareo. '

English



Miverina amin'ny pejy amin'ny teny Malagasy

Fahotana ve ny miloka? Inona no ambaran'ny Baiboly mikasika ny filokana?
© Copyright Got Questions Ministries