settings icon
share icon
Fanontaniana

Inona no hambaran'ny Baiboly mikasika ny tombokavatsa sy ny kavina amin'ny vatana?

Valiny


Nanome didy ny Israelita ny Testamenta Taloha, ' Ary aza mitetika ny tenanareo noho ny maty, na manao tombokavatsa amin'ny tenanareo. Izaho no Jehovah ' (Levitikosy 19:28). Koa satria nisy didy manohitra ny fanaovana tombokavatsa dia tsara ihany ny mametraka fanontaniana eny fa na dia tsy eo ambanin'ny lalanan'ny Testamenta Taloha aza ny Kristiana ankehitriny (Romana 10:4; Galatiana 3:23'25; Efesiana 2:15). Tsy misy resaka mikasika ny tombokavatsa ao amin'ny Testamenta Vaovao.

Izao no baiko azontsika ao amin'ny 1 Petera 3:3'4: ' Ary aoka ny firavahanareo tsy ho zavatra eny ivelany, toy ny firandranam-bolo sy ny firava-bolamena na ny fiakanjoana; Fa aoka ho teotra miafana ao am-po, izay tsy mety ho l', dia ny fanahy malemy sady miadana, izay soa indrindra eo imason'Andriamanitra. ' Marina fa natao ho an'ny vehivavy Kristiana ity andalan-tsoratra masina ity kanefa mety misy zavatra azo raisina izay mifandraika amin'ny lohahevitsika: iray amin'izany lesona izany ny tsy tokony hifatohan'ny saintsika amin'ny endrika ivelany. Betsaka ny fihezahana hanatsara ny ' firafitry ny volo ' sy ny ' fitafiana ' ary ny firavaka kanefa tsy any amin'izany no tena hatsaran-tarehin'ny vehivavy. Dia toy izay ihany koa ny tombokavatsa sy ny kavina amin'ny vatana dia ' firavaka ivalany ' ka tokony ho amin'ny fampivelarana ny toetra anaty no hifatohantsika bebe kokoa, na ho an'ny lehilahy na ho an'ny vehivavy.

Raha ny tombokavatsa sy ny kavina amin'ny vatana no resahina dia mametraha fanontaniana amin'ny tenanao raha afaka mangataka amin'ny fo madio sy tsy misy fanamelohan-tena ianao mba hitahian'Andriamanitra sy hampiasany izany ho amin'ny sitrapony. ' Koa amin'izany, na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo dia ataovy ho voninahitr'Andiramanitra izany rehetra izany. ' (1 Korintiana 10:31). Tsy misy didy manokana manohitra ny fanaovana tombokavatsa sy kavina amin'ny vatana ao amin'ny Testamenta Vaovao, kanefa tsy manome antsika fahafahana izany hievitra fa tsy mampaninona an'Andriamanitra ny fanaovantsika tombokavatsa na kavina amin'ny vatana.

Fomba iray hiatrehana lohahevitra iray izay tsy tena mazava ao amin'ny Soratra Masina dia ny tsy fanaovana izany rehefa misy fanahiana na tsy azo antoka tanteraka ny maha sitrapon'Andriamanitra azy. Romana 14:23 dia mampatsiahy antsika fa izay rehetra tsy avy amin'mny finoana dia fahotana. Mila mahatsiaro isika fa ny vatantsika sy ny fanahintsika dia navotan'Andriamanitra ary Azy. Na dia tsy miresaka mivantana ny tombokavatsa sy ny kavina amin'ny vatana aza ny 1 Korintiana 6:19'20 dia mampianatra antsika zavatra izany: ' Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin'ny Fanahy Masina, izay ao anatinareo sady efa azononareo tamin'Andriamanitra? Ka tsy tompon'ny tenanareo hianareo. Fa olom-boavidy hianareo. Koa mankalaz' an'Andriamanitra amin'ny tenanareo. ' Ity fahamarinana lehibe ity dia tokony hametra izay zavatra ataontsika sy hitondrantsika ny vantantsika. Raha toa ka an'Andriamanitra ny vantantsika dia mila mahazo antoka isika fa mahazo ' alalana ' avy any aminy alohan'ny hanamarihantsika izany amin'ny tombokavatsa sy ny kavina amin'ny vatana.

English



Miverina amin'ny pejy amin'ny teny Malagasy

Inona no hambaran'ny Baiboly mikasika ny tombokavatsa sy ny kavina amin'ny vatana?
© Copyright Got Questions Ministries