settings icon
share icon
Fanontaniana

Inona ny hevitr'izany hoe Krisitiana nateraka indray?

Valiny


Jaona 3:1-21 no tenin'Andriamanitra ao amin'ny Baiboly entina mamaly ity fanontaniana ity. Niresaka tamin'i Nikodemosy, fariseo ambony isan'ny sinedrina (fikambanan'ny mpanapaka Jiosy) ny Tompo Jesosy. Nitondra fanontaniana teo amin'ny Jesosy indray alina Nikodemosy.

Rehefa niresaka tamin'i Nikodemosy Jesosy dia nilaza hoe, "'Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan' Andriamanitra.' "Hataon' ny olona ahoana no hateraka rehefa lehibe?" Hoy Nikodemosy. 'moa mahazo miditra any an-kibon-dreniny indray va izy ka hateraka?' Jesosy namaly hoe: 'Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin' ny fanjakan' Andriamanitra izy. zay ateraky ny nofo dia nofo; ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy. Aza gaga noho ny nilazako taminao hoe: "Tsy maintsy hateraka indray hianareo" (Jaona 3:3-7).

Ny teny hoe "hateraka indray" dia midika hoe nateraka avy any ambony. Nanana olana azo tsapain-tanana i Nikodemosy. Nila fiovam-po izy, fiovana ara-panahy. Ny fahateraham-baovao dia asan'Andriamanitra izay manome fiainana mandrakizay izay mino (2 Korintiana 5:17; Titosy 3:5; 1 Petera 1:3; 1 Jaona 2:29; 3:9; 4:7; 5:1-4, 18). Jaona 1:12, 13 dia mampiseho fa ny "fahateraham-baovao" dia mitondra ny olona ho lasa "zanak'Andriamanitra" amin'ny alalan'ny fahatokiana an'i Kristy Jesosy.

Tonga ho azy ny fanontaniana hoe, "Nahoana ny olona iray no tsy maintsy hateraka indray?" Hoy ny Apostoly Paoly ao amin'ny Efesiana 2:1, "Ary hianareo dia efa novelominy, fony mbola matin' ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo". Toy izao no nosoratany ho an'ny Romana, "fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin' Andriamanitra," (Romana 3:23). "Maty" ara-panahy ny mpanota; rehefa mandray fiainana ara-panahy amin'ny alalan'ny finoana amin'ny alalan'i Kristy izy dia hoarin'ny Baiboly amin'ny olona nateraka indray. Ireo izay nateraka indray ihany no voavela heloka sy manana fifandraisana amin'Andriamanitra.

Ahoana no fitrangan'izany? Efesiana 2:8-9 dia milaza fa "fahasoavana no namonjena anareo amin' ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin' Andriamanitra; tsy avy amin' ny asa, fandrao hisy hirehareha." Rehefa voavonjy ny olona iray dia nateraka indray izy, nohavaozina ara-panahy, ary lasa zanak'Andriamanitra natsangana tamin'ny alalan'ny fahateraham-baovao. Ny fahatokiana an'i Kristy Jesosy, ilay nanefa ny trosan'ny fahotana tamin'ny fahafatesany teo amin'ny hazo fijaliana, no fomba handraisana ny "fahateraham-baovao". "Koa raha misy olona ao amin' i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo." (2 Korintiana 5:17).

Ho henoinao ve ankehitriny ny bitsiky ny Fanahy Masina miteny ao am-ponao raha tsy mbola nametraka ny fahatokianao tamin'ny Tompo Jesosy, nanaiky Azy ho mpamonjy anao ianao? Mila hateraka indray ianao. Hanao ilay vavaka fibebahana mba ho tonga olom-baovao ao amin'i Kristy ve ianao anio? "Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak' Andriamanitra, dia izay mino ny anarany, dia ireo izay tsy nateraky ny r', na ny sitrapon' ny nofo, na ny sitrapon' ny olona, fa naterak' Andriamanitra" (Jaona 1:12-13).

Raha te-handray an'i Jesosy Kristy ho tompo sy hateraka indray ianao dia misy vavaka azonao atao ity. Tsarovy fa ny fanaovana ity vavaka ity na vavaka hafa ihany koa dia tsy hamonjy anao. Ny fahatokiana an'i Kristy irery ihany no hany mamonjy anao amin'ny fahotanao. Ity vavaka ity dia fomba tsotra anehoanao amin'Andriamanitra ny finoanao Azy sy hisaoranao Azy ny amin'ny nanomezany anao famonjena. "Andriamanitra o, fantantro fa nanota teo anatrehanao aho ary mendrika ny ho voaheloka. Kanefa nentin'i Jesosy ny fanamelohana tokony ho ahy ary amin'ny alalan'ny finoako Azy dia afaka mandray famelan-keloka aho. Mametraka ny fahatokiako eo Aminao ho famonjena ahy aho. Misaotra ny amin'ny fahasoavana sy famindram-po lehibe - ny fanomezana fiainana mandrakizay! Amena!"

Nandray fanampahan-kevitra hanaraka an'I Kristy noho ny zavatra novakianao tato ve ianao? Raha izany dia tsindrio ny 'Nandray an'I Jesosy aho androany' etsy ambany.

English



Miverina amin'ny pejy amin'ny teny Malagasy

Inona ny hevitr'izany hoe Krisitiana nateraka indray?
© Copyright Got Questions Ministries