settings icon
share icon
Fanontaniana

Inona no maha zava-dehibe ny fanaovana batisa ny Kristiana?

Valiny


Iray amin'ireo zavatra roa nafaran'i Jesosy ny fiangonana ny batisa. Talohan'ny niakarany dia nanafatra Jesosy hoe, ' mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny anaran' ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny fahataperan'izao tontolo izao. ' (Matio 28:19'20). Maz'va izany toro-lalana izany fa andraikitry ny fiangonana ny mitondra ny fampianaran'i Jesosy, manao mpianatra ary manao batisa ireo mpianatra ireo. Mila atao amin'ny toerana rehetra (izao tontolo izao) izany ary mandrapahatongan'ny ' fahataperan'izao tontolo izao. ' Na tsy hihevitra ny antony hafa aza dia zava-dehibe ny batisa satria didy napetrak'i Jesosy izany.

Efa nisy talohan'ny niforonan'ny fiangonana ny batisa. Nataon'ny Jiosy batisa tamin'izany fotoana izany ny proselita ho mariky ny fibebahana sy fandraisana ny ' fanadiovana. ' Ny batisan'i Jaona dia nanomana ny fahatongavan'ny Tompo, nanentanana ny rehetra, eny fa na ny Jiosy aza, handray izany batisa izany satria ny rehetra no mila fibebahana. Na izany aza anefa ny batisan'ny fibebahan'i Jaona dia tsy mitovy amin'ny batisan'ny Kristiana izay hita ao amin'ny Asan'ny Apostoly 18:24'26 sy 19:1'7. Misy hevitra lalina kokoa ny batisa Kristiana.

Mila atao amin'ny anaran'ny Ray, sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina izany batisa izany'ary izay no maha batisa ' Kristiana ' azy. Amin'ny alalany no hidiran'ny olona iray ao amin'ny fihombonan'ny fiangonana. Mandray ny batisan'ny Fanahy hidirana ao amin'ny vatan'ny Krisity, na ny fiangonana, isika rehefa mandray famonjena. Korintiana voalohany 12:13 dia milaza hoe, ' Fa Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray, na Jiosy na jentilisa, na andevo na tsy andevo; ary isika rehetra dia efa nampisotroina ny Fanahy iray. ' Ny batisan'ny rano dia ' fanehoana ' ilay batisan'ny Fanahy.

Ny batisa Kristiana no fomba hanehoan'ny olona iray ampahibemaso ny finoany sy ny maha mpianatra azy. Amin'ny alalan'ny batisan'ny rano dia manambara na dia tsy miteny aza ny olona iray fa, ' manaiky sy mino an'i Kristy; mandray ny fanadioavan'i Jesosy ny fanahiny amin'ny fahotana, ary mandray ilay fiainam-baovao sy ilay fanamasinana. '

Maneho amin'ny fomba miharihary ny fahafatesana, fandevenana ary ny fitsanganan'i Kristy tamin'ny maty ny batisa Kristiana. Maneho ihany koa ny fahafatesantsika ho amin'ny fahotana sy fiainam-baovao ao amin'ny Kristy izany. Rehefa manaiky ny Tompo Jesosy ny mpanota iray dia maty ho amin'ny fahotana izy (Romana 6:11) ary hatsangana ao amin'ny fiainana vaovao (Kolosiana 2:12). Ny fidirana ao anaty rano dia mampiseho ny fahafatesana ho amin'ny fahotana, ary ny fivoahana ao anaty rano dia mampiseho ny fiainana madio sy masina aorian'ny famonjena. Toy izao manaraka izao ny hanambaran'ny Romana 6:4 momba ny batisa: ' Koa niara-nalevina taminy tamin'ny batisa ho amin'ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an'i Kristy tamin'ny maty tamin'ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin'ny fiainam-baovao. '

Raha tsorina dia fijoroana vavolom-belona ny amin'ny fiovana ao anatin'ny mpino ny batisa. Fankatoavana ny Tompo aorian'ny famonjena ny batisa Kristiana. Na dia mifandraika amin'ny famonjena aza ny batisa dia tsy zavatra takiana ho amin'ny famonjena. Hita matetika ao amin'ny Baiboly fa mino an'ny Tompo Jesosy ny olona aloha (1) avy eo vao atao batisa (2). Hita izany ao amin'ny bokin'ny Asan'ny Apostoly 2:41, ' Ary izay nandray tsara ny teniny dia natao batisa. ' (Jereo ihany koa ny Asan'ny Apostoly 16:14'15).

Ny olona vao nandray an'i Jesosy Kristy dia tokony haniry ny hatao batisa haingana araka izay azo atao. Nitory ny filazantsaran'i Jesosy tamin'ilay enoka Etopiana i Filipo ao amin'ny Asan'ny Apostoly 8, ary teny andalana raha nahita rano izy ireo dia niteny ilay enoka hoe, ' Indro rano, ka inona moa no misakana ahy tsy hatao batisa? ' (and. 35'36). Najanona avy hatrany ny kalesy ary nataon'i Filipo batisa ilay lehilahy.

Ny batisa dia mampiseho ny fihombonana amin'ny fahafatesana, fandevenana ary ny fitsanganan'i Kristy tamin'ny maty. N'aiza n'aiza hitoriana ny filazan-tsara sy hitarihana ny olona ho amin'ny finoana an'i Krisity dia mila atao batisa izy.

English



Miverina amin'ny pejy amin'ny teny Malagasy

Inona no maha zava-dehibe ny fanaovana batisa ny Kristiana?
© Copyright Got Questions Ministries