settings icon
share icon
Fanontaniana

Inona no mitranga aorian'ny fahafatesana?

Valiny


Betsaka ny ady hevitra mikasika ny zavatra mitranga aorian'ny fahafatesana eo anivon'ny fivavahana Kristiana. Ny sasany mino fa aorian'ny fahafatesana dia ' matory ' ny olona mandrapahatongan'ny fotoana fitsarana ka handefasana azy any an-danitra na helo. Misy ireo mino fa tsaraina avy hatrany ny olona aorian'ny fahafatesana ary alefa any amin'izay toerana tokony hisy azy mandrakizay. Misy ihany koa ireo milaza fa rehefa maty dia makany amin'ny lanitra na helo ' vonjy maika ' ny fanahy mandrapahatongan'ny fitsanganan'ny tenan'ny maty, ny fitsarana farany ary ny fandefasana azy any amin'ny mandrakizay. Ka inona marina ary no ambaran'ny Baiboly mikasika ny zavatra mitranga aorian'ny fahafatesana?

Ny rehetra mino an'i Jesosy Krisity dia makany an-danitra ny fanahiny, araka izay ambaran'ny Baiboly, satria voavela ny helony noho ny fandraisany an'i Krisity ho mpamonjy azy (Jaona 3:16, 18, 36). ' Fandaozana ny vatana ary fodiana any amin'ny Tompo ' ny fahafatesana ho an'ny mpino (2 Korintiana 5:6-8; Filipiana 1:23). Na izany aza anefa dia misy Soratra Masina toy ny 1 Korintiana 15:50-54 sy 1 Tesaloniana 4:13-17 milaza fa ny mpino mitsanga amin'ny maty dia omena vatana vaovao. Inona ny hil'na ny fitsanganan'ny tenanan'ny maty raha toa ka makany amin'i Kristy avy hatrany ny mpino aorian'ny fahafatesana? Na dia makany amin'ny Kristy avy hatrany aza ny fanahin'ny mpino aorian'ny fahafatesana dia mbola ' matory ' ao amin'ny fasana ny vatany. Amin'ny fitsanganan'ny tenan'ny maty dia mahazo vatana vaovao ary ampiraisina indray ny fanahy sy ny vatana. Ity fihaonan'ny vatana vaovao sy ny fanahy ity no fiatombohan'ny fonenan'ny mpino mandrakizay any amin'ny lanitra sy tany vaovao (Apokalypsy 21-22).

Manaraka izany, midika fijaliana mandrakizay ny fahafatesana ho an'izay rehetra tsy nandray an'i Jesosy Kristy ho mpamonjy azy teo amin'ny fiainany. Na izany aza anefa dia makany amin'ny toerana vonjy miaka tahaka ny mpino ihany koa ny olona tsy mpino, mandrapahatongan'ny fitsanganan'ny tenan'ny maty, ny fitsarana, sy ny fiainana mandrakizay. Milaza momba ny lehilahy mpanankarena nijaly avy hatrany taorian'ny fahafatesana ny bokin'ny Lioka 16:22-23. Ny Apokalypsy 20:11-15 dia milaza momba ireo tsy mpino hatsangana sy tsaraina eo amin'ny fitsarana fotsy lehibe, ary alefa any amin'ny farihy mirehitr'afo. Tsy mandeha any amin'ny helo (farihy mirehitr'afo) avy hatrany araka izany ny tsy mpino, fa kosa mankany amin'ny toeram-pitsarana sy fanamelohana vonjy maika. Eny fa na dia tsy mivantana any amin'ny helo aza ny tsy mpino, dia tsy toerana mahafinaritra no misy azy aorian'ny fahafatesana. Nitairaina ilay lehilahy manan-karena nanao hoe, ' mijaly aho ato anatin'ity afo mivaivay ity aho. ' (Lioka 16:24).

Noho izany dia any amin'ny lanitra na helo ' vonjy maika ' no misy ny olona aorian'ny fahafatesana. Aorian'ity toerana vonjy maika ity, aorian'ny fitsanganan'ny tenan'ny maty, dia tsy miova intsony ny lalana hizoran'ny fiainan'ny olona. Ny ' toerana ' no miova. Ireo mpino dia hahazo fahazoan-dalana hiditra mandrakizay ao amin'ilay lanitra sy tany vaovao (Apokalypsy 21:1). Ireo tsy mpino kosa dia handeha mandrakizay any amin'ny farihy mirehitr'afo (Apokalypsy 20:11-15). Izany ny mandrakizain'ny olon-drehetra'ary ny finoany an'i Jesosy Kristy ho amin'ny famonjena irey ihany no maha samihafa izany l'lana izany (Matio 25:46; Jaona 3:36).

English



Miverina amin'ny pejy amin'ny teny Malagasy

Inona no mitranga aorian'ny fahafatesana?
© Copyright Got Questions Ministries