settings icon
share icon
Fanontaniana

Mila mankatoa ny lal'nan'ny Testamenta Taloha ve ny Kristiana?

Valiny


Ny fomba tsotra hamaliana ity fanontaniana ity dia ny fahalalana fa ny lal'nan'ny Testamenta Taloha dia natao ho an'ny Israely fa tsy natao ho an'ny Kristiana. Ny sasany amin'ny lal'na dia nomena ny Israely ahafahany mankatoa sy manao izay mahafaly an'Andriamanitra (ohatra iray amin'izany ny Didy Folo). Ny sasany amin'ny lal'na dia mampiseho ny Israely ny fomba fanompoana an'Andriamanitra sy fanadiovana ny fahotana (lal'na mifehy ny fanatitra). Misy amin'reo lal'na kosa natao hanavahana ny Israely amin'ny firenena hafa (lal'na mifehy ny sakafo sy ny fitafy). Tsy misy mamatotra ny Kristiana ankehitriny ny lal'nan'ny Testameta Taloha. Rehefa maty teo amin'ny hazo fijaliana Jesosy dia nofoanany hatreo ny lal'nan'ny Testamenta Taloha (Romana 10:4; Galatiana 3:23'25; Efesiana 2:15).

Ho solon'ny lal'nan'ny Testamenta Taloha dia fehezin'ny lal'nan'i Kristy isika (Galatiana 6:2), izay tsy inona akory fa ny ' hitia an'ny Jehova Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra, ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra' ary ny hitia ny namanao tahaka ny tenanao ' (Matio 22:37-39). Raha mankatoa ireo lal'na roa ireo isika dia efa manatanteraka avokoa izay rehetra takian'i Kristy amintsika: ' Izany didy roa izany no ihantonan'ny lal'na rehetra sy ny mpaminany. ' (Matio 22:40). Tsy midika anefa izany fa tsy mihatra amin'izao vanim-potoana misy antsika izao ny lal'nan'ny Testamenta Taloha. Betsaka amin'ny lal'nan'ny Testamenta Taloha no mifandraika amin'ny ' fitiavana an'Andriamanitra ' sy ny ' fitiavana ny namana. ' Ny lal'nan'ny Testamenta Taloha dia tari-dalana tsara ho amin'ny fomba hitiavana an'Andriamanitra sy ny zavatra atao hitiavana ny namana. Na izany aza anefa, ny filazana fa mbola fahezin'ny lal'nan'ny Testamenta Taloha ny Kristiana dia tsy mitombina. Tsy azo zarazaraina ny lal'n'ny Testamenta Taloha (Jakoba 2:10), izany hoe arahana manontolo na tsy misy arahana. Raha notanterahin'i Kristy ny sasany tamin'izany lal'na izany, toy ny fanaovana fanatitra ohatra, dia notanterahiny avokoa izy rehetra.

' Fa izao no fitiavana an'Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny. ' (1 Jaona 5:3). Famintinana ny lal'nan'ny Testamenta Taloha rehetra ny Didy Folo. Ny sivy amin'ireo Didy Folo dia naverina notononina ao amin'ny Testamenta Vaovao (ny didy rehetra afatsy ny fanajana ny Sabata). Mazava ho azy fa raha tia an'Andriamanitra isika dia tsy hanompo na hiankohoka amin'ny sampy mihitsy. Raha mitia ny namantsika isika dia tsy hamono azy, hangalatra, handainga, hijangajanga na hitsiriritra ny fananany velively. Ny tanjon'ny Testamenta Taloha dia handresy lahatra ny olona ny amin'ny tsy fahafahany manaraka izay voalazan'ny lal'na ary maneho azy ireo ny filany an'i Jesosy Kristy ho mpamonjy azy (Romana 7:7-9; Galatiana 3:24). Tsy nomen'Andriamanitra ho lal'na manan-kery ho an'ny olona rehetra amin'ny fotoana rehetra akory ny lal'nan'ny Testamenta Taloha. Mila mitia an'Andriamanitra sy ny namantsika isika. Raha mankatoa fatratra ireo lal'na roa ireo isika dia ahatanteraka ny zavatra rehetra izay takian'Andriamanitra amintsika.

English



Miverina amin'ny pejy amin'ny teny Malagasy

Mila mankatoa ny lal'nan'ny Testamenta Taloha ve ny Kristiana?
© Copyright Got Questions Ministries