settings icon
share icon
Fanontaniana

Ahoana no ahazoako antoka fa ho any an-danitra aho rehefa maty?

Valiny


Fantatrao tsy ampisalasalana ve fa manana fiainana mandrakizay ary ho any an-danitra ianao aorian'ny fahafatesana? Tian'Andriamanitra hanana antoka ianao! Hoy ny Baiboly "Izany no nosoratako aminareo, izay mino ny anaran' ny Zanak' Andriamanitra, mba ho fantatrareo fa manana fiainana mandrakizay ianareo." (1 Jaona 5:13) Andeha atao hoe mijoro eo anatrehan'Andriamanitra ianao izao ary manontany anao Izy hoe "Inona no antony hamelako anao hiditra ny lanitra?" Inona no havalinao Azy? Mety tsy hitanao angamba izay havaly. Ny tokony ho fantatrao dia tia anao Andriamanitra ary misy fomba natolony hamantaranao tsy misy fihambahambana ny lalana hizoranao ho amin'ny mandrakizay. Toy izao manaraka izao no hanambaran'ny Baiboly: "Fa toy izao no nitiavan' Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanany lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay." (Jaona 3:16).

Alohan'ny zavatra rehetra dia mila azontsika ny olana misakana antsika tsy ho any an-danitra. Ny olana dia izao - ilay natiora mpanota ao anatintsika dia misakana antsika tsy hanana fifandraisana amin'Andriamanitra. Mpanota ara-natiora sy safidy isika. "fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin' Andriamanitra," (Romana 3:23). Tsy afaka manavo-tena isika. "Fa fahasoavana no namonjena anareo amin' ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin' Andriamanitra; tsy avy amin' ny asa, fandrao hisy hirehareha" (Efesiana 2:8-9). Mendrika antsika ny fahafatesana sy helo. "Fa fahafatesana no tambin' ny ota" (Romana 6:23).

Masina sady marina Andriamanitra ary tsy maintsy manameloka fahotana; na izany aza anefa dia tia antsika Izy ary manome famelan-keloka ho antsika. Hoy Jesosy: "Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin' ny Ray, afa-tsy amin' ny alalako" (Jaona 14:6). Maty ho antsika teo amin'ny hazo fijaliana Jesosy: "Fa Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin' Andriamanitra" (1 Petera 3:18). Natsangana tamin'ny maty Jesosy: "Izay natolotra noho ny fahadisoantsika ka natsangana indray ho fanamarinana antsika" (Romana 4:25).

Averina indray ilay fanotaniana teo aloha - "Ahoana no ahazoako antoka fa ho any an-danitra aho rehefa maty?" Ny valiny dia - minoa an' i Jesosy Tompo, dia hovonjena hianao sy ny ankohonanao (Asan'ny Apostoly 16:31). "Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak' Andriamanitra, dia izay mino ny anarany" (Jaona 1:12). Azonao raisina MAIMAIMPOANA ny fiainana mandrakizay. "fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin' Andriamanitra ao amin' i Kristy Jesosy Tompontsika" (Romana 6:23). Afaka manana fiainana feno sy manan-danja ianao izao. Hoy Jesosy: "Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be" (Jaona 10:10). Afaka miaraka amin'ny Jesosy any an-danitra mandrakizay ianao satria efa nanome toky Izy: "Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa" (Jaona 14:3).

Raha te-handray an'i Jesosy Krisity ho mpamonjy sy handray famelan-keloka avy amin'Andriamanitra ianao dia misy vavaka azonao atao ity. Ny fanaovana ity vavaka ity na vavaka hafa ihany koa dia tsy hamonjy anao. Ny fahatokiana an'i Jesosy Kristy irery ihany no mitondra famelan-keloka. Ity vavaka ity dia fomba tsotra anehoanao amin'Andriamanitra ny finoanao Azy sy hisaoranao Azy ny amin'ny nanomezany anao famelan-keloka. "Andriamanitra o, fantantro fa nanota teo anatrehanao aho ary mendrika ny ho voaheloka. Kanefa nentin'i Jesosy ny fanamelohana tokony ho ahy ary amin'ny alalan'ny finoako Azy dia afaka mandray famelan-keloka aho. Mahatoky ny famonjenao aho. Misaotra ny amin'ny fahasoavana sy famindram-po lehibe! Amena!

Nandray fanampahan-kevitra hanaraka an'I Kristy noho ny zavatra novakianao tato ve ianao? Raha izany dia tsindrio ny 'Nandray an'I Jesosy aho androany' etsy ambany.

English



Miverina amin'ny pejy amin'ny teny Malagasy

Ahoana no ahazoako antoka fa ho any an-danitra aho rehefa maty?
© Copyright Got Questions Ministries