settings icon
share icon
Fanontaniana

Tenin'Andriamanitra marina ve ny Baiboly?

Valiny


Ny famaliantsika izany fanontaniana izany no mamaritra ny fomba fijerintsika ny Baiboly sy ny maha zava-dehibe izany eo amin'ny fiainantsika. Ankoatr'izany dia hitondra fiovana mandrakizay eo amintsika ihany koa izany. Raha tenin'Andriamanitra marina ny Baiboly dia tokony hankamamiantsika, hianarantsika, hakatoavintsika ary ihany koa hitokiantsika. Raha Tenin'Andriamanitra ny Baiboly dia midika fanaovana tsinotsinona an'Andriamanitra ny fanaovana tsinotsinona azy.

Ny fanomezan'Andriamanitra ny Baiboly antsika dia porofo mivaingana sy fanehoana ny fitiavany antsika. Ny teny hoe "fanambarana" dia midika fa Andriamanitra dia manambara amin'ny olona ny toetoetrany sy ny fomba hananantsika fifandraisana mahitsy miaraka Aminy. Zavatra tsy tokony ho fantantsika izany raha tsy nasehon'Andriamanitra tamin'ny fombany tamin'ny alalan'ny Baiboly. Na dia misokatra tsikelikely aza ny fanehoan'Andriamanitra ny tenany ao amin'ny Baiboly, 1500 taona eo ho eo, dia nampiseho mandrakariva izay ilain'ny olona ho fantatra momba an'Andriamanitra ahafahany manana fifandraisana Aminy. Raha tenin'Andriamanitra marina ny Baiboly dia tompon'ny fahefana farany momba ny zavatra rehetra mikasika ny finoana, fombafombam-pivavahana sy fomba fisainana izany.

Ny fanontaniana tokony apetratsika dia ny fomba hamantarana fa Tenin'Andriamanitra ny Baiboly fa tsy boky tsara tsotra fotsiny? Inona ny zavatra manokana mampiavaka ny Baiboly amin'ny bokin'ny vondrom-pivavahana hafa? Misy porofo ve fa tenin'Andriamanitra marina ny Baiboly? Izany rehetra izany no karazam-panontaniana tokony apetraka raha hamakafaka marina ny fanambarana fa tenin'Andriamanitra ny Baiboly, nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra, ary feno sy ampy handehanana sy hiainana amin'ny finoana.

Tsy hiadian-kevitra ny fahamarinana fa ny Baiboly dia manambara ny tenany ho tenin'Andriamanitra. Hita miharihary izany amin'ny fampaherezana nomen'i Paoly an'i Timoty: "...fa hatry ny fony vao zaza hianao dia efa nahalala ny Soratra Masina, izay mampahahendry anao ho amin' ny famonjena amin' ny finoana izay ao amin' i Kristy Jesosy. Izay soratra rehetra nomen' ny tsindrimandrin' Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin' ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon' Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin' ny asa tsara rehetra." (2 Timoty 3:15-17).

Misy porofo anatiny sy ivelany manamarina fa tenin'Andriamanitra marina ny Baiboly. Ny porofo anatiny dia ireo zavatra ao anaty Baiboly manambara fa avy amin'Andriamanitra ny fihaviany. Iray amin'ny porofo anatiny manamarina fa tenin'Andriamanitra marina ny Baiboly ny fihombonany. Na dia boky eninambienimpolo samy manana ny maha izy azy aza izy, nosoratana avy amin'ny kontinanta telo, tamin'ny teny telo samy hafa, tao anatin'ny 1500 taona, nosoratana mpanoratra mihoatra ny 40 isa izay samy nanana ny karazam-piainany dia mijoro ho boky iray tsy misy fifanoherana ny Baiboly. Ny fihombonany dia miavaka amin'ny boky rehetra ary porofo fa avy amin'Andriamanitra ny fihaviany tamin'ny alalan'ny nikasihan'Andriamanitra ireo mpanoratra teo am-panoratany ny teniny.

Iray amin'ny porofo anatin'ny Baiboly ny faminaniana izay voasoratra ao anatiny. Mirakitra faminaniana anjatony maro mikasika firenena toa an'i Israely, ny ho avin'ny tanana, ny ho avin'ny zanak'olombelona, ary ny fahatongavan'ilay Mesia, ilay mpamonjy, tsy ny Israely fotsiny ihany, fa izay rehetra mino azy ihany koa. Miavaka amin'ireo faminaniana voasoratry ny bokin'ny vondrom-pivavahana hafa na ny faminanian'i Nostradamus, ny faminanian'ny Baiboly izay voazava amin'ny antsipiriany ary tanteraka. Ao amin'ny Testameta Taloha fotsiny dia misy faminaniana mihoatra ny telonjato momba an'i Jesosy Kristy. Tsy vitan'ny hoe voalaza mialoha ny toerana haterahany sy ny fianakaviana hiaviany fa voalaza ihany koa ny fomba hafatesany sy ny fitsanganany amin'ny maty amin'ny andro faha telo. Tsy misy fanazavana ara-lojika ny fahatanterahan'ny faminaniana ao amin'ny Baiboly afatsy ny fihaviany avy amin'Andriamanitra. Tsy misy bokin'ireo vondrom-pivavahana hafa maneho faminaniana mitovy karazana amin'ny Baiboly.

Ny porofo anatiny fahatelo manamarina fa avy amin'Andriamanitra ny fihavian'ny Baiboly dia ny fahefany sy ny heriny miavaka. Na dia porofo tsy azo raisin-tanana toy ireo roa teo aloha aza ity iray ity dia tsy manamaivana ny fanamarinana entiny mikasika ny fihavian'ny Baiboly. Manana fahefana manokana tsy mitovy amin'ny boky rehetra nosoratana ny Baiboly. Ity fahefana sy herin'ny Baiboly ity dia hita eo amin'ny fiovam-piainan'ny olona maro tamin'ny alalan'ny hery mihoatra ny herin'olombelona mikoriana amin'ny tenin'Andriamanitra. Sitrany ny olona voafatotry ny zava-mahadomelina; nafahany ny mpanelaka; novainy ny mpangataka sy ny olona mpandositra fandohavan-trosa; ny olona meloka navaoziny; ny mpanota nanariny ary niova ho fitiavana ny fankahalana tamin'ny famakiana izany. Manan-kery sy fahefana hanova ny Baiboly satria tenin'Andriamanitra marina izany.

Misy ihany koa porofo ety ivelany manamarina fa tenin'Andriamanitra ny Baiboly. Iray amin'izany porofo izany ny tantaran'ny Baiboly. Satria mampiseho trangan-javatra ara-tantara ny Baiboly dia azo hamarinina tahaka ny rakitra ara-tantara rehetra ny fahamarinany sy ny antsipiriany. Tamin'ny alalan'ny porofo arkeolojika sy ny rakitra hafa dia voamarina hatrany ny fahamarinana sy ny antsipirian'ny tantara ao amin'ny Baiboly. Ny tena marina dia ny porofo arkeolojika sy ny rakitsoratra manohana ny Baiboly rehetra dia mahatonga azy ho boky voamarina indrindra amin'ireo boky rehetra nisy taloha. Koa satria milaza rakitra ara-tantara marina sy mitombona ary azo hamarinina ny Baiboly dia maneho antsika ny fahamarinany izany amin'ny fiatrehana resaka ara-pivavahana sy fampianarana ary manohana ny fanambarany fa tenin'Andriamanitra marina izy.

Porofo ivelany manamarina fa tenin'Andriamanitra marina ny Baiboly ny fahamarinan'ny mpanoratra azy. Araka ny voalaza teo aloha, Andriamanitra dia nampiasa olona samy nanana ny fiainany hirakitra ny teniny ho antsika. Raha jerena ny fiainan'ireo olona ireo dia tsy misy antony tsy hinoana fa olona marina sy tsy mihatsara velatsihy izy ireo. Raha jerena ny fiainan'izy ireo dia miharihary fa vonona ny hanolotra ny ainy, matetika amin'ny fomba mahatsiravina, ho an'ny zavatra ninoany ireto olona tsotra sy mahitsy ireto ary mampiseho mazava fa tena nino izy ireo fa niteny taminy tokoa Andriamanitra. Ny olona nanoratra ny Testameta Vaovao sy ireo mpino an-jatony maro (1 Korintiana 15:6) dia nahalala ny fahamarinan'ny hafatra entiny satria nahita sy niaraka tamin'ny Kristy Jesosy izy ireo taorian'ny nitsanganany tamin'ny maty. Ny fiovana nentin'ny fahitana an'ilay Kristy nitsangana tamin'ny maty dia nisy fihantraikany goavana teo amin'izy ireo. Niova fasahiana hanolotra ny ainy ho an'ny hafatra nomen'Andriamanitra azy ny tahotra sy ny fihafonana tao anatin'izy ireo. Ny fiainany sy ny fahafatesany dia fijoroana vavolombelona ny amin'ny maha tenin'Andriamanitra marina ny Baiboly.

Porofo ivelany farany manamarina ny maha tenin'Andriamanitra ny Baiboly ny tsy fahalovany. Noho ny maha zava-dehibe azy sy noho ny filazany fa tenin'Andriamanitra marina izy dia nandalo fanafihana sy fanapotehina ny Baiboly mihoatra lavitra noho ny boky hafa teo amin'ny tantaran'ny zanak'olombelona. Nanomboka tamin'ny amperora Romana toy ny Diocletian, sy ny mpanao didy jadona komionista sy ny ateista, nijoro hatrany ny Baiboly nanoloana ireo mpanafika ary mbola boky mihely be indrindra eran-tany hatramin'izao.

Ireo mpiasalasala dia nijery ny Baiboly ho toy ny anganoganon'ny Ntaolo kanefa ny arkeolojia dia nanamarina fa tantara nisy izany. Ny mpanohitra milaza fa efa lany daty ny hafany kanefa ny fampianarana ara-moraly sy lalana ao anatiny dia nitondra voka-tsoa teo amin'ny fiaraha-monina sy kolontsaina manerana ny tany. Mitohy manafika izany ny siansa, psikolojia ary ny hetsika ara-politika kanefa dia mijoro ho marina sy manaraka toetr'andro izany nanomboka tamin'ny nanoratana azy mandrak'ankehitriny. Boky nanova fiainana sy kolontsaina maro be nandritra ny 2000 taona izany. Na manahoana na manahoana fanafihana, fanimbana, na fanosoram-potaka atao ny Baiboly dia mijoro matanjaka sy marina ary manaraka toetr'andro hatrany izany. Ny fahamarinana voatazona manoloana ny fanosoram-potaka, fanafihana sy ny fanimbana dia vavolom-belona mazava fa tenin'Andriamanitra marina ny Baiboly ary misy fiarovana mihoatra ny voajanahary avy amin'Andriamanitra. Tsy tokony hanaitra antsika ny mahita fa na inona na inona fanafihana atao amin'ny Baiboly dia tsy manova na mandrava azy izany. Jesosy izao no nilaza fa "ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona" (Marka 13:31). Rehefa nodinihina ny porofo rehetra dia afaka miteny tsy ampisalasalana isika fa tenin'Andriamanitra marina tokoa ny Baiboly.

English



Miverina amin'ny pejy amin'ny teny Malagasy

Tenin'Andriamanitra marina ve ny Baiboly?
© Copyright Got Questions Ministries