settings icon
share icon
Fanontaniana

Inona no ambaran'ny Baiboly mikasika ny fisaraham-panambadiana sy ny fanambadiana aorian'ny fisarahana?

Valiny


Alohan'ny zavatra rehetra dia tsara ny mahatsiaro ny voasoratra ao amin'ny Malakia 2:16, na inona na inona hevitrao mikasika ny fisaraham-panambadiana: Fa halako ny fisaoram-bady, hoy Jehovah, Andriamanitry ny Israely. Mandrak'izay ny fanambadiana raha ny Baiboly no jerena. Ka dia tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany. Koa amin izany, izay nampiraisin Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin olona (Matio 19:6). Koa satria olona roa manana natiora mpanota no mifandray ao anatin ny fanambadiana dia fantatr'Andriamanitra fa zavatra mety hitranga ny fisarahana. Nametraka lal na ho fiarovana ny zon'ny tsirairay, indrindra ny vehivavy, ao anatin'ny fisarahana Andriamanitra ao amin'ny Testamenta Taloha (Deoteronomy 24:1-4). Nanambara Jesosy fa nomena noho ny hamafin'ny fon'olona ireny lal na ireny fa tsy sitrapon'Andriamanitra velively akory (Matio 19:8).

Ny tsy fitovian-kevitra manodidina ny fisarahana sy fanambadiana aorian'ny fisarahana dia avy amin'ny tenin'i Jesosy ao amin'ny Matio 5:32 sy 19:9. Ilay teny afatsy noho ny fijangajangana ihany no hany manome halalana hisaraka sy hiverina hanambady ao amin'ny Soratra Masina. Betsaka amin'ny mpandinika Soratra Masina ny milaza fa io fahafahana tokana io dia mikasika ny fijangajangana mandritra ny fotoana fifamofoana. Ny lehilahy sy vehivavy mpifamofo araka ny fomba Jiosy dia efa noraisina ho toy ny mpivady sahady. Ny fijangajangana mandritra io fotoana io ihany araka izany no hany ahazoana misaraka.

Tsara ho fantatra fa ny teny fijangajangana amin'ny teny Grika dia miseho amin'ny endrika isan-karazany. Afaka midika ho filan-dratsy, fivarotan-tena, fijangajangana, sns. izany. Azo atao izany ny misaraka araka ny filazan'i Jesosy raha nisy ny fijangajangana. Ny firaisana ara-nofo dia voatokana tanteraka ho amin'ny fanambadiana: ho nofo iray ihany izy roroa (Genesisy 2:24; Matio 19:5; Efesiana 5:31). Ny fandikana izany fefin'ny fanambadiana izany amin'ny alalan'ny fanaovana firaisana ivelan'ny fanambadiana dia antony iray ahazoana alalana hisaraka. Arak izany, dia ao anatin'ny tian'i Jesosy hambara ihany koa ny fahafahana manambady aorian'ny fisarahana. Ny teny hoe mampakatra ny hafa (Matio 19:9) dia mampiseho fa ny fanambadiana aorian'ny fisarahana dia azo atao araka ilay fepetra napetraka, araka ny fahazoan'ny olona izany fepetra izany. Zava-dehibe no manamarika fa ilay iray tsy nijangajanga no afaka miverina manambady aorian'ny fisarahana. Na dia tsy voalaza mivantana aza dia famindram-pon'Andriamanitra ho an'ilay voafitaka tao anaty tokan-trano ny fahafahana miverina manambady fa tsy ho an'ilay namitaka sy nijangajanga velively akory. Mety misy fotoana ahazoan'ilay diso miverina manambady kanefa tsy eto amin'ity fampianarana ity no hiresahana izany.

Misy ihany koa ny mandray ny 1 Korintiana 7:15 ho toy ny fahazoan-dalana hafa, ahafahana hiverina manambady raha vady tsy mpino no nandray fanapahan-kevitra hisaraka amin'ny vadiny izay mpino. Marihina fa mamela ilay mpino hisaraka ity fampianarana ity raha te hisaraka ilay vady tsy mpino, fa tsy miresaka fahafahana hiverina hanambady velively. Misy ihany koa ny manambara fa ny fampijaliana (ny vady na ny zanaka) dia antony iray ahafahana misaraka na dia tsy voalaza mazava ao amin'ny Baiboly aza izany. Na mitombona aza izany fijery rehetra izany dia tsy fahendrena loatra ny manonona zavatra tsy voasoratra ho tenin'Andriamanitra.

Variana miady hevitra ny amin'ny fahafahana na tsy fahafahana misaraka ny olona indraindray ka manadino fa ny fijangajangana dia manome alalana hisaraka fa tsy midika velively ho tsy maintsy misaraka. Na dia nisy aza ny fijangajangana dia afaka mianatra mifamela sy mamerina manorina tokan-trano ao ambanin'ny fahasoavan'Andriamanitra ny mpivady. Betsaka ny zavatra navelan'Andriamanitra tamin'ny nataontsika. Azontsika atao tsara ny manaraka ny nataony ary mamela, eny fa na dia ny fijangajangana aza (Efesiana 4:32). Matetika nefa tsy vonona hiova ilay nijangajanga ary mitohy manao izany hatrany. Amin'izay fotoana izay dia azo ampiharina tsara izay voasoratra ao amin'ny Matio 19:9. Betsaka ihany koa ny mitady ny hiverina hanambady haingana loatra aorian'ny fisarahana kanefa mety ho mpitovo no sitrak'Andriamanitra eo amin'ny fiainany. Misy fotoana hiantsoan'Andriamanitra olona ho mpitovo mba tsy hizarazara ny sainy (1 Korintiana 7:32-35). Ny fiverenana manambady dia isan'ny zavatra azo atao aorian'ny fisarahana fa tsy midika ho zavatra tsy maintsy atao akory.

Mandrera-tsaina ny mahita fa mitombo ary mila hitovy amin'ny tsy mpino ny isan'ny fisarahana eo amin'ny olona mitono-tena ho Kristiana. Mazava ny Tenin'Andiramanitra: halany ny fisaoram-bady (Malakia 2:16) ka ny fameranana fifandraisana sy fifamelana no tokony ho famantarana ho an'ny manodidina ny mpino (Lioka 11:4; Efesiana 4:32). Andriamanitra nefa dia mahalala fa na eo amin'ny samy zanany aza dia mety hitranga ny fisarahana. Ny mpino nisaraka sy/na niverina nanambady dia tsy tokony hatsiaro ankilabao manolona ny fitiavan'Andriamanitra eny fa na dia tsy tafiditra ao anatin'izay voalaza ao amin'ny Matio 19:9 aza izany fisarahana sy/na fanambadiana vaovao izany. Azon Andriamanitra ampiasaina na dia ny tsy fankatoavana goavana aza hitondrana zava-tsoa.

English




Miverina amin ny pejy amin ny teny Malagasy



Inona no ambaran'ny Baiboly mikasika ny fisaraham-panambadiana sy ny fanambadiana aorian'ny fisarahana?

© Copyright Got Questions Ministries