settings icon
share icon
Fanontaniana

Inona no ambaran'ny Soratra Masina mikasika ny sodomia? Fahotana ve ny sodomia?

Valiny


Manambara amintsika matetika ny Baiboly fa ny sodomia dia fahotana (Genesisy 19:1-13; Levitikosy 18:22; Romana 1:26-27; 1 Korintiana 6:9). Ny Romana 1:26-27 dia mampianatra manokana fa ny sodomita dia avy amin'ny fandavana sy tsy fankatoavana an'Andriamanitra. Rehefa mitohy miaina amin'ny fahotana sy tsy finoana ny olona dia avelan'Andriamanitra ho any amin'ny fahotana lehibe kokoa hanehoany ny maha zava-poana ny fiainana lavitra an'Andriamanitra. 1 Koritiana 6:9 dia manambara mazava fa ny sodomita dia tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra.

Andriamanitra tsy namorona olona hanana faniriana ara-nofo amin'ny olona mitovy aminy. Fahotana no mahatonga ny olona ho lasa sodomita araka izay ambaran'ny Baiboly (Romana 1:24-27) kanefa vokatry ny safidy izay raisiny eo amin'ny fiainany ihany koa izany. Mety ho avy any ambohoka dia efa ao anatin'ny olona iray ny fitiavana olona mitovy aminy, toy ny olona manana toetra maherisetra na fahotana hafa izay efa nentina avy any am-bohoka. Izany anefa dia tsy azo atao ho fialan-tsiny ny amin'ny safidin'ny olona hanota sy hanaraka izay baikon'ny ota eo amin'ny fiainany. Raha nitondra toetra maherisetra sy tezitra avy any ambohoka ny olona iray dia manome azy alalana hanaraka sy hitondra ny fiainany amin'ny fahatezerana ve izany? Tsia, mazava ho azy! Dia toy izany ihany koa ny amin'ny sodomia.

Na izany na tsy izany aza nefa dia tsy misy filazana ao amin'ny Baiboly manambara fa ' lehibe ' noho ny fahotana hafa ny sodomia. Ny fahotana rehetra dia mandratra ny fon'Andriamanitra. Iray amin'ireo zavatra maro voalaza ao amin'ny 1 Korintiana 6:9-10 izay manakana ny olona tsy hiditra ny fanjakan'Andriamanitra izany. Araka ny Baiboly dia malalaka ho an'ny rehetra ny famelan-kelok'Andriamanitra, na ho an'ny sodomita izany, na ny mpijangajanga, na mpanompo sampy, na mpamono olona na mpangalatra, sns. Andriamanitra dia nampanantena ihany koa hanome hery handresena ny fahotana ho an'izay rehetra mino an'i Jesosy Kristy ho famonjena azy ary ao anatin'izany ny sodomia (1 Korintiana 6:11; 2 Korintiana 5:17; Filipiana 4:13).

English



Miverina amin'ny pejy amin'ny teny Malagasy

Inona no ambaran'ny Soratra Masina mikasika ny sodomia? Fahotana ve ny sodomia?
© Copyright Got Questions Ministries