settings icon
share icon
Fanontaniana

Misy fiainana ve aorian'ny fahafatesana?

Valiny


Misy fiainana ve aorian'ny fahafatesana? Ny Baiboly dia milaza fa "Ny olona tera-behivavy dia vitsy andro sady vontom-pahoriana. Mitsimoka tahaka ny voninkazo izy ka jinjana, ary mihelina tahaka ny aloka izy ka tsy mitoetra... Raha maty ny olona, moa ho velona indray va izy?" (Joba 14:1-2, 14)

Tahaka an'i Joba, ny ankamaroantsika dia efa nametraka izany fanontaniana izany. Inona marina no mitranga amintsika aorian'ny fahafatesana? Mitsahatra tsy miaina fotsiny ve isika? Toy ny varavarana misokatra azo hidirana sy hivoahana fotsiny ve ny fiainana aorian'ny fahafatesana mandrapahatonga antsika ho lasa olona misongadina? Toerana iray ihany ve no alehan'ny rehetra sa samy manana ny lalank'izorany? Tena misy marina ve ny paradisa sy afobe sa zavatra any antsain'ny olona fotsiny izany?

Ny Baiboly milaza amintsika fa tsy vitan'ny hoe misy fiainana aorian'ny fahafatesana fa fiainana mandrakizay feno voninahitra ka "tsy mbola hitan'ny maso ary tsy mbola ren'ny sofina, na niditra tao am-pon'ny olona, na inona na inona no efa namboarin'Andriamanitra ho an'izay tia Azy" (1 Korintiana 2:9). Jesosy Kristy, ilay Andriamanitra tonga nofo, dia tonga tety an-tany hanome antsika fanomezana, dia ny fiainana mandrakizay. "Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika, ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika." (Isaia 53:5).

Noraisin'i Jesosy ny sazy tokony ho antsika ary nataony sorona ny tenany. Telo andro taty aoriana dia noreseny ny fahafatesana tamin'ny nitsanganany tamin'ny maty, tamin'ny Fanahy sy ny nofo. Nitoetra teto an-tany nandritra ny efapolo andro Izy ary hitan'ny olona amanarivony talohan'ny nisandratany ho any amin'ny fonenany mandrakizay any an-danitra. Romana 4:25 dia milaza hoe, "Izay natolotra noho ny fahadisoantsika ka natsangana indray ho fanamarinana antsika."

Ny fitsanganan'i Krisity dia trangan-javatra voarakitra mazava. I Paoly apostoly dia nanome fanamby ny olona mba hanontany ireo vavolom-belona nanatry maso saingy tsy nisy afaka nanohitra ny fahamarinan'izany. Ny fitsanganana tamin'ny maty no fehizoron'ny finoana Kristiana; satria nitsangana tamin'ny maty Kristy dia afaka mino koa isika fa hitsangana amin'ny maty toa Azy.

Nananatra ireo Krisitiana tsy nino izany Paoly: "Ary raha Kristy no torina fa natsangana tamin'ny maty, ahoana no ilazan'ny sasany eo aminareo fa tsy misy fitsanganan'ny maty? Fa raha tsy misy fitsanganan'ny maty, na dia Kristy aza dia tsy natsangana;" (1 Korintiana 15:12-13).

Kristy dia fiatombohan'ireo maro be hatsangana amin'ny maty ho amin'ny fiainana. Ny fahafatesan'ny nofo dia tonga tamin'ny alalan'ny lehilahy iray, Adama, izay niaviantsika rehetra. Kanefa ny rehetra natsangana ho isan'ny fianakavian'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny finoana an'i Jesosy Kristy dia handray fiainana voavao (1 Korintiana 15:20-22). Tahaka ny nananganan'Andriamanitra ny nofon'i Jesosy tamin'ny maty no hananganana ny nofontsika amin'ny fotoana hiverenan'i Jesosy (1 Korintiana 6:14).

Na dia samy hitsangana amin'ny maty avokoa aza isika rehetra, dia tsy ny rehetra no ho any an-danitra. Mila mandray fanampahan-kevitra ny tsirairay eo amin'ny fiainany. Fanapahan-kevitra mametra ny lalan-kizorany amin'ny mandrakizay. Ny Baiboly dia milaza fa notendrena ny olona ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana (Hebreo 9:27). Ireo rehetra nohamarinina dia ho any amin'ny fiainana mandrakizay, fa ireo rehetra tsy mino kosa dia halefa any amin'ny famaizana mandrakizay, na helo (Matio 25:46).

Ny helo, sy ny lanitra, dia tsy teny mamaritra karazam-piainana fotsiny ihany, fa toerana tena misy. Toerana handraisan'ireo ratsy fanahy ny fahatezeran'Andriamanitra mandrakizay ary tsy misy fahataperana izany. Hiaina fampahoriana ara-pihetseham-po, ara-tsaina sy ara-batana izy ireo; tsakotsakoin'ny henatra, nenina, ary ny eso sy fanebahana.

Lavaka tsy hita noanoa (Lioka 8:31, Apokalypsy 9:1), farihy mirehitra afo, solofara, sy toerana mampahory andro aman'alina sy mandrak'izay (Apokalypsy 20:10) no hamaritana ny helo. Any amin'ny helo no misy ny fitomaniana sy fikotroha-nify, izay mampiseho fanaintainana sy fahatezerana (Matio 13:42). Tsy maty ny kakana ary ny afo tsy vonoina amin'izany toerana izany (Marka 9:48). Tsy sitrak'Andriamanitra ny hahafatesan'ny ratsy fanahy, fa ny hialan'ny ratsy fanahy amin'ny lalany, mba ho velona izy (Ezekiela 33:11). Kanefa tsy hanery antsika hanaiky Azy Izy; raha ny handa no safidy raisintsika dia tsy manana safidy afatsy ny manome izay tadiavintsika Izy - dia ny hiaina lavitra Azy.

Fitsapana sy fihomanana ho amin'izay ho avy ny fiainana ety an-tany. Ho an'ireo izay mino dia fiainana mandrakizay mivantana eo amin'ny fanatrehan'Andriamanitra izany. Koa amin'ny fomba ahoana ary no handraisantsika izany fanamarinana izany mba handraisantsika ny fiainana mandrakizay? Lalana tokana ihany - amin'ny alalan'ny finoana sy fahatokina ny Zanak'Andriamanitra, Jesosy Kristy. Hoy Jesosy hoe,"Izaho no fananganana ny maty sy fiainana. Izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay..." (Jaona 11:25-26).

Ny fiainana mandrakizay, fanomezana avy amin'Andriamanitra, dia natao ho an'ny rehetra kanefa mitaky ny fandavantsika ny filan'izao tontolo izao sy ny fanaovana fanatitra ny fiainantsika ho an'Andriamanitra izany. "Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran'Andriamanitra no mitoetra eo aminy" (Jaona 3:36). Tsy hisy fibebahana sy fialana amin'ny fahotana intsony aorian'ny fahafatesana satria raha vantany vao mahita tava an'Andriamanitra isika dia tsy hanana safidy afatsy ny hino Azy. Maniry ny hanatonantsika Azy ankehitriny amin'ny finoana sy fitiavana Izy. Raha eketsika fa nefain'ny fahafatesan'i Jesosy Kristy ny trosan'ny fanoherantsika an'Andriamanitra dia azo antoka ny fananantsika fiainana manan-danja ety an-tany ary koa fiainana mandrakizay eo amin'ny fanatrehan'i Kristy.

Raha maniry ny handray an'i Jesosy Kristy ho mpamonjy anao ianao dia misy vavaka azonao atao ity. Tsarovy fa ny fanaovana ity vavaka ity na vavaka hafa ihany koa dia tsy hamonjy anao. Ny fahatokiana an'i Kristy irery ihany no hany mamonjy anao amin'ny fahotanao. Ity vavaka ity dia fomba tsotra anehoanao amin'Andriamanitra ny finoanao Azy sy hisaoranao Azy ny amin'ny nanomezany anao famonjena. "Andriamanitra o, fantantro fa nanota teo anatrehanao aho ary mendrika ny ho voaheloka. Kanefa nentin'i Jesosy ny fanamelohana tokony ho ahy ary amin'ny alalan'ny finoako Azy dia afaka mandray famelan-keloka aho. Mametraka ny fahatokiako Azy aho ankehitriny ho famonjena ahy. Misaotra ny amin'ny fahasoavana sy famindram-po lehibe - ny fanomezana fiainana mandrakizay! Amena!"

Nandray fanampahan-kevitra hanaraka an'I Kristy noho ny zavatra novakianao tato ve ianao? Raha izany dia tsindrio ny 'Nandray an'I Jesosy aho androany' etsy ambany.

English



Miverina amin'ny pejy amin'ny teny Malagasy

Misy fiainana ve aorian'ny fahafatesana?
© Copyright Got Questions Ministries