settings icon
share icon
Fanontaniana

Ahoana ny fomba fijery Kristiana manoloana ny famonoan-tena? Inona no ambaran'ny Baiboly mikasika ny famonoan-tena?

Valiny


Enina no isan'ny olona namono tena ao amin'ny Baiboly: Abimeleka (Mpitsara 9:54), Saoly (1 Samoela 31:4), ny mpitondra ny fiadian'i Saoly (1 Samoela 31:4-6), Ahitofala (2 Samoela 17:23), Zimri (1 Mpanjaka 16:18), ary farany i Jodasy (Matio 27:5). Ny dimy amin'izy ireo dia olona ratsy fanahy sy mpanota (tsy misy fanazavana betsaka momba ny mpitondra fiadian'i Saoly ka tsy ahafahana milaza izay mety ho toetrany). Misy ihany koa ny mandray ny fahafatesan'i Samsona ho famonoan-tena (Mpitsara 16:26-31), kanefa ny tanjon'i Samsona dia ny hamono ny filistina fa tsy ny tenany akory. Ny Baiboly dia mandray ny famonoan-tena ho famonoana olona, ary marina izany. Andriamanitra irery ihany no tompon'ny fanapahan-kevitra ny amin'ny fotoana sy ny fomba hahafatesan'ny olona iray.

Araka ny Baiboly dia tsy ny famonoan-tena no mamaritra raha tokony hiditra ny lanitra ny olona iray na tsia. Raha mamono tena ny olona tsy mpino iray, dia tsy nisy nataony afatsy ny ' nanafaingana ' ny fandehanany any amin'ny helo fotsiny. Kanefa ny tsy nandraisany ny famonjena tamin'ny alalan'i Kristy no antony handehanany any amin'ny helo fa tsy ny famonoany tena velively. Inona no hambaran'ny Baiboly mikasika ny Kristiana mamono tena? Mampianatra ny Baiboly fa amin'ny fotoana hinoantsika an'i Kristy amin'ny fo madio dia azo antoka ny fiainana mandrakizay (Jaona 3:16). Araka ny Baiboly dia afaka mahazo antoka tanteraka ny fananany fiainana mandrakizay ny Kristiana (1 Jaona 5:13). Tsy misy zavatra afaka mampisaraka ny Kristiana amin'ny fitiavan'Andriamanitra (Romana 8:38-39). Raha tsy misy zavatra ' ary ' afaka mampisaraka ny Kristiana amin'ny fitiavan'Andriamanitra dia tsy afaka mampisaraka ny Kristiana amin'ny fitiavan'Andriamanitra ihany koa na dia ny famonoan-tena aza, satria olona nohariana ilay mikasa hamono tena. Maty ho an'ny fahotantsika rehetra Jesosy ary raha misy Kristiana, ao anatin'ny fanafihana sy ny fahalemana tonga amin'ny famonoan-tena, dia isan'ny fahotana voasaron'ny r'n'i Kristy ihany koa izany.

Na izany na tsy izany aza dia fahotana goavana eo anatrehan'Andriamanitra ny famonoan-tena. Araka ny Baiboly dia famonana olona ny famonoan-tena ary diso mandrakariva izany. Mampanahy ny fanoloran-tenan'ny olona iray mitonon-tena ho Kristiana nefa mamono tena. Tsy misy toe-javatra manamaivana ny famonoan'ny olona iray ny tenany, indrindra raha Kristiana izy. Nantsoina hiaina ny fiainany ho an'Andriamanitra ny Kristiana ary ny fanapahan-kevitra ny amin'ny fotoana hahafatesana dia an'Andriamanitra tokana ihany. Na dia tsy famonoan-tena ara-bakiteny aza no ambaran'ny 1 Korintiana 3:15 dia mamaritra mazava ny zavatra mitranga amin'ny Kristiana mamono tena izany: ' Fa ny tenany kosa dia hovonjena, nefa toy ny avy ao amin'ny afo ihany izy. '

English



Miverina amin'ny pejy amin'ny teny Malagasy

Ahoana ny fomba fijery Kristiana manoloana ny famonoan-tena? Inona no ambaran'ny Baiboly mikasika ny famonoan-tena?
© Copyright Got Questions Ministries