settings icon
share icon
Fanontaniana

Taiza Jesosy nandritra ny telo andro manelanelana ny nahafatesany sy ny nitsanganany tamin'ny maty?

Valiny


Petera voalohany 3:18'19 dia milaza hoe, ' Fa Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin' Andriamanitra, ka novonoina tamin' ny nofo, fa novelomina tamin' ny fanahy, zay nandehanany sy nitoriany teny tamin' ireo fanahy tao an-trano-maizina. ' Ny teny hoe fanahy dia manambara ny fanahin'i Kristy. Ny fifanoherana dia eo amin'ny nofony sy ny fanahiny fa tsy eo amin'ny nofon'i Kristy sy ny Fanahy Masina. Maty ny nofon'i Kristy fa ny fanahiny kosa dia nitohy niaina hatrany.

Petera voalohany 3:18'22 dia manazava ny fifandraisana eo amin'ny fijalian'i Kristy (andininy 18) sy ny fanandratana Azy (andininy 22). I Petera irery ihany no manome fanazavana mikasika izay nitranga teo anelanelan'ireo vanim-potoana roa ireo. Voalaza fa ' nitory teny ' tamin'ireo fanahy tany an-trano maizina Izy (andininy 19). Ny teny Grika nampiasana hilazana ny fitoriana filazan-tsara dia tsy voatery hitovy mandrakariva amin'ny teny nampiasaina amin'ny Testamenta Vaovao. Midika hoe ' mitondra hafatra izany '; ' manao fanambarana. ' Nijaly ary maty teo amin'ny hazo fijaliana Jesosy ary novonoina ny nofony. Saingy novelomina kosa ny fanahiny ary napetrany teo an-tananan'Andriamanitra izany (Lioka 23:46). Arak'i Petera, dia nanao fanambarana tamin'ny ' fanahy tany an-trano maizina ' Jesosy tao anelanelan'ny nahafatesany sy ny nitsanganany tamin'ny maty.

Ny teny fanahy ao amin'ny Testamenta Vaovao dia hilazana anjely na devoly fa tsy olombelona velively. ' Olona ' no hilazan'i Petera ny olona ao amin'ny 1 Petera 3:20. Tsy misy filazana ihany koa ao amin'ny Soratra Masina milaza fa nitsidika ny helo Jesosy. Ny Asan'ny Apostoly 2:31 dia manambara fa nadeha tany amin'ny fiainan-tsy-hita Jesosy, kanefa tsy helo ny fiaina-tsy-hita. Ny fiainan-tsy-hita dia teny mamaritra ankapobeny ny tontolon'ny maty, toerana vonjy maika hiandrasan'ny maty ny fotoana fananganana. Ny Apokalypsy 20:11'15 dia mampiseho mazava tsara ny fahasamihafana misy eo amin'ny fianina-tsy-hita sy ny farihy mirehetr'afo. Ny farihy mirehitr'afo dia toerana farany halehan'izay rehetra very. Ny fianinan-tsy-hita dia toerana vonjy maika hitoeran'ny very sy ny olo-masin'ny Testamenta Taloha.

Napetraky ny Tompontsika teo amin'ny Ray ny fanahiny, maty ny nofony ary nankany am-paradisa Izy (Lioka 23:43). Teo anelanelan'ny nahafatesany sy ny nitsanganany tamin'ny maty dia nitsidika toerana ary nitondra hafatra ho an'ny fanahy Jesosy (inoana fa ireo anjely tsy nitana ny anjara fanapahany; Joda 1:6); talohan'ny safo-dranon'i Noa no nisian'ireo fanahy ireo (1 Petara 3:20). Tsy milaza amintsika izay notorian'i Jesosy tamin'ireo fanahy an-trano maizina ireo Petera, kanefa azo antoka fa tsy ho fitoriana ho amin'ny fanavotana no nataony satria tsy misy famonjena ho an'ny anjely (Hebreo 2:16). Inoana fa fanambarana ny fandreseny manoloana ny Satana sy ny mpanara-dia azy no nataony (1 Petera 3:22; Kolosiana 2:15). Ny bokin'ny Efesisana 4:8'10 ihany koa dia toa maneho ny zavatra nataon'i Jesosy teo anelanelan'ny nahafatsany sy ny nitsanganany tamin'ny maty. Mampiasa izay voasoratra ao amin'ny Salamo 68:18 i Paoly rehefa milaza ny momban'i Krisity, ' Raha niakatra ho any amin' ny avo Izy, dia nitondra olona maro ho babo Ka nanome fanomezana ho an' ny olona. ' (Efesiana 4:8). ' Nitondra olona maro ho babo ' i Kristy. Ny fahitana izany dia, namory ireo rehetra nahazo famelan-keloka tany am-paradisa Jesosy ary nitondra azy ireo tany amin'ny toerana tokony hisy azy mandrakizay any an-danitra.

Izany rehetra izany dia ahafahana milaza fa tsy tena nazava ny zavatra nataon'i Kristy nandritra ny telo andro nanelanelana ny nahafatesany sy ny nitsanganany tamin'ny maty. Ny hany azo ambara dia nampahery ireo olona masina rehetra efa maty izy ary nitondra azy ireny tany amin'ny toerana tokony hisy azy mandrakizay; ary ihany koa nanambara ny fandreseny tamin'ireo anjely tsy nintana ny anjara fanapahany izay nidy tany an-trano maizina. Ny zavatra azo antoka tanteraka dia tsy nitory famonjena na tamin'iza na tamin'iza Jesosy; mihatrika fitsarana isika aorian'ny fahafatesana (Hebreo 9:27), ary tsy misy fanantenana intsony aorian'izany. Tsy nijaly tany amin'ny helo ihany koa izy satria efa vitany teo amin'ny hazo fijaliana avokoa ny asa famonjena rehetra (Jaona 19:30).

English



Miverina amin'ny pejy amin'ny teny Malagasy

Taiza Jesosy nandritra ny telo andro manelanelana ny nahafatesany sy ny nitsanganany tamin'ny maty?
© Copyright Got Questions Ministries