settings icon
share icon
Fanontaniana

Inona no ambaran'ny Baiboly mikasika ny fisotroana toaka/divay? Manota ve ny Kristiana misotro toaka/divay?

Valiny


Betsaka ny zavatra ambaran'ny Soratra Masina mikasika ny fisotroana toaka (Levitikosy 10:9; Nomery 6:3; Deoteronomy 29:6; Mpitsara 13:4, 7, 14; Ohabolana 20:1; 31:4; Isaia 5:11, 22; 24:9; 28:7; 29:9; 56:12). Na izany aza nefa dia tsy manohitra mivantana ny fisotroan'ny Kristiana labiera, divay na zava-pisotro misy alk'la ny Soratra Masina. Raha ny marina aza dia toa mampirisika ny alk'la ny andalana sasany. Mpitoriteny 9:7 dia milaza hoe, ' sotroy amin'ny fo falifaly ny divainao ' Salamo 104:14-15 dia milaza fa Andriamanitra dia manome divay izay ' mampifaly ny fon'ny olom-belona mety maty. ' Amosa 9:14 dia miresaka momba ny fisotroana divay avy amin'ny tanim-boaloboka ho porofon'ny fitahian'Andriamanitra azy ireo. Isaia 55:1 dia mamporisika hoe, ' Eny, avia, mividia divay sy ronono''

Ny zavatra raran'Andriamanitra ho an'ny Krisitiana mikasika ny alk'la dia ny fimamoana (Efesiana 5:18). Manameloka ny fimamoana sy ny vokany ny Baiboly (Ohabolana 23:29-35). Mandidy ny Krisitiana ihany koa ny Baiboly tsy hamela ny vatany ho ' fehezin-javatra ', na inona izany na inona (1 Korintiana 6:12; 2 Petera 2:19). Tsy azo lavina fa ny fisotrona zava-pisotro misy alk'la be loatra dia mamatotra. Ny Soratra Masina ihany koa dia mandrara ny Krisitana tsy hanafitohana ny Kristiana hafa na hanao zavatra manimba ny fieritreretany (1 Korintiana 8:9-13). Araka ireo zavatra voalaza ireo dia sarotra amin'ny Kristiana ny hanambara fa ho voninahitr'Andriamanitra ny antony hosotroany toaka betsaka (1 Korintiana 10:31).

Nanova ny rano ho divay Jesosy. Raha ny marina aza dia nisy fotoana nisotroan'i Jesosy divay (Jaona 2:1-11; Matio 26:29). Tamin'ny andron'ny Testamenta Vaovao dia tsy nisy ny rano madio azo sotroina. Koa satria tsy nisy ny fomba fanadiovana m'derina hananantsika ankehitriny dia feno aretina sy bibikely isan-karazany ny rano. Betsaka amin'ny firenena andalam-pandrosoana no mbola manana izay olana izany ankehitriny. Noho izany dia nisotro divay (na ranom-boaloboka) ny olona noho izany azo antoka kokoa. Ao amin'ny 1 Timoty 5:23, dia manoro hevitra an'i Timoty i Paoly mba tsy hisotro rano (izay niteraka aretim-bavony ho azy) fa kosa hisotro divay. Misy alk'la ny divay tamin'izany fotoana izany kanefa tsy voatery hitovy amin'ny taharon'ny alk'lan'ny divay ankehitriny. Tsy marina ny filazana fa ranom-boaloboka no resahin'ny Baiboly rehefa miresaka divay, kanefa tsy marina ihany koa ny filazana fa mitovy amin'ny divay misy ankehitriny ny divay tamin'izany fotoana izany. Averina indray zany fa tsy mandrara ny fisotroan'ny Kristiana labiera, divay na zava-pisotro misy alk'la ny Soratra Masina. Ny alk'la amin'ny maha alk'la azy dia tsy fahotana. Ny fimamoana sy ny fatotry ny alk'la no tokony halavirin'ny Kristiana fatratra (Efesiana 5:18; 1 Korintiana 6:12).

Ny fisotroana zava-pisotro misy alk'la kely dia tsy manimba sady tsy mamatotra. Raha ny marina aza dia misy dokotera mampirisika ny fisotraoana divay mena kely ho amin'ny fahasalamana, indrindra ny fahasalaman'ny fo. Ao anatin'ny fahafahana amin'ny maha Kristiana ny fahafahana misotro zava-pisotro misy alk'la kely. Ny fimamoana sy ny famatoran'ny toaka dia fahotana. Na izany aza anefa, noho fampitandremana omen'ny tenin'Andriamanitra mikasika ny fisotroana sy ny vokany, ny fakampanahy hisotro betsaka, sy mety hitondrana fanafitohianana ho an'ny hafa dia tsara kokoa ho an'ny Kristiana raha tsy mikasika zava-pisotro misy alk'la.

English



Miverina amin'ny pejy amin'ny teny Malagasy

Inona no ambaran'ny Baiboly mikasika ny fisotroana toaka/divay? Manota ve ny Kristiana misotro toaka/divay?
© Copyright Got Questions Ministries