settings icon
share icon
Fanontaniana

Inona no ampianarin'ny Baiboly mikasika ny Telo Izay Iray?

Valiny


Ny maha sarotra ny resaka momba ny Telo Izay Iray dia ny tsy fahafahana mitondra fanazavana mazava momba izany. Zavatra sarotra ho an'ny olombelona ny mahazo tanteraka, sy manazava, ny momban'ny Telo Izay Iray. Lehibe lavitra noho isika Andriamanitra ary tsy tokony hihevitra fa ho takatsika tanteraka ny momba Azy. Mampianatra ny Baiboly fa Andriamanitra ny Ray, Andriamanitra Jesosy ary Andriamanitra ny Fahany Masina. Mampianatra ihany koa ny Baiboly fa iray ihany Andriamanitra. Na dia misy zavatra azontsika aza ny fifandraisana sy fiaraha-miasa misy eo amin'izy telo, dia tsy ho takatry ny saintsika, voafetra, manontolo izany. Tsy midika velively nefa izany fa tsy mitombona na tsy mifanaraka amin'ny Baiboly ny fampianarana mikasika ny Telo Izay Iray.

Andriamanitra iray miseho amin'ny endrika telo ny Telo Izay Iray. Aoka hazava fa tsy Andriamanitra telo akory no resahina eto. Tsarovy ihany koa fa ny teny hoe Telo Izay Iray dia tsy voasoratra ao amin'ny Baiboly. Teny nampiasaina hamaritana ilay Andiramanitra telo izay iray fotsiny izany'telo miara-mitoetra, miara-maharitra mandrakizay. Ny zava-dehibe dia ny mahafantatra fa ny hevitra ambadiky ny teny ' Telo Izay Iray ' dia hita ao amin'ny Soratra Masina. Izao manaraka izao no ambaran'ny tenin'Andriamanitra mikasika ny Telo Izay Iray:

1) Iray Andriamanitra (Deoteronomy 6:4; 1 Korintiana 8:4; Galatiana 3:20; 1 Timoty 2:5).

2) Olona telo no hita ao amin'ny Telo Izay Iray (Genesisy 1:1, 26; 3:22; 11:7; Isaia 6:8, 48:16, 61:1; Matio 3:16-17, 28:19; 2 Korintiana 13:14). Anarana milaza olona mihoatra ny iray ny hanoratana ny Elohim ao amin'ny Genesisy 1:1. Ny teny hoe ' isika ' no miasa ao amin'ny Genesisy 1:26, 3:22, 11:7 sy Isaia 6:8. Ny teny Elohim sy ny teny hoe ' isika ' dia ampiasaina hilazaina olona maro, mihoatra ny iray, amin'ny teny Hebreo. Na dia tsy manazava tanteraka ny Telo Izay Iray azy izany dia mampiseho kosa fa misy singa vitsivitsy ao amin'Andriamanitra. Ny teny Hebreo Andriamanitra na Elohim dia mampiseho tanteraka ny Telo Izay Iray.

Ny Zanaka no miteny ao amin'ny Isaia 48:16 sy 61:1 ary miresaka momba ny Ray sy ny Fanahy Masina Izy. Mba hanamarinana fa ny Zanaka marina no miteny dia ampitahao ny Isaia 61:1 sy ny Lioka 4:14-19. Mitantara ny nanaovana batisa an'i Jesosy ny Matio 3:16-17. Eo amin'ity andalan-tsoratra masina ity dia hita ny Andriamanitra Fanahy Masina midina eo amin'Andriamanitra Zanaka ary Andriamanitra Ray manambara ny fankasitrahany ny Zanaka. Ohatra hafa ahitana ireo singa telo ao amin'ny Telo Izay Iray ireo ihany koa ny Matio 28:19 sy 2 Korintiana 13:14.

3) Betsaka ny andalan-tsoratra masina mampiseho ny fiavahana misy eo amin'izy Telo Izay Iray. Miavaka amin'i ' JEHOVAH ' ' Jehovah ' ao amin'ny Testamenta Taloha (Genesisy 19:24; Hosea 1:4). Manana Zanaka JEHOVAH (Salamo 2:7, 12; Ohabolana 30:2-4). Miavaka i ' JEHOVAH ' (Nomery 27:18) sy ' Andriamanitra ' (Salamo 51:10-12) ny Fanahy. Miavaka amin'Andriamanitra Zanaka i Andriamanitra Ray (Salamo 45:6-7; Hebreo 1:8-9). Ao amin'ny Testamenta Vaovao dia miresaka amin'ny Ray momba ny fandefasana ilay Mpanampy, ny Fanahy Masina, Jesosy (Jaona 14:16-17). Mampiseho izany fa tsy mihevitra ny tenany ho ny Ray na ny Fanahy Masina Jesosy. Hevero ihany koa ny fotoana rehetra ao amin'ny Filazantsara ahitana an'i Jesosy miresaka amin'ny Ray. Niteny irery ve Izy? Tsia. Niresaka tamin'ny singa irain'ny Telo Izay Iray, Izy dia tsy iza izany fa ny Ray.

4) Ny singa tsirairay ao amin'ny Telo Izay Iray dia Andriamanitra. Andriamanitra ny Ray (Jaona 6:27; Romana 1:7; 1 Petera 1:2). Andriamanitra ny Zanaka (Jaona 1:1, 14; Romana 9:5; Kolosiana 2:9; Hebreo 1:8; 1 Jaona 5:20). Andriamanitra ny Fanahy Masina (Asa 5:3-4; 1 Korintiana 3:16).

5) Misy fifankatoavana eo amin'ny singa tsirairain'ny Telo Izay Iray. Ny Soratra Masina dia mampiseho fa ny Fanahy Masina dia makatoa ny Ray sy ny Zanaka, ary ny Zanaka dia mankatoa ny Ray. Fifandraisana mandrakizay izany ary tsy mampihena ny maha Andriamanitra ny singa hafa ao amin'ny Telo Izay Iray. Isan'ireo sehatra goavana momban'ilay Andriamanitra lehibe izay tsy takatry ny saintsika, izay voafetra ihany, izany. Jereo ny Lioka 22:42, Jaona 5:36, Jaona 20:21, ary ny 1 Jaona 4:14 raha hijery ny momba ny Zanaka. Ny momba ny Fanahy Masina dia hita ao amin'ny Jaona14:16, 14:26, 15:26, 16:7, ary indrindra indrindra ao amin'ny Jaona 16:13-14.

6) Samy manana ny asany ny singa tsirairay ao amin'ny Telo Izay Iray. Ny Ray no loharano nipoiran'izao tontolo izao (1 Korintiana 8:6; Apokalypsy 4:11); ny fanambarana (Apokalypsy 1:1); famonjena (Jaona 3:16-17); ary ny asan'i Jesosy tety an-tany (Jaona 5:17, 14:10). Fanapahan-kevitry ny Ray izany rehetra izany.

Amin'ny alalan'ny Zanaka no hanaovan'ny Ray ireto asa manaraka ireto: ny famoronana sy ny fiazonana izao tontolo izao (1 Korintiana 8:6; Jaona 1:3; Kolosiana 1:16-17); ny fanambarana (Jaona 1:1, 16:12-15; Matio 11:27; Apolkalypsy 1:1); ary ny famonjena (2 Korintiana 5:19; Matio 1:21; Jaona 4:42). Ny Ray no manao izany rehetra izay amin'ny alalan'ny Zanaka izay solo-tenany.

Ny Fanahy Masina no lalana hanaovan'ny Ray ireto asa manaraka ireto: ny famoronana sy ny fiazonana izao tontolo izao (Genesisy 1:2; Joba 26:13; Salama 104:30); fanambarana (Jaona 16:12-15; Efesiana 3:5; 2 Petera 1:21); ny famonjena (Jaona 3:6; Titosy 3:5; 1 Petera 1:2); ary ny asan'i Jesosy (Isaia 61:1; Acts 10:38). Ny Ray izany no manao izany zavatra rehetra izany amin'ny alalan'ny herin'ny Fanahy Masina.

Betsaka ny fanoharana nataon'ny olona hanehoana ny Telo Izay Iray. Na izany aza anefa dia betsaka amin'ireny fanoharana malaza ireny no tsy marina tanteraka. Ilay fanoharana momba ny atody (na ny paoma) dia tsy marina satria ny tapotsiny dia isan'ny atody fa tsy atody feno; toy izany ihany koa, ny hoditry ny paoma, ny nofony sy ny voany dia singa ao amin'ny paoma fa tsy paoma feno. Ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina dia samy Andriamanitra fa tsy singan'Andriamanitra akory. Tsaratsara kokoa ilay fanoharana ny amin'ny rano, kanefa tsy tena maneho tanteraka ny Telo Izay Iray ihany koa izany. Endrika hisehoan'ny rano ny rano, entona sy glasy. Ny Ray, Zanaka sy ny Fahany Masina dia tsy endrika isehoan'Andriamanitra fa samy Andriamanitra avokoa. Na dia mitondra fanazavana kely ny momba ny Telo Izay Iray aza ireny fanohanarana ireny dia tsy marina tanteraka. Tsy azo faritana amin'ny alalan'ny fanoharana voafetra ilay Andriamanitra tsy voafetra.

Fampianarana nitondra fisarahana teo amin'ny tantaran'ny fiangonana ny momba ny Telo Izay Iray. Na dia voasoratra ao amin'ny Soratra Masina aza ny hevitra fototra momba ny Telo Izay Iray, dia misy hevitra izay tsy voazava tanteraka. Andriamanitra ny Ray, Andriamanitra ny Zanaka ary Andriamanitra ny Fanahy Masina kanefa iray ihany Andriamanitra. Izay ny fampianarana ara-tsoratra masina mikasika ny Telo Izay Iray. Raha mihoatra izay dia azo atao ny miady hevitra kanefa tsy mitondra makaiza izany. Mitondra soa ho antsika kokoa ny mifatoka amin'ny halebeazan'Andriamanitra sy ny maha tsy manam-petra Azy noho ny fihezahana hamaritra ny maha Telo Izay Iray Azy amin'ny saintsika izay voafetra ihany. ' Endrey ny halalin'ny haren'Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! Ny fitsarany tsy hita lany, ary ny lalany tsy azo fantarina! Fa iza no nahalala ny sain'i Jehovah? Ary iza no mpanolon-tsaina Azy? ' (Romana 11:33-34).

English



Miverina amin'ny pejy amin'ny teny Malagasy

Inona no ampianarin'ny Baiboly mikasika ny Telo Izay Iray?
© Copyright Got Questions Ministries